Vatsim-panahy Oktobra 2019

VATSIM-PANAHY

Matio 5 : 23 -24

«Ary  amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao»

Fanohizana ny toriteny nataon’i Tompo teo an-tendrombohitra ity perikopa hankan-tsika hafatra ity, izay fampianarana nentiny hahaizan’ny mpino mampirindra ny fiainany eo amin’ny mpiara-belona, hahaizany mampihatra izany eo amin’ny fiainan’ny fiaraha monina. Misy mpandinika milaza fa ity no “lalàna volamena” na koa “ny lalàm-panorenan’ny fanjakan’Andriamanitra”   

Mizara roa mazava ny hafatra :

– Olona madio fo no afaka manantona an’Andriamanitra,

– Olona manana fahamasinana no afaka mifandray sy mihavana amin’ny rehetra. Endrin-javatra roa mifameno ireo.

Olona madio fo no afaka manantona an’Andriamanitra :

Misy dingana telo miavaka tsara hitan-tsika eto. Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao no mahatsiaro fa misy manana alahelo aminao dia izao no voalaza eto: “Avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao” Ny fanaterana ny fanatitra ety amin’ny alitara dia milaza ny fanirian-tsika ny hihaona sy hanatrika an’ Andriamanitra ka manantona Azy. Mitady firaisana sy fiombonana Aminy. Fantatsika ny tantaran’i Kaina sy Abela ny amin’ny fanatitra izay nohankasitrahan’Andriamanitra. Ary mazava ny tenin’Jesoa ao Mat.7: 21-23 manao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra». Andriamanitra dia tsy mandray velively ny olona mpihatsaravelatsihy.

Mazava fa tena fampiarana izany izao voalaza eto izao.

* Lavin’Andriamanitra ny olona tsy mahatanteraka ny didy.

* Lavin’Andriamanitra ny fanoloran-tenanao raha mbola manana alahelo amin’ny mpiara-belona aminao ianao

Tsy afaka manantona an’Andriamanitra amin’ny fo feno alahelo ny olona. Ny zavatra mahamaika Azy dia ny fiombona-tsika amin’ny mpiara belona amintsika noho ny fanatitra izay aterina. Satria : Olona madio fo no tadiaviny, Olona afaka amin’ny fatorana samihafa. Olona tsy voageja-pahotana, Olona voavela heloka : Ary izany anie no mahatonga antsika FJKM manao ny rakitra sy ny fanomezana ao aorian’ny famelan-keloka sy ny fanekem-pinoana e! Ny raki-pisaorana sy ny voady ataontsika dia atolotra ho an’Andriamanitra amin’ny fo feno fankasitrahana sy fanetretena ary ireo Sampana, Sampanasa, Asa, Komity, Fikambanana no manatanteraka ny asam-panompoana sy ny andraikitra nomena azy ho sahaniny amin-pahamarinana.

Ny fonao no tian’i Tompo ho Azy, ny fonao no andrasany hanaiky Azy marina tokoa satria na inona na inona ataonao  entinao manantona an’Andriamanitra rehefa tsy izany dia ho zava-poana sy herim-po verimaina ihany.

Ary ny dingana faharoa dia : Rehefa avy namela ny fanatitrao teo anoloan’ny alitara ianao.

Mandehana aloha ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao

Mamerimberina matetika amin’ny fampianarany ny Tompo ny amin’ny tokony hitandremana ny fitondran-tena dia ny fitiavana ny rahalahy. Fa ny olona no mandà tsy hankato ny didiny ary mitady ny hevitra rehetra ialàna amin’izany satria mety ho manambany azy izany, mety mahamenatra azy koa satria ny voninahiny no mbola mibahana ao am-pony.

Fiheverana ny tena ho manana ny rariny hatrany ka tsy manaiky ny hilefitra mihitsy.

Mitàna lolom-po:

Izany no tsy ankasitrahan’Andriamanitra fa tian’indrindra ny iàlantsika ny amin’izany.

