Harentsoa Mamy, mpampianatra ao amin’ny K10 no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady. Ny Filipiana 2 :4 no andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy : « Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa. »
Naka ohatra momba ny vaovao malaza eran-tany izy dia ny “Coronavirus”.
Nohazavana tamin’izany fa ny haterak’izany « Coronavirus » izany dia ny “confinement” izany hoe fihibohana, tsy mahazo mifanerasera intsony, tsy mahazo mifamangy ny fianakaviana sao mifindra ny aretina.
Tokony ho tadidintsika anefa fa Jesoa Kristy dia mpampihavana , toky fampiraisana eo amin’ny fiainana. Izany hoe isika dia tokony hanana fijery vaovao, fomba fanao vaovao, fisainana vaovao.
Ny takian’ny Tompo amintsika araka ny tapany faharoa amin’ny andinin-tSoratra Masina « mihevitra ny amin’ny namanao », dia izaho sy ianao, tokony tsy mieritretritra izay momba ny tenantsika irery intsony, noraisina ohatra: ny fianarantsika, ny asantsika, ny tokantranontsika no mahavariana antsika.
Ny tokony ataontsika dia ny mivavaka ho any namana mba handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, mivavaka ihany koa ho an’ny namana izay tratry ny olana.
Taorian’iay hafatra fohy sy vavaka dia nohiraina ny FFPM 534:1,4 « Misy didy tena tsara » ary nofaranana tamin’ny vavaka.