Teny Fanolorana

« Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. » Heb 10 :24
« Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara. » Oha 14 :22

Feno haravoana sy hafaliana isika mihaona sy mitafa eto anatin’ny tranokalam-pifandraisan’ny F.J.K.M. Amparibe Famonjena. Ny tranokalam-piangonana toy izao dia entina hampitana zavatra maro momba ny Fiangonana sy ny kristiana miserasera ao anatiny.
Ny asan’ny Fiangonana dia misy dingana telo mifanao ambaratonga mba hahatanterahany ny baikon’ny Tompo hoe « … fahano àry ny ondrikeliko » (Jao.21:15). Ireto avy izany : fitoriana ny Filazantsara ho an’izay tsy mbola ao am-bala ; fitaizam-panahy rehefa tonga mikambana ho andiany iray amin’ireo efa ao am-bala ; ary fitaizam-pinoana mba ho kristiana sahy milaza hoe « … fantatro izay inoako » (2Tim.1:12d). Amin’io ambaratonga farany io dia tsy zaza amin’ny ara-panahy intsony, fa olona efa mahatratra ny ohatra ny finoana (Efe.4:13). Fomba mahomby entina mampita io baikon’i Jesoa io ny teknolojia toy izao, ka isaorana sy omem-boninahitra Andriamanitra. (…)

RAHARIJAONA Solofonirina, Mpitandrina
F.J.K.M. Amparibe Famonjena
S/P Antananarivo Andrafena (SPAA 10)

ALAHADY 19 MARTSA 2023

SAMPANA TANINKETSA-67
SAMPANA TANINKETSA-13
SAMPANA TANINKETSA-84

Ny tatitry ny fanompoam-pivavahana

Androany no alahady fahatelo amin’ny volana martsa, mbola hibanjinana eto amin’ny sahan’ny FJKM, ny lohahevitra «MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO ». Ranivoson Toky, Filohan’ny Sampana Taniketsa (STAF), no nitarika ny fotoana ary Ramatoa Raharijaona Bodo no nitory ny Teny. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.

PERIKOPA FJKM

MARTSA 2023

Lohahevitra :

«MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO »

Karemy II

  • Isaia 1 : 21-26
  • Matio 5 : 43-48
  • Romana 6 : 15-19

Karemy III

  • Hosea 2 : 10-22
  • Lioka 10 : 25-37
  • Romana 5 : 15-211

Karemy IV - Sampanasa SAF

  • Jeremia 33 : 1-9
  • Matio 9 : 9-13
  • Efesiana 4 : 17-24

Karemy V - Fifandraisana FJKM

  • Zefania 2 : 1-3
  • Jaona 7 : 14-24
  • 1 Timoty 2 : 1-7

Vatsim-panahy

RAHARIJOANA Solofonirina
Mpitandrina

MARTSA 2023

Mamerina amin'ny fahamarinana ny Tompo

Teny maro ao amin’ny Soratra  Masina no milaza fa tsy misy olona mahita an’Andriamanitra ka ho velona: Eks.33:20; Gen.32:31; Deo.5:21; Mpit.6:22; Isa.6:5; Apo.1:16. Ny fanatrehan’Andriamanitra dia miavaka. Tsy ny momba an’Andriamanitra tanteraka anefa no mety ho hita amin’izany fa ny  endrik’Andriamanitra “imago Dei” na ny tarehin’Andriamanitra “effigies Dei” ihany. Izay antonona ny olona ihany no fomba isehoan’Andriamanitra amin’ny olom-boafidiny. Tsy ny olona rehetra rahateo koa no isehoany, fa izay efa voafidiny mialoha.

Tenin'ny Filoha

Gina Sylvie

Ry Havana,

« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. » Lioka 1 :28

Izany tenin’ny anjely tamin’i Maria, voafidy ho renin’i Jesoa izany, no tononina aminao koa ho fiarahabana sy fandraisana anao mitsidika ny TRANOKALA.

Nohasoavina isika tafahaona eto, satria ny Tompo no nampiray antsika. Ny fanantenana sy ny fitiavana avy amin’Ilay Zanak’Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny finoana, izay efa nitoetra teto anivon’ny Fitandremana nandritra ny 160 taona.

Ny fitaovan-tserasera toy izao, dia ambohi-pihaonana, koa hiezaka hatrany izahay ny hanome ny tsara ho fantatra momba ny fiainam-piangonana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, mba hahafahan’ny tsirairay miara-miombon’aina sy mandroso hatrany amin’ny asa tsara.

