Vatsim-panahy Septambra 2019

Perikopa : Sal.5:1-12 ; Mat.6:1-6 ; Jak.3:13-18 Jakoba 3/13-18

Eto amin’ity perikopa ity dia zava-droa loha no anambaran’i Jesoa ho fisehoan’ny fihatsarambela-tsihy dia:

– Eo amin’ny fiantrana atao ;

– Ny fanatontosana fivavahana.

Fomba roa ihany koa no fahamarinana omen’ny Tompo ny mpianany handreseny io fihatsarambelatsihy  poizina mahafaty fanahy io. Mialoha izay, dia andeha aloha hazavaina ny dikan’ny hoe : Mpihatsaravelatsihy araka ny ampiasan’ny Soratra Masina azy.

Ny hevitry ny teny fototra girka  nampiasana azy dia: fitsarana, fanamelohana. Rehefa omena heviny izany teny izany dia izao no azo atolotra:

– Miseho ho toy ny marina hanafenana ny tsy mety natao;

– Mody tsara ivelany, fa ratsy anaty;

– Manao sinema fotsiny, fa tsy tena izy.

Ny antokon’ny fariseho no manao toy izany tamin’ny andron’ny Tompo, ka noteneniny mafy, sady nolazainy fa  halany tokoa. Io ilay antsointsika Malagasy hoe: “Mangahazo lo aty”.

Ahoana àry ny toro-marika omen’ny Tompo ho fahamarinana handresena ity zava-doza misoko tsy re mamono fanahy ity?

– Ataovy marina ny fiantranao

– Tontosay am-pahamarinana ny fivavahanao

Ataovy marina ny fiantranao

Raha mihevitra ny hanao fiantrana marina isika, dia izao no hevitra sintonina avy amin’ny fampianaran’ny Tompo:

– Aza ireharehana ny fiantrana atao, fa tanteraho amin’ny fahatsoram-po.

– Aoka tsy ho fantatr’olona akory izany na dia izay akaiky anao indrindra aza.

– Aza atao ho fahefana hamoretana ny namana izany fa tontosao am-pitiavana.

Tsarovy fa raha izany no tanterakao dia hahazo valim-pitia avy amin’Andriamanitra ianao. Ireny ilay ambara fa rakitra arotsaka any an-danitra. Tsy itadiavana sitraka ety an-tany, fa vokatra hotehirizina any an-danitra kosa.

– Ny epistily nosoratan’i Jakoba dia milaza momba ny fahendrena avy amin’Andriamanitra miseho amin’ny ataon’ny olo-marina hoe: “ny fahendrena izay avy any ambony, dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be vokatsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana” (Jak.3/17,18).

Tontosay am-pahamarinana ny fivavahanao

Ny jiosy, ilay firenena voafidin’Andriamanitra sady nanao fanekena taminy ka nampitondrainy ny anarany, dia fatra-mpivavaka tokoa. Asehon’ireo mpitari-pivavahana amin’ny fomba samihafa izany ho hitan’ny olona.

Ny kristiana izay mitondra ny anaran’i Kristy Jesoa koa toloran’ny Tompo fomba mendrika mba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ka handresy ny fihatsarambelatsihy ny fivavahana ataony. Ireto àry izany:

– Aoka tsy hila dera amin’ny olona, fa mora mampangatsiaka fanahy izany.

– Tandremo tsy hanao izay hahasarika ny olona fa mpivavaka mafana; hay mamitaka ny namana fotsiny ihany.

– Aza mibahan-dalana tsy ahafahan’ny hafa miditra; satria mety hisakana azy tsy handroso ny ataonao.

Ahazoana valim-pitia avy amin’Andriamanitra ny fivavahan’ny marina. Mahery eo anatrehany izany fa Andriamanitra mahita sy mandre Izy. Tsy fohy ny tanany fa mahavonjy. Izy dia eo akaiky ho an’izay miantso Azy marina tokoa. Tsy voasakana velively ny fivavahana rehefa tontosaina am-pahamarinana

Ivereno vakina ny vavaka nataon’i Davida araka ny Sal.5/1-12. Vavaka an-kira atao amin’ny maraina hanatonana an’Andriamanitra. Amin’ny fanaovany izany, dia tsy misy mahita na mahalala afa-tsy ny Tompo sy izy irery ihany.

Fehiny

 

Ry Amparibe Famonjena, amin’ny toerana sy ny fotoana ary ny atao rehetra dia miezaha handresy ny fihatsarambelatsihy amin’ny endriny isan-karazany. Sady mamitaka ny hafa izany no tsy marina eo anatrehan’ny Tompo Ilay mahalala ny takona ao ambadiky ny ataontsika rehetra. Tsy mendrika rahateo ireny ka tsy tian’ny Tompo hataon’ny olony matahotra Azy. Amin’izay dia ho marina sy feno fahendrena ny ataontsika ka ho rakitra soa any an-danitra ao amin’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sady Tompon’ny finoantsika no Mpanefa Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra, Amena.

 

RAHARIJAONA Solofonirina

Mpitandrina