Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina nisaotra fa Andriamanitra miteny hatrany mba hanana fianana mihavao isanandro . Sitrakao ny nahafahana nanimbina tamin’ny fananay. Tsy miafina aminao Tompo fa mampitebiteby ity aretina Coronavirus ity. Ireto izahay mbola velona sy salama ka maniry ny hitoetra amin’izany izahay. Mivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny kristiana rehetra, toby mitaiza tsy salama.
Mahatsiarao ny olona rehetra miombo-po aminy Fiangonana amin’izao fotoana Pentekosta izao. Mivavaka ho an’ny ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana rehetra.
Maro ny sahirana very asa, tsy manana ny ampy eo ampelatana. Ampianaro hanararaotra isanandro hivelona amin’ny Teninao izahay. Maniry fahasoavana izahay. Mivavaka ho an’ireo tsy salama, manamanjo, mangata-bavaka ho entina am-bavaka. Na izay tsy voatonina dia asandratray ary ampiarahanay amin’ny vavaka nampianarinao : Rainay izay any an-danitra ….