Samy vavolombelon’i Jesoa Krsity avokoa ny Fanahy Masina sy ny mpianatra. Samy hanambara an’i Jesoa Kristy avokoa ireo, samy hitory an’i Jesoa, samy hampianatra ny amin’i Jesoa ary hilaza ny fahamarinana ny amin’i Jesoa.
Ny mpianatra dia vavolombelona satria efa teo amin’i Jesoa hatramin’ny voalaohany. Izany no nanehon’ny Tompo azy ny maha Kristy Mpamony Azy. Handray ny Fanahy Masina ireo mpianatra ireo : Fanahy Masina, Mpananatra, Fanahin’ny Fahamarinana. Izany Fanahy Masina izany no entiny hijorony ho vavolombelona hanambarany ny Vaovao Mahafaly
Akoa samy hahatsiaro isika fa izao fahafanantsika mivory izao dia sitrak’Andriamanitra satria tahaka ny zanak’Israely tany Egypta mangetaheta fahafahana. Ren’Andriamanitra any an-danitra izany. Ohatran’ny fangatahan’i Gedeona koa izao hetaheta izao.
Aoka hatoky ny fanambarana rehetra avy amin’ny Tompo isika ary hankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Raiso, hinoy, matokia ary ento miasa amin’ny fanompoana rehetra izay manetsiketsika anao ankehitriny fa asan’ny Fanahy Masina mitaona anao izany, ary ny fanekenao sy ny fijoroanao, ny fandehananao dia hevitra hanehona fa mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao. Tsy tongatonga foana eto isika fa fitarihan’ny Fanahy Masina no maha eto antsika. Mihaino vavaka ny Tompo ka tanteraka ny hetahetantsika. Ny vita batisa rehetravdiavefa nandray ny Fanahy Masina. Tsy mangataka intsony fa efa nandray satria natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia tonga vavolombelona tahaka ny mpianatra.