Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany
“Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” 1Korintiana 15: 58
Raha ventesin’ny mpanao Salamo ny hoe: “Fihiram-baovao” dia tsy maintsy misy izany ny fihirana tranainy ary tsy hay loatra ny maha samy hafa ny hira na fihirana tranainy sy ny hira na fihirana maintimolaly. Ny atao hoe tranainy aloha, dia izay rehetra fantatra fa efa nisy tamin’ny fotoana ela dia ela ary tsy heverina loatra ny ampiasana azy amin’ny fotoana ankehitriny.
Voasoratra mazava tsara eo amin’ny fiandohan’ny hira ny maha tranainy azy ary voalaza mazava tsara eo koa fa hira avy any amin’ny firenen-kafa fa tsy avy eto Madagasikara.
Noho izany, ny hira tranainy dia tsy misy mampiavaka