Isaoranay etoana ny Ray aman-dreny Mpitandrina mivady sy ny Biraom-piangonana, ny sampana sy sampan’asa rehetra sy ny mpiandraikitra ny fafana izay nitondra anay am-bavaka sy nifanome tanàna ary nifarimbona tamin’ny fanatontosana ny hetsika ; ary ianareo mpianakavin’ny finoana tsy an-kanavaka tamin’ny fanotronana anay. Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
Ho tohin’ny fankalazana, dia manasa anareo mpianakavin’ny finoana rehetra izahay ho tonga hanatrika ny fifampizarana izay hotanterahinay ny asabotsy 24 aprily 2021 amin’ny 9 ora maraina eto amin’ny tanànan’ny fiangonana. Zoky Seheno Rajaomaria no hitondra ny famelabelaran-kevitra araka ny lohahevitra hoe : « Miady amin’ny fihemorana ara-panahy ».
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.