Rehefa mifikitra amin’i Jesoa isika dia tsy tokony hanahy ny fanafihan’I Satana. Ankehitriny manoloana ny fiatrehana izao areti-mandringana izao dia arao ny toromarika fisorohana rehetra. Aza maka fanahy an’Andriamanitra fa “Endre tahakany menarana ary morà tahaka ny voromailala.”
Ny olona mandeha araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo. Angatao ny Fanahy Masina hanananao fiainam-baovao. Ny olona manaraka ny devoly dia tsy tia ny tsara. Ny fanjakan’Andriamanitra dia atolony ho an’ny olony ety ambonin’ny tany sy rahatrizay.
Manoloana ny fahoriana ety amin’izao tontolo izao, ny Mpino dia manana ny fifalian’ny lanitra ka tsy andairan’ny fahorian’ny tany. Manana fiadanana mandrakariva izy na dia ao anaty fahoriana aza. Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy voavidim-bola aman-karena.
Katsao ny fanjakan’Andriamanitra ary ankatoavy ny Fanahy Masina. Nanoloana ny fanafihana ny Filistina ao amin’ny I Samoela 23 1-7 dia nankatoa ny bitsiky ny Fanahin’Andriamanitra Davida ka naharesy ny Filistina namabo an’I Keila ary voavonjy ny mponina tao Keila.
Noho ny Fanekeny ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia nitoeran’ny faneken’Andriamanitra Davida. Ny fankatoavana sy fanekena ho tarihin’ny Fanahy Masina no ahazoana ny fanekena mandrakizay izay nataon’Andriamanitra tamin’ny olony.