ALAHADY 18 JOLAY 2021

“MIORENA AMIN’NY ANTSON’NY TOMPO”

ALAHADY IVOM-BOKATRY NY VONDRONA FOTOTRA LAIKA

Alahady ivom-bokatry sy natokana hitondrana am-bavaka ny Vondrona Fototra Laika eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena androany. Rajaonarison Rivo, Diakona, Filohan’ny Vondrona Fototra Laika, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra. Ny vaomiera Aim-panahy no nandrindra ny fanompoam-pivavahana. Andriamasinoro Anjambola, no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Andriamasinoro Nantenaina, no namaky ny Soratra Masina. Ny Marka 10: 46-52, no nanompanana ny hafatra ho an’ny mpianakavin’ ny finoana.
Fotoana manokana ihany koa, ho an’ny foibe androany, nanaovan’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy K1-K5 ny fanadinana sekoly alahady. Fotoana nitondrana am-bavaka koa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana BEPC. Ary nahatsiarovana ny fankasitrahana an’Andriamanitra, noho ny niasan’Andriamatoa Razafindratrimo Alain 20 taona teo anivon’ny synodam-paritany sy fankalazana ny faha 25 taona ny vondrom-paritany VFL ao anatin’ny synodam-paritany.
Mialoha ny fanombohan’ny fanompoam-pivavahana, nisy ny fianarana ny hira fanevan’ny jobily faha 160 taonan’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena. Feon-javamaneno no nanombohana ny fotoana.
Litorjia amin’ny endriny fahatelo no nitondrana ny fotoana anio izay alahady fahafito manaraka ny Trinite anio.

FIARAHABANA APOSTOLIKA SY FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salamo 116:12-14 “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho. Ka hiantso ny anaran’i Jehovah. Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ny olony rehetra”.
Natao ny hira FFPM 295:1-2: Miorena mafy tsara”, narahana vavaka fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra. Nisy feon-javamaneno fohy taorian’izany.

FOTOANA HO AN'NY ANKIZY SY NY TANORA

Ramanandraibe Ravosson Haingo, Mpampianatra K7, no nitondra ny fampianarana. “Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona” Matio 16:16b.
Taorian’ny vavaka, dia nazavainy ny andian-tSoratra masina, izay manambara ny fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’ny mpianany. Toy izany koa ho an’ny Fiangonana: Iza moa Jesoa amintsika? Jesoa eto dia ilay Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Andriamanitra velona mamonjy antsika. Ohatra any Asia dia misy ny olona no manaraka Andriamanitra maty. Ny antsika kosa Andriamanitra velona. Noho izany tsy diso safidy isika manaraka ny Andriamanitra velona.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao ny hira FFPM 28:1-2 “Zanahary tsy mba tia“, mialoha ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra Masina. Ny perikopa novakiana androany dia ny Testamenta Taloha Amosa 7: 10:17, ny Testamenta Vaovao Marka 10: 46-52, sy ny Epistily Filipiana 3:12-16.
Rehefa vita izany famakiana ny Soratra Masina izany dia nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 24:1-4 “Ny lanitra ao ambony ao”.

