Hanafy hery anareo hatrany anie Izy sy hivimbina anareo amin’izay fikasana tsara rehetra ho sahaninareo mandritra izao taona vaovao izao. Ny faniriana maminay indrindra koa dia ny tsy hahadiso anjara anareo amin’ny famakiana ny Gazety sy fanarahana ny Tranonkala hampitoetra sy hampitombo ny finoanareo amin’ny alalan’ny lahatsoratra havoakany.
Mbola hitohy ny fanandratana ny Teny fanevan’ny Fjkm hoe « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2Tim 1:8a) ka tsy hitsahatra ny hijoro ho vavolombelona ary hampamirapiratra ny voninahitr’Andriamanitra isika eo anatrehan’izao tontolo izao. Izao gazetintsika izao dia hitohy amin’izany andraikitra sarobidy izany.
Ho eo ambanin’ny fahasoavan’Andriamanitra hatrany anie ianareo.