Ny firariako ho anao : « Hambinina anie izay tia anao ; Fiadanana anie ho ao anatin’ny mandanao ; Fanambinana anie ho ao an-dapanao.» Salamo 122:7

ANDRIANILAINA Gina

Filohan'ny Gazety sy ny Tranokala

Mahatoky izao teny izao

«Mamerina amin'ny fahamarinana ny Tompo»

Tsianjery “…atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” Romana 6:19d I

Fahizay dia nindramin’Andriamanitra ny mpaminany hizara ny teny fampanantenana sy fananarana mialoha ny hanasaziany ny olony (Zef. 2:3). Satria tokoa mantsy, ary mandrak’ankehitriny dia mora avily ary mora manaraka izay itompoany ny zanak’olombelona (Rom. 6:16). Koa matetika sy mazana no ninia nanota ka niala tamin’Andriamanitra izy ireo tamin’izany (Hos.2:15).

FJKM Amparibe Famonjena
Fitandremana

TAFIKA MASINA FAMPIORENANA :
Ambohitompoina

Folo taona lasa izay no nanaovana Tafika Masina tao Ambohitompoina sy ny manodidina, nefa toa tsapa fa mihemotra sy mangatsiaka ny mpianakavin'ny finoana, koa andraikity ny mpiantafika no mamerina ny olona indray ao amin'i Jesoa Kristy, mamerina ny olona ao am-piangonana,mampiorina ny finoana ao amin'i Jesoa Kristy...

JOBILY
MPITANDRINA
RAMINO PAUL :
Sakafom-pifaliana

jobily faha 50 taona niasan'ny Mpitandrina Ramino Paul mivady teo amin'ny sehatry ny Fiangonana. Alahady 05 Jona 2016 - Espace Mahatehotia Ambohimarina Iavoloha.

SETA RAJAOFETRA:
5 MARTSA 1954 - 22 JONA 2020​

« Sambatra izay maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy. » APOK 14 : 13 Nindaosin’ny fahafatesana RAJAOFETRA Seta Marcel, Filoha amperinasan’ny Gazety TARATRY NY FAMONJENA SY NY TRANONKALA ny Alatsinainy 22 jona 2020 rehefa nampindramin’ Andriamanitra antsika nahalala azy sy nifanerasera taminy nandritra ny 66 taona.

Tantaram-piangonana

SMZM
Nitendry mialoha ny fotoam-pivavahana Alahady voalohan’ny taona

Raha ventesin’ny mpanao Salamo ny hoe: “Fihiram-baovao” dia tsy maintsy misy izany ny fihirana tranainy ary tsy hay loatra ny maha samy hafa ny hira na fihirana tranainy sy ny hira na fihirana maintimolaly. Ny atao hoe tranainy aloha, dia izay rehetra fantatra fa efa nisy tamin’ny fotoana ela dia ela ary tsy heverina loatra ny ampiasana azy amin’ny fotoana ankehitriny.

 

Mikasa hanjifa ny gazety taratry ny Famonjena ve ianao ?

Azonao raisina amin'ny endriny .pdf izany.
Ahoana hoy ianao ?
Tsidio ary ito rohy ito

0
Mpitsidika isa-kerinandro
0
Isan'ny mpiangona

Ahoana kosa ny fahitan'ny tanora ny tranonkala?

"Manampy ahy amin'ny fanarahana ny fiainam-piangonana ito tranonkala ito rehefa sendra manantanteraka iraka ivelan'ny renivohitra aho"
Toky ZANAHARITSIMBA
Mpiangona
"Sehatra mafinaritra hanembonako ny mpiakavin'ny finoana ao Amparibe ito tranonkala ito na dia aty ampitan-dranomasina aza ahy"
Gerrald RANDRIANTSIMANIRY
Zanaky ny fiangonana
"Momban'ito tranonkala ito ? Manomeha ahy ny tsara fantatra rehetra sy daty tsara tsarovana ary ny sendra tsy henoko tsara ny alahady"
Jonathan RABEMANANANORO
Biraon'ny sampana
"Tsidiako fa manampy ahy tokoa hahalala tsara ny sampana hidirako ito ho ahy voa noraisina mpandray tamin'ny novambra lasa teo"
Miora NALIARISOA
Mpandray vaovao

Fa aiza tokoa moa no misy ny
FJKM Amparibe Famonjena ?