Ny tatitry ny asan’ny sampana dia notontosain’i RALAIARIMANANA Narindra.
Nanamarika
ny fiainan'ny Gazety sy Tranonkala manokana ny fodiamandrin'ny mpikambana 3
izay tena nanana ny maha-izy azy sy andraikitra lehibe :
- 22 jona 2020 : RAJAOFETRA Seta, Loholona, izay Filoha nandritra ny taona maro, mpitarika tena nazoto sy niezaka nanao ny asany rehetra tamin'ny fony sy heriny ary fahaizany manontolo, tia nifandray tamin'olona, sariaka, vantam-piteny
- 15 jolay 2020 : RAKOTONDRAMBOA Jean, Diakona taloha, mpiandry, mpanoratra ao amin'ny pejy natokana ho an'ny mpivady sy ny an'ny AFF, tia filaminana, mpanabe, nampiavaka azy ny fampifandraisana ny fomba fiainan'ny Fiangonana amin'ny voasoratra ao amin'ny Baiboly.
- 16 jolay 2020 : RAJAONARISON Solange, Loholona, mpandinibola, birao teo aloha, olona tsotra be, nalefaka, nanetry tena mandrakariva.
Na mafy aza ny fiatrehana ny fahabangana dia hotsarovanay ny
fiaraha-miasa tamin'izy ireo izay nampandroso.
Rehefa vita izany dia nataon'ny sampana teo am-pitsanganana ny hira FF 24 : " Mahereza ! Ny Tompo momba anao "