Efa tanteraka eo anatrehanareo izany Teny izany, hoy Jesoa.
Isika tokoa mantsy indraindray dia tsy manaiky izany teny fahatanterahana izany. Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy fanjakana mbola ho avy fa efa iainana mihitsy. Efa ao anatintsika izany.
Matoa isika mbola misalasala dia tsy miaina izany Teny voalaza izany. Tsy ao anatinao Ilay Mesia mpamonjy izay manatanteraka izany.
Matoa Izy milaza ny teny hoe « androany » dia midika izany fa efa nisy teo aloha ; mitranga izany amin’ny fotoana itenenany ary mbola ho amin’ny hoavy ihany koa izany.
Variana loatra isika amin’ny rotoroto sy geja izay iainantsika isan’andro. Tsy manokana fotoana itodihana Aminy isika. Izy Tompo anefa dia efa teo, eo ary mbola ho eo foana ho antsika.
Nijoro ho vavolombelona moa ny Mpitandrina ny amin’ny niainany izany fiarahany amin’ny Tompo izany. Sarotra ny fiainana, hoy izy, fa rehefa miaraka amin’Andriamanitra dia vita sy tanteraka foana.
Mila manaiky Azy isika. Izy no Mesia ary « omniprésent » foana eo amin’ny fiainantsika.
Ho an’ny tomponandraikitra dia tsy mora ny asa miandry nefa dia nankahery azy ireo ny Mpitandrina mba hahavita soa ny asa izay tanterahina.
Nisy feon-javamaneno taorian’izany ary nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika.
Rehefa izany, dia natao ny fanekem-pinoana laharana faharoa ho fanavaozana ny finoana.