ALAHADY FAHA 26 SEPTAMBRA 2021

« Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Batisa »

Alahady faha 16 manaraka ny Trinite. Alahady natokana itondrana am-bavaka ireo mpianatra katekomena Andiany Miray sy ny sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana SFP). Ny Litorjia tamin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.
Ny diakona Rakotovololona Lova no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Salamo 96 :1-10 no novakiana ho fiderana an’Andriamanitra
Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 18 : « Ny feonay rehetra izao », and.1sy 2.

VAVAKA

Dera, laza ary voninahitra no natolotra ny Tompo ho setry ny fitiavany ka nahavory indray eto amin’ny tranon’Andriamanitra ny mpianakavin’ny finoana. Nisaorana ny Tompo noho ny fahafahana miombona vavaka amin’ny katekomena Andiany Miray.
Nangatahina ny fanatrehan’ny Fanahy Masina ny fotoana.

Fotoanan’ny ankizy sy ny tanora

Ny Matio 5 : 9 no Tenin’Andriamanitra nangalana ny hafatra. « Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra. ». Mpirahalahy mpiray tampo i Solofo sy Nary. Nisy fifanolanana teo amin’izy mirahalahy ka tsy nifampiteny intsony izy ireo. Nifindra monina tery ampitan’ny renirano mihitsy ny anankiray vokatr’izany. I Solofo kosa tsy te hahita ny rahalahiny etsy ampita intsony ka naka mpanao trano, mba hanamboatra tamboho avo dia avo hanakonana ilay tananan’i Nary. Tsy nety tamin’ilay mpanao trano izany fihetsik’izy mirahalahy ireto ka nampihavana azy ilay mpandrafitra.
Nihavana tokoa izy ireo ka nitondra hafaliana indray ho an’i Nary sy Solofo ny fampihavanana azy ireo. Tamin’ny alalan’ny Batisa no nampihavanana antsika tamin’Andriamanitra. Isika ihany koa dia tokony hahay hifankatia sy tia fihavanana ary mampihavana ny olona. Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 790:1 « Jesô ô, Sakaiza tsara ».

VAVAKA

Nisaorana ny Tompo noho ny fanadiovana nataony tamintsika tamin’ny alalan’ny Batisa. Nangatahina ny Tompo mba hampianatra antsika hahay mifankatia sy tia fihavanana ary hahay hampihavana ny mpifandrafy.

VAKITENY

Nohiraina ny tao amin’ny Fihirana Fanampiny 4: “Ry Fanahy ô”, and. 2-3
Vavaka mialoha ny vakiteny
Nisaorana ny Tompo noho ny fahafahana mandre ny sitrapony. Nangatahina ny Fanahy Masina mba hiasa mandritra ny fandraisana ny hafatry ny Tompo.
Perikopa: Nomery 31: 21-24; Lioka 12: 49-53: I Korintiana 10: 1-5.

TORITENY

Noho ny fangatahan’ny Vaomieran’ny Aim-panahy dia natao amin’ny endrika fampianarana ny toriteny anio.
Mifantoka amin’ny Batisa izany fampianarana izany.
Ny Batisa dia Sakramenta. Ny Sakramenta dia teny latina ilazana zavatra masina.
Teny na baiko avy amin’i Kristy izy io ary misy marika hita maso.
Raha ny Batisa manokana dia fanadiovana amin’ny alalan’ny rano no marika hita maso amin’izany Sakramenta izany.
Izy io dia misy tandindona ao ami’ny Testamenta Taloha. Ny safo-drano no fanehoana ny Batisa tamin’ny mpianakavin’i Noa.

Ny famorana kosa no tandindon’ny Batisa tamin’i Abrahama sy ny taranany. Teo amin’ny zanak’Israely kosa dia ny fiampitana ny ranomasina mena no tandindon’ny Batisa.

Ny Nomery 31: 21-24 dia mampiseho antsika fa mila voadio ny miaramila avy niantafika izay vao mahazo miditra ao an-toby. Ny fisasana rehetra tany amin’ny Testamenta Taloha dia tandindon’ny Batisa.
Ahazoana fitahiana ny Batisa. Anisan’izany ny famelan-keloka. Rehefa vita Batisa isika dia mitafy an’i Kristy. Amin’izay fotoana izay dia Kristy no hitan’Andriamanitra rehefa mijery antsika Izy. Mitondra Famonjena ho antsika ihany koa ny Batisa ary farany, rehefa vita Batisa isika dia mandray ny Fanahy Masina ho Tombonkase.
Ny Batisa dia atao isam-batan’olona fa tsy mahazo atao faobe.
Miteraka ady hevitra matetika ny hoe « Afaka atao Batisa ve ny zazakely? »
Tsy mifidy taona ny fanaovana Batisa ny olona. Ny famorana ny taranak’i Abrahama dia tandindon’ny Batisa ary raha vao feno valo andro ny zaza dia foramina. Rehefa nita ny ranomasina ny zanak’Israely dia niampita avokoa na zaza vao teraka na olon-dehibe. Araka izany dia natao ho an’ny olona rehetra ny famonjen’Andriamanitra ary tsy mifidy taona ary anisan’izany ny Batisa.
Ny zaza aza no tena mendrika ny handova ny lanitra. Ary ny zaza dia ampiasain’Andriamanitra araka ny Salamo 8: 2 manao hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy”.
Ny fahazazana dia niainan’i Jesoa. Ny Mpianatra dia nanilika ny zaza tsy hanatona ny Tompo ary dia tsy nankasitraka izany fihetsiky ny mpianatra izany Jesoa. Ny fiainam-piangonana dia miantomboka any amin’ny fiandohan’ny fiainan’ny olona iray.
Rehefa atao Batisa ny olon-dehibe dia mila mibebaka, ny zaza kosa dia tsy mila mandalo amin’izany fibebahana izany satria tsy mbola nanota. Na ny olon-dehibe aza dia mila miverina tahaka ny zaza mba hahazoany ny Fanjakan’Andriamanitra. Mitovy amin’ny zaza ny olona rehefa mibebaka.
Aretina apôkalyptika ny covid-19, tsy mifidy taona ny fahafatesana fa asiany avokoa na kely na lehibe.
Aza andrasana ho lehibe ny ankizy fa dia ny mbola kely ny zaza dia mila atao Batisa fa aza andrasana ho viravirain’i satana izy vao atao Batisa.
Baikon’ny Tompo ny fanaovana Batisa ny olona rehetra. Ny Batisa feno dia Batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy mandeha tsirairay ireo fa miaraka. Tsy azo atao in-droa ny Batisa, Kristy dia maty indray mandeha ary velona mandrakizay. Raha atao Batisa fanindroany, ny olona iray dia efa miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy izay ka mihemotra. Tandremo sao dia ataon’ny olona batisa fanindroany ka ampidirany fanahy hafahafa. Tsy fanalana ny loton’ny nofo toy ny tsikoko ny Batisa ka hoe mila ranobe izay vao afaka ny loto. Tsy mila ady hevitra izany hoe ranobe sa ranokely no fanaovana azy.
Mila ampahafantarina ny olona vita Batisa ny fahavitan’izany Batisa izany ahafahany miaina ny fiainana Kristiana na aiza na aiza misy azy.
Tsy mety ny Batisa à distance, Mila mifanatri-tava ny atao Batisa sy ny Mpanao Batisa.

