AMPARIBE
Association des Membres de la Paroisse d’Amparibe à l’Extérieur
Zanaka Am-Pielezan’Amparibe – Famonjena aty Ampita
22/06/2020
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompo.
Amin’ny alahelo lehibe nefa koa @ finoana ny fitsanganan’ny tena @ maty no hampandrenesana antsika fa nodimandry t@ 21/06/2020 teo i Seta Rajaofetra.
Anisan’ny mpiandrakitra mahafatra-po ny Fiangonana Amparibe izy, diakona, mpitendry orga, filohan’ny Gazety Taratry ny Famonjena sy ny Tranonkalan’ ny Fiangonana. Ary izy no mampita ny vaovao aty amintsika Zanaka Am-Pielezana any @ Fiangonana iray manontolo.
Ny biraon’ny fikambanantsika, @ anarantsika rehetra, dia maneho ny fiaraha-miory @ vady amana-janany, sy ny fianakaviana rehetra (indrindra fa i Kristelle, anabaviny, izay mpikambana ato @ birao sy i Serge, rahalahiny, izay any Lyon) ary ny fiangonana iray manontolo (indrindra fa ny Komitin’ny Gazety sy ny Tranonkala) ary maniry fitahian’Andriamanitra an’izy ireo.
Ho lazaina eo ihany isika raha misy famangiana hatao aty.
Ny Filoha : Jaona Ravaloson
Ny Filoha lefitra ; Clara Ramanantsalama,
Ny mpitan-tsoratra : Francky Rakotozafy
Ny mpitam-bola : Francky Andrianasolo
Ny mpanolo-tsaina : Philippe Rajaona, Nanie Ravaloson, Nary Andriamahatana, Holy Raveloarisoa, Christiane Ralibera, Naivo Ramanambelo