Zoky Rabiazamaholy Léa, mpampianatra ao amin’ny K6 no nitondra ny hafatra ho an’ny ankizy. Ny lohahevitra amin’ity volana Jona ity no teny fanolorona nentiny niarahaba ny fiangonana, dia ny hoe « MIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO »
Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy dia araka ny 1Jao : 4: 7a: « Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ao amin’Andriamanitra ny fitiavana »
Matetika dia teny alain’ny mpanambady ho teny filamatra sy atao toriteny ity teny ity, fa eto kosa dia atao ho tantaran’i Soa kely, tovovavy kely Kristiainina sy mpianatra Sekoly Alahady izay monina any ambanivohitra izy eto.