VAVAKA

Nisaorana ny Tompo noho ny fampianarana azo. Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famelan-keloka.
Tahorian’ny vavaka fangatahana famelan-keloka dia nohiraina ny FFPM 571: 1.

Famelan-keloka

Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.

Taorian’ny famelan-keloka dia nohiraina ny FFPM 4: “ Mamy ny fitianao”, and.2
Ho fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo.

Vaovaom-piangonana

– Tatitry ny mpianatra Katekomena andiany Miray
Ny 13 desambra 2020 no nanomboka ny fianarana. Naseho tamin’ny Mpihevidraharaha sy ny Mpandray izy ireo ny 20 jona. Nandray anjara hatrany tamin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ireo hetsika karakarainy ny Katekomena Miray. Ny Fisintonana sy ny fanadinana dia tontosa ny 25 septambra 2021.
– Raharaha avy any ivelany
Tontosaina ny 17 oktobra eny Antsonjombe ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny Birao Foibe koa dia mila diakona hifandrimbona amin’ny fanantazana sy ny fanisan-drakitra.
– Raharaha anatiny

  • Alahady 7 novambra 2021: Fandraisana ny katekomena Andiany Miray ho Mpiray latabatra amin’ny Tompo.

  • Alahady 3 oktobra * Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy.

* Fisokafan’ny taom-pianarana vaovao ho an’ny Sekoly Alahady

*2 ora sy sasany: fivoriam-be tsy ara-potoana ho an’ny SAMPATI

  • Sabotsy 9 oktobra, Fiofanan’ny Tomponandraikitra.

Famakiana ny toetry ny vola.

Fiantsoana fanambadiana

Notontosaina taorian’ny fanompoam-pivavahana anio ny fivorian’ny Mpandray sy ny fanomanam-panahy.

Novakina ny taratasy fisaorana avy amin’ ny Komity ny fankalazana ny faha 160 taonan’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Hafatra avy amin’ny Mpitandrina
Nanentana ny fahavitrihan’ny tsirairay amin’ny fahalalana Soratra Masina ny Mpitandrina ary nanentana ihany koa ny hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP).

Natao ny hira: FFPM 107:3; FFPM 462:1 nandritra ny rakitra & fanomezana.

Fangataham-bavaka

Fisaorana noho ny fahazoana fahasoavana sy valim-bavaka
Fisaorana noho ny fahafahan’ny zanaka fanadinana ary mangataka fitondrana am-bavaka azy ireo.
Fanolorana ny rakitra: Nohiraina ny FFPM 445: 3

Asa Vavolombelona: Fahalalana Soratra Masina

« Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana » Hosea 4,6a
« Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao ; Eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra Aho »

Famaranana ny fotoana

Nisaorana ny Tompo noho ny fampianarana mahakasika ny Batisa. Nentina am-bavaka ny fampiharana izany fampianarana.
Nisaorana ny Tompo ny fahavitan’ny fahalalana Soratra Masina.
Nentina am-bavaka ny :
– Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana ary ny Tomponandraikitra rehetra ;
– Toby masina fitaizana ;
– Mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena sy ny zanaka am-pielezana ;
– Komity ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha160 taona ;
– Sampana manao fankalazana rehetra ;
– Fanorenana ny trano atsimo ;
– Mpiomana ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo ;
– Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP) ;
– Fanompoam-pivavahana fametrahana ny Birao Foibe ;
– Malagasy tratran’ny Kere ;
– Sahirana, tsy salama,azom-pahoriana ;
– Manana hataka manokana ;
– Nanao voady sy raki-pisaorana .

Nentina am-bavaka ihany koa ny areti-mandringana covid-19 mba ho levona.

Ho famaranana ny Vavaka dia natao ny vavaka nampianarin’ny Tompo
Nohiraina ny FFPM 582:3

Niarahana nanonona ny « Tondrozotra 2021 »
Natolotra ny tsodrano.
Teo am-pamaranana dia nohiraina ny hira « Mialoka Aminao ».

Ireo tompon’anjara:

  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves
  • Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
  • Nandray an-tsoratra: Zanaharitsimba Toky