HETSIKA GASIGASY
Alahady 23 jona 2019
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia niroso tamin’ny Asaramanitra ny mpianakavin’ny finoana, fanehoanan’ny Fiangonana ny maha-malagasy azy .Teo amin’ny tokontan’ny Fiangonana no nanatanterahina izany. Izany moa dia ao anatin’ny Fankalazana ny fahaleovantenam-pirenena.
Niavaka ny fitafy nataon’ny isambatan’olona. Ny sampana sekoly alahady dia niavaka tamin’ny akanjo mena.
Tsy ny fitafy ihany no naseo teto fa teo ihany koa ny fanehoana ireo sakafo tiantsika malagasy toa ny henakisoa sy voanjobory , ny henomby ritra. Tazana teny ny mangahazo miaraka amin’ny voanio sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nisy ny hira mampiavaka ny maha-malagasy antsika notanterahin’ny zanaky ny fiangonana
Faha 155 taonan’ny Sekoly Alahady eto Amparibe Famonjena
Miaina ny tenin andriamanitra
Efa nampahalalaina antsika mpianakavin’ny finoana ny fandaharana ankapobeny miditra amin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-155 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto Amparibe Famonjena. Tadidio fa tsy ny sampana irery akory no hankalaza an’ Andriamanitra noho izany vanim-potoana maningana eto amin’ny fitandremana izany fa isika fiangonana manontolo. Indro ary ny hetsika voalohany miandry antsika amin’ity volana avrily ity: “Miaina ny tenin’Andriamanitra”. Ny tontolo andron’ny sabotsy 14 avrily 2018 izao eto amin’ny tananan’ny Fiangonana dia hisy ny fifaninanana Soratra Masina miendrika lalao. Antsoina handray anjara amin’io ny solontenan’ny K1-K10, ny mpampianatra, ny ray aman-dreny ary ny sakaiza. Mandritra io sabotsy io dia hisy ny sakafo izay amidy amin’ny vidiny mirary, ary ny “gouter” na “petite table” Manaraka izany, fifaliana ihany koa ny mpampahafantatra anareo fiangonana fa ny alahady faha 22 Aprily, no Ivon’ny fankalazana “Matanjaka sy mitombo ara- pinona”, izay marihina amin’ny fiombonam-bavaka eto amin’ny fitandremana misy antsika ihany. Ny filohan’ny FJKM, Andriamatoa Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina, no hitondra ny tenin’Andriamanitra. Hisy ny fizarana loka ho an’ireo voafidy tamin’ny fifaninana sary famantarana, hira Faneva ary teny Faneva. Hisy ny fizarana “certificat” ho an’ireo filoha nifandimby, sy ireo mpampianatra Sekoly Alahady, nampianatra mandritry ny 20 taona no mihoatra, na ny mbola amperin’asa na ny efa misotro ronono. Hisy ny fizarana fifaliana ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fizarana mofomamy.