- Ny mpisorona sy ny mpanora-dalana
Nahafantatra izy ireo nefa tsy miraharaha. Nahalala izy ireo fa Kristy no teraka ary hitondra famonjena ho azy, nefa tsy niraharaha izy ireo. Izay ilay voalaza ao amin’ny Jaona 1 : 11 « Tonga tany amin’ny azy ihany Izy, fa ny azy tsy nandray Azy ».
Misy indray ireo olona izay mamono ny drafi-pamonjen’Andriamanitra. Heroda no tiana ambara eto. Heroda moa dia olona tia voninahitra ka rehefa nilaza taminy ny magy, fa misy mpanjaka teraka fa tsy avy aminy izany, dia nitsangana avy hatrany izy, ho fahavalon’izany mpanjaka vao teraka izany.
Ireo indray nifaly fa tonga ny Mpamonjy, nahita fahasoavana tsy manam-paharoa. Ireo magy dia mpanjaka ary mampifandray ny zava-misy eny an-danitra sy ny ety an-tany. Niavaka ny fihetsik’izy ireo, satria fantany fa mpanjaka no teraka.
Taomina isika mba handray ny vaovao mahafaly toy ny magy. Eo amin’ny andininy faha 11 : « Ary rehefa tafiditra tao an-trano … ». Mila manaiky marina ho Mesia an’i Jesoa isika. Esory ny momba anao ka maneke an’i Jesoa. Niala tamin’ny toerana maha mpanjaka azy ireo magy, ka niondrika teo amin’i Jesoa. Mila manao toy izany isika. Mila mahafoy ny fananana, ny momba antsika rehetra, ny fanjakan’ny tany, izay vao afaka manatona an’i Jesoa. Sakano izay mahavery anao.
Fiadanana no tadiavintsika eto amin’izao fiainana izao. Raha mikatsaka izany isika dia mila miankohoka amin’i Jesoa ary mila manolotra Azy izay aty amintsika. Izay no fihaonana tsara indrindra tadiavin’ny Tompo, avy ao anatintsika.
Ekeo marina ho Mesia i Jesoa, ary asio heviny sy tanjona ny lalanao. Toy ireto magy izay nandeha toerana lavitra dia lavitra, mba hanatratra ny tanjona izay napetrany dia ny hiankohoka eo anatrehan’ny mpanjaka izay hitany.
Mila mametraka tanjona isika eo amin’ny fiainana. Kintana no nisy, narahin’ireo magy fa ny antsika koa dia Jesoa Kristy mihitsy no lalana sy tanjona mipetraka. Ekeo ny fitarihan’Andriamanitra ny fiainanao.
Ankehitriny dia ny dadabe noely sy ny fety ivelany no havoitra mba hanakonana izany tena andro Krismasy izany.
Mila manaiky Azy ho Mesia isika ary aoka hazoto hanolotra ho Azy izay tokony ho Azy.
Ny fiankohofana dia finoana sy fanekena Azy ho Mpanjaka. Nitondra zava-manitra ireo, nitondra miora. Ny miora dia fanosotra ny fatin’ireo Andriamanjaka. Eto dia mampiseho sahady fa ho faty Jesoa izay teraka. Isika ihany koa dia taomina hazoto hanolotra izay tsara indrindra ho an’ny Tompo. Mety fanoloran-tena izany, mety fananana izany. Izy Tompo mahita ny momba antsika tsirairay avy.
Ny tena zava-dehibe andrasany amintsika dia ny haterahantsika indray, mba ho ao amin’ny Tompo. Tsy mitovy amin’ny krismasin’izao tontolo izao ny antsika, samy mifaly isika fa isika kosa manana tanjona dia ny mba ho teraka ho vaovao indray.