Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina nisaotra fa Andriamanitra tia tokoa Izy. Sitrakao , hoy izy, ny hankatoavanay ny fitarihan’ny Fanahinao Masina dia indreto izahay maneho ny fanoloranay ny tenanay. Raiso izay nanimbinanay tamin’ny fananao izay natolotrao anay ho tantananay mba hahatanteraka izay rehetra nokendren’ny Fiangonana hivelaran’ny fanjakanao. Nivavaka izy ho an’ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny kristiana rehetra , ny Hasin’ny Famonjena ao anatin’ny ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taona izao, Nentiny am-bavaka ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny ankapobeany. Nivavaka izy mba ho levona ny valan’aretina misy. Nitondra am-bavaka ny mpitondra fivavahana sy mpiara-miasa izay voan’izany aretina izany. Nentiny am-bavaka ireo mpiasa rehetra iombonana manomboka any amin’ny Foibe hatrany amin’ny Synoda-paritany, ny asa fiveloman’ny isam-pianakaviana, ny ankizy sy tanora izay mianatra, ny firenena sy ny tompon’andraikitra rehetra, ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana rehetra. Nivavaka koa izy ho an’ireo sahirana, ireo marary, ny mana-manjo, ireo manana hataka manokana rehetra, ny mangata-bavaka, ny zanaky ny Fiangonana rehetra any am-pielezana. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.