Jolay 2019 Vatsimpanahy
Perikopa : Ezek.36 : 22-30 ; Mat.12 : 31-37 ; 1Tes.1 : 1-10
Nahitsin’ny Tompo izany fiheverana izany tamin’ny nanambarany ireo zavatra roa loha tsy ahazoam-pamelan-keloka ; dia ny :
– Miteny ratsy ny Fanahy Masina ;
– Miteny hanohitra ny Fanahy Masina.
Miteny ratsy ny Fanahy Masina
Miteny ratsy ny Fanahy Masina, satria tsy te handray ny asan’io Fanahy
– Aoka hitandrina tsara isika vahoakan’Andriamanitra. Eto tokoa dia ny mahalala ihany no miteny ratsy ny Fanahy Masina. Na mamela heloka isan’andro aza ny Tompo; ny miteny ratsy ny Fanahy Masina, tsy hahazo izany akory…
– Tandremo amin’ny asan’ny Tompo atao sao misy fireharehana ka ny asan’ny Fanahy Masina mampitolagaga ny olona no sandohana ho anao. Takonanao tsy hisy hahalala ny asan’ny Fanahy Masina, ka lasanao ny fo sy saina ary ny fanahin’ny olona. Isan’ny blasfemia izany, satria ny asan’ny Fanahy Masina no sandohanao ho asanao
– Fantaro tsara ny asan’ny Fanahy Masina, sao dia mifangaro amin’ny asan’ny fanahy hafa. Mety hahavoafitaka anao.