Mazava ny teny ary Jesoa dia manamafy sy manafatra ao amin’ny Mar.11:25 manao hoe: “Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo 

Maniraka antsika mihitsy ny Tompo mba handeha, manome ny toro-lalana sy ny asa tokony hataontsika Izy. Fantatr’Andriamanitra loatra ny toetry ny olona ,  mazàna tsy mahatsiaro tena. Ary manao teny tsy voahevitra mihitsy aza indraindray.

Kanefa eto tsy hoe maniraka na  mamporisika fotsiny ihany Izy fa tena hentitra ny amin’izay mbola minia tsy hankato. Hoy Izy eo amin’ny and.22 “…Ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny helo mirehitra afo

Ny foka dia azo adika hoe : tsy ampy fisainana, izay ialahy tsy ampy saina io, tsy misy ilàna azy. Fa iza moa no manome saina ny mpino ? Moa tsy Andriamanitra va ? Ka raha manao izany amin’ny hafa isika tsy midika ho manao tsinotsinona an’Andriamanitra ve ?

Eto amin’ity perikopa ity dia hasehon’i Jesoa ny fihevitr’Andriamanitra ny amin’ity didy faha enina ity hoe : “aza mamono olona”. Nampahafantariny fa amin’io didy io dia efa voatsaran’Andriamanitra sahady fa ny fahatezerana rehetra dia manjary heloka mendrika ho helohina tokoa.

Koa noho izany dia  : Adidy ny mandefitra sy ny mitady fihavanana amin’ny olona.

Tsy maintsy hananan’ny mpianany ny toe-tsaina mitady ny hanesorana ny zavatra rehetra mety mampahatezitra ny namany.

Aiza ho aiza no misy ahy sy ianao manoloana izany teny izany ?

Apetraky ny Tompo kosa anefa fa misy tokoa ny fahatezerana ara-drariny izay avy amin’ny tsy fahamarinana toy izay niseho teo an-kianjan’ny tempoly ka nahatonga Azy nandroaka ireo mpanao varotra teo satria tsy natao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko hoy Izy Jao.2:16,. Fa manameloka kosa ny fahatezerana mikendry valifaty izay mifono faniriana tsy an-drariny ny hahafatesan’olona iray. Toa ilay fanoharana nataon’i jesoa ihany ao Mat.18:23-25

Ny amin’ilay mpanompo nahazo famo-tsorana ny trosany izay talenta iray alina kanefa tsy namela kosa ny trosa an’ilay namany izay nananany denaria zato fa lasa nampanao azy tao an-trano maizina mandra-pandoany ny trosa. Fantatsika ny tohiny fa tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. “dia tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo hoy Jesoa, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

Ho avy ny fotoana ary tsy maintsy ho tonga ny fotoana izay handaozana izao tany izao satria efa voasoratra “fa mandalo ihany izao rehetra izao sy ny filàny fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay ary izao koa “sambatra ny maty dia izay maty ao amin’i Tompo hatramin’izao,  fa hitsahatra amin’izay nisasaran’izy fa ny asany manaraka azy

Aoka tsy handika vilana isika mikasika ity fisasarana ity. Misy mihitsy olona, tena diso tanteraka ny fandraisany azy.

Tsy hoe raha dokotera akory izy, dia izay no tohizany any. Tsy misy marary hotsaboina intsony any ry Fiangonana malala. Raha mpampianatra ianao, tsy misy ho ampianarinao any. Raha mpivarotra ianao, tsy misy ho hamidinao any?

Nisasatra nanao inona ary izaho sy ianao? Nikaroka sy nitady vola amam-karena ve nentina nanabakama ny hafa ? 

Sa nitady izay maha be voninahitra mba hireharehana manoloana ny manodidina?

Sa nikaroka tamin’ny fomba rehetra mba hanana fahefana ka hanaovana tsindrio fa lavo ny kely tsy mba mamindro ?

Izany ve no andrasan’Andriamanitra amiko sy aminao ?

Inona ary no nikelezanao aina teto amin’ity tany ity?

Zava poana ny fisasaranao raha izany tokoa.

(mbola hotohizana)

RAZANAMPARANY Clément