SABOTSY 25 DESAMBRA 2021
KRISMASY
“FIFALIANA TENA IZY”
IVON’NY VOKA-DEHIBE TAONA 2021
“Voninahitra ho any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany”
Lioka 2 : 14


FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA


FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY


RAKITRA ALITARA
VAVAKA SY VAKITENY



TORITENY
Ny filazantsara araka ny Lioka 2 : 14 no nitondran’ny mpitandrina ny hafatra “Voninahitra ho any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany”.
Izany lohahevitra izany no nentina namakivaky ity herinandro sambatra ity.
Tety ampiandohana dia nilaza ny mpitandrina fa toa rabirabian’ny olona ny vanimpotoanan’ny Noely. Jentilisa hoy ny sasany no mankalaza ny Noely fa ny Jiosy tsy manao izany. Io fahaterahan’I Jesoa io nefa fiandohan’ny tantaram-pamonjena. Tsy maintsy teraka Izy aloha izay vao misy ny tantara rehetra.
Ny mahavariana nefa hoy ny mpitandrina dia olona farak’izay tsotra no nahafantatra ny fahatongavan’ny mpamonjy: ny mpiandry ondry izany.
Fa mpamonjy no tonga ety …., teny soa lehibe izany.
Rehefa teraka Jesoa dia betsaka no tsy nino. Ehefa maty indray Izy dia tena maro no nadrabiraby hatrany, hiarahantsika mahalala izany.
Ao amin’ny tantaran’ny baiboly, rehefa misy firenena roa miady, ka resy ny fivavahany, dia resy ihany koa ny andriamaniny.
Efa resy avokoa nefa izay fivavahana hafa rehetra satria efa fiadanana no tonga ety ambany masoandro dia Jesoa Kristy.
Rehefa tonga manko Jesoa Kristy dia vita ny fampihavanana tamin’Andriamanitra ary vita ny fampihavanana amin’ny olona samy olona. Izay no dikan’ilay Lakroia, hazo fijaliana. Ilay mitsivalana dia fifandraisan’ny olona samy olona ary ny mitsangana dia fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra.
Rehefa misy zavatra nirinao teo amin’ny fiainanao ka tonga izany dia izay no tena mahafaly. Dia toy izay I Jesoa Kristy, tanteraka ny fahatongavany satria tonga nofo Izy.
Rehefa lavo tokoa manko Adama sy Eva dia nipetraka teo ambany fahatezeran’Andriamanitra ny olona. Izany fahotana rehetra izany nefa dia ho ahafahan’Andriamanitra avokoa, ary ny tantara dia miantomboka amin’ny fahaterahana.
Vita fihavanana ny olona samy olona noho ny fahatongavan’I Jesoa Kristy. Ny firenena rehetra dia hifamela heloka avokoa. Rehefa tonga ny zanak’olona dia afaka tamin’ny fahotana tany aloha izy.
Izay no namaranan’ny mpitandrina ny hafatra nilazany fa ho tanteraka tokoa anie ny fiadanana ety ambany masoandro.
Taorian’ny toriteny dia nanao ny Anjara hira ny Hasin’ny Famonjena “Tokanana fanantenana” an’i Noel Rakotoarivony.


VAVAKA FANGATAHANA
FAMARANANA NY FOTOANA
Natao ny Ffpm 75 : 1 “Andro malaza” mialoha ny nanononana ny tondrozotra sy nanomezana ny tsodrano. Natao kosa ny andininy 2, taorian’izany.
Nofaranana tamin’ny vavaka mangina ny fotoana ary niroso tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
IREO TOMPON’ANARA
- Nandray antsoratra : Robel Hanitra
- Nitendry Orga : SMZM
- Nanao fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
- Nanao ny fafana : Rajaofetra Arielle