Ny SAL 42 : 2-5 no andinin-tSoratra Masina niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana apostolika » Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra? Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’alina, amin’ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana. Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany. »
Ny hira FFPM 177 : 1-2 « Ry Fanahy Mpanazava, Mitariha » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Nisy feon-javamaneno fohy dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy ny efa niomana tamin’izany.