May 2020>Vatsimpanahy

Perikopa: Jer.3/11-17; Mat.11/20-24; Asa.26/19-23

Jeremia .3 : 11: “Ary hoy Jehovah tamiko: Israely mpiodina dia hita fa marina kokoa noho i Joda mpivadika”.

Hita ato amin’izao andinin-tSoratra Masina izao, fa misy voambolana toa mitovy nefa tsy sahala, dia ny: “miodina” sy ny “mivadika”. Samy fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ireo, fa ny lanjany no tsy mitovy. Asehon’ny Baiboly fa ny fahotana sy ny faharatsiana ataon’ny olombelona, dia misy valiny famaizana avokoa. Ny bokin’i Jeremia dia maneho imbetsaka ny fifamatoran’ny ota sy ny vanim-potoana ary ny tany sy ny zava-manjo ny olombelona. Inona no hafatra ho antsika velonaina ankehitriny? Tandremo ny fitondran-tena fa misy akony avokoa ny zavatra atao rehetra amin’izay manodidina ny tena sy ny tontolo iainana. Ireto no  enti-manazava izany:

– Israely mpiodina

– Joda mpivadika

Israely mpiodina

Ny voambolana nampiasaina dia ny: mpiodina: מְשַׁבָה (meshabah) avy amin’ny matoanteny hoe:  שָׁבַה (shabal) = niala tamin’ny sori-dalana nombana, nandika ny lalàna nifehy, nihataka niala tamin’Andriamanitra, tsy nitoetra am-pahamarinana tamin’Andriamanitra izay nivavahany; lasa nanompo sampy…

Ny Jer.3: 6-10 no maneho izany fiodinan’ny Israely izany. Tsy nitandrina ny lalàn’Andriamanitra, sady tsy nanao fivavahana araka ny nampanaovina azy izy, fa lasa nanompo sampy. Izay no ambara fa fijangajangana eo anatrehan’Andriamanitra. Vokany, nisaoran’Andriamanitra i Israely (toy ny mpivady nifampisaotra: nisaraka), ka zary fahoriana tamin’ny tany sy ny vanimpotoana mihitsy.

Io fiodinana io no nahatonga ny antso mba hiverina. Asain’i Jehovah Andriamanitra miverina Aminy ny firenen’Israely. Marihina eto, fa iray fototeny ihany ny miodina sy ny miverina amin’ny teny hebreo: shabah. Ny fiverenena amin’izay, dia fitodihana miverina indray amin’Andriamanitra, miaiky ny helony, mifona, miverina mihaino sy manaraka indray ny sitrapon’Andriamanitra. Manaiky an’Andriamanitra ho Andriamanitra ivavahany, sy hotompoiny amin’ny andro iainana.

Ambara eto, fa marimarina kokoa i Israely noho i Joda. Israely dia nanao izay ratsy teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra noho ny tsy fahalalana, ka antsoina hibebaka hiala amin’ny ratsy nataony.

Hita amin’ny filazan’ny Tompo ihany koa ny toy izany; amin’ny fampitahana ny lanjan’ny ditra sy ny hadalana ary ny tsy finoana Azy. Tsy niraharaha ny asa lehibe sy famantarana maro nataon’ny Tompo i Korazina sy i Betsaida. Nolazainy fa ho moramora kokoa ny fitsarana an’i Tyro sy i Sidona noho ireo, satria tsy mba natao tany amin’ny taniny izay natao tao amin’ny Korazina sy Betsaida (Mat.11/20-22).

Joda mpivadika

Ny teny hoe: mpivadika eto dia ratsy kokoa noho ny miodina. Ny teny hebreo manambara azy dia:  מְבּיגֵדָה  (mebigedah), avy amin’ny matoanteny hoe:  בָגַד (bagad). Teny enti-milaza, fa mahalala ny faharatsiana sy ny fahavoazana mety  hanjo vokatr’izany, nefa vao mainka manao ihany. Maniratsira an’Andriamanitra izany; toy ny mihantsy Azy.

Tsy mba nandray lesona tamin’izay nanjo ny firenen’Israely niodina tamin’Andrimanitra izy, fa iny lalan-dratsy nahadiso azy iny ihany no vao mainka aza nataony indray. Nanao izay nanafintohina an’Andriamanitra mihitsy i Joda.

Voambara, fa tsy mety natahotra an’Andriamanitra i Joda eo amin’ny Jer.3/8b, na dia efa nahita ny nanjo ny Israely aza rehefa niodina tamin’i Jehovah Andriamanitra. Ratsy noho ny miodina ny mivadika, raha eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ireo firenena ireo no jerena.

Toy izany koa no ambaran’i Jesoa ato amin’ny Mat.11/23-24, ny amin’ny Kapernaomy raha mitaha amin’i Sodoma sy Gomora. Efa nanaovan’ny Tompo asa lehibe samihafa sy asa mahagaga maro, nefa mbola mivadika Aminy ihany (Sodoma sy Gomora: tanàna malaza ratsy, noho ny famaizana nahatsiravina nahazo azy: Gen.13/13; 19/1-29).

Efa naseho mirangaranga izany fitsaran’Andriamanitra hihatra izany ho ahy sy ho anao: mpiodina, ve sa mpivadika? Mbola misy antso amin’ny fiverenana na fibebahana ihany koa. Ny mpiodina mora miverina, fa ny mpivadika sarotra miverina!

Ry havana malala, maro ankehitriny ny endriky ny fanompoan-tsampy mandrirotra ny olona hisaraka amin’Andriamanitra, na avy any ivelany na avy eto an-toerana. Ao ny mbola tranainy, ao kosa ny efa moderina. Araka ny mpandinika, dia ireto no fahotana fototra (mampieritreritra !); mampiseho fiodinana sy fivadihana amin’Andriamanitra, miaraka amin’ireo anarana lohan’ny demonia manao azy.

* Ny mirenty sy mamiratra: “Asmodée”

* Ny hakamoana: “Belphégor”

* Ny hatendana: “Belzeboba”

* Ny fanirian-dratsy: “Leviatana”

* Ny fieboeboana: “Losifera”

* Ny fahirana: “Mamôna”

* Ny fahatezerana: “Satana”

Fehiny

Antso toy ny nataon’ny apostoly Paoly, voasoratra ao amin’ny Asa.26/19-23 izao vatsim-panahy izao. Ambara hatrany na dia hampidi-doza ny mpitory aza, sao mba mety mibebaka ihany ny mpiodina, ary miala amin’ny ratsy ataony ny mpivadika.

Miverena re amin’ny Tompo Andriamanitrao. Ajanony sy ialao

izay mety ho fanompoan-tsampy nitazona anao teo aloha. Mbola tian’Andriamanitra hody ao Aminy hatrany ianao. Izao fotoana fihibohana izao, tohizo ny fandinihan-tena; ka mandraisa fanapahan-kevitra tsara hiverina amin’Andriamanitra. Efa nitsangana marina tokoa Jesoa, raiso ho anao izany, dia ho resinao avokoa ireo karazam-pahotana fito notanisaina teo ambony ireo; sy ny devoly mampiasa azy. Raha tsy mety miverina kosa moa ianao, dia afaka amin’ny rànao ny Fiangonana tenan’i Kristy ety an-tany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena. RAHARIJAONA Solofonirina Mpitandrina