TORITENY

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny teny nangalana ny hafatra dia avy ao amin’ny Soratra Masina ao amin’ny Marka 10: 46-52. Izay manambara ny tantaran’i Bartimeo jamba mpangataka, nipetraka teo amoron-dalana.
Notsiahivina tamin’izany ny antony nananganana ny vondrona fototra laika sy ny mpamorona izany sampana izany dia ny Mpitandrina Ramino Paul teto amin’ny Fitandremana. Maro ny mpiangona sy ny mpianakavin’ny finoana, olomanga, izay tsy tao anatin’ny sampana , ary manana ny fanomezam-pahasoavana ao anatin’ny Fiangonana.no mivondrona ao anatin’izany.
Azo hoarina amin’ny jamba mitady izay tokony atao eto, ny vondrona fototra laika.
Araka ny tantara, ny olona mpanota na zanaky ny mpanota no tratry ny hoe jamba. Ny fahitana sy ny antsoantson’i Bartimeo an’i Jesoa, zanak’i Davida, dia maneho eto ny finoany sy ny fanantenany. Ary tsy manantena fotsiny fa mitady ny famindrampo ihany koa. Tsy nahalala menatra, tsy natahotra, ary tsy voasakana izy.
Eto dia tsy misy diplomasia rehefa mitady ny Tompo na dia mahamenatra aza izany. Nisy vokatra izany. Tokony hianatra toy i Bartimeo koa isika. Rehefa ny olona no hafahafa (Amosa 17), dia aleo toy ny Bartimeo. Ny hafatra dia mampitandrina antsika ary mampiomana mba hibebaka.
Fahatokiana ny fanatonany ny Tompo: Rehefa izay no teny azo avy amin’ny Tompo dia noraisina tamim-pifaliana. Ny lesona hampitaina amintsika dia ny fampahafantarana sy ny fanehoana:
• ny fananana finoana tsy misy fisalasalana
• ny fanantenana efa lalim-paka tao amin’i Bartimeo : olona mahatsapa sy mankasitraka. Tonga mpianatr’i Jesoa izy, mahiratra ara-panahy. Jamba ary nahiratra.
Tsy Bartimeo jamba akory ny laika eto. Ankehitrio kosa dia olon’i Kristy ny vondrona fototra laika.
Fotoana hanaovan’ny sampana sekoly alahady fanadinana androany. Mba ho voataiza tahaka an’i Bartimeo ny zanatsika. Toy izany koa ireo hanao ny fanadinana BEPC, mba ho afaka fanadinana daholo ny zanaky ny Fiangonana: Bartimeo jamba ka lasa nahiratra. Entina am-bavaka sy manorina ny fiainany ao amin’ny Tompo.
Taorian’ny hafatra izay narahana feon-javamaneno fohy dia natao ny vavaka setry ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka fifonana. Nohiraina ny hira FFPM 428:1-2-3 « Reko izao ry Tompo ». ”. Natolotra teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka.
Natao ny hira FFPM 469:1-2-3 “Jeso o, Mpitia anay”. Niarahana niredona ny fanekem-pinoana laharana faha 3. Nisy ny feon-javamaneno fohy tao anatin’ny vavaka mangina.
Taorian’ny hiran’ny Sampana Tanora Kristiana, dia novakian-dRabako Ralambonirina Hanta, Diakona, ny tatitry ny asa ny VFL, ary Ramiadamanana Josiane, Diakona, no nanao ny tatitra avy amin’ny foibe. Nanao ny anjara hirany ny VFL.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Ny mpitantsoratry ny Fiangonana Rakotomanana Andry no nanao ny filazan-draharaha taorian’ny andinint-Soratra Masina IKorintiana 3:17b “Fa masina ny tempolin’Andriamanitra dia ianareo izany ». Toy izao manaraka izao ny vaovaom-piangonana hampitaina amin’ny mpianakavin’ny finoana:
• FJKM Ivato Seranana alakamisy 22 jolay : fanasana noho ny fitokanana ny Filoha synodaly faritra andrefana
• FJKM Ambavahady mitafo : fanokanana Masera MaMeRe
• FJKM Katedraly Analakely : fanompoam-pivavahana Vondrona fototra laika
• Fanokanana Mpitandrina (11ora atoandro) sy Mpampianatra (3ora hariva) ao Antsahamanitra.
• Mianatra ny katekomena
• Herinandrom-bokatry ny RFF manomboka ny alatsinainy 19 jolay 2021
• Fanasana hanatrika ny “soutenance de mémoire” Mpitandrina miana-draharaha efatra mianadahy, teto amin’ny Fitandremana, izay atao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga:
1. Perle
2. Ramilison Diamondra
3. Razafinarivo Andriatsilavina Nofy
4. Njaratina Elisa.
• Maraimbaovao : isaky ny asabotsy amin’ny 6ora 30 maraina
• 25 jolay :
1. Famaranana ny taom-pianarana ho an’ny sampana sekoly alahady
2. Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 20 taona sy herinam-bokatry ny RFF . Grand concert d’orgue iarahana amin’ny mpanakanto samy hafa

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ralaindimby Haja no namaky ny vetsovetsom-pon’ny mpianakavin’ny ny finoana nisaotra sy nangata-bavaka androany. Novakiana ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Lioka 10:17.
Ireto avy no hira nangatahina:
• FF 20:1: «Efa trotraky ny adin-tsaina»
• FF 46:1 “Mba tantanonao ry Raiko!”
• Hira FFPM 36:1 “Moa ho haiko tantaraina”
• Hiran’ny Finoana: Feno toky
• Hira FFPM 809:1 “Jesoa Sakaizan’ny zaza”
Natolotra ny fanatitra teo am-pitsanganana tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 275:1-4: “Raisonao ry Tompo soa“.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ary nofaranana tamin’ny Rainay Izay any an-danitra izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 630:1 “Ry Jesosy mba tantano “, novakiana ny tondrozotra ary nomena ny tsodrano. Notohizana tamin’ny hira FFPM 731:1: “Enga anie ka homba anao Jeso” ho famaranana ny fotoana. Samy nanao ny vavaka mangina ary nisy ny feon-javamaneno firavana.
NY TOMPON’ANJARA
  • Nitendry orga : Ranaivoson Jacky /Rakotonarivo Hery

  • Naka ny sary : Andriamampianina Faneva

  • Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rakotovololona Lova

  • Nikirakira ny fafana : Rakotonarivo Vatsy

  • Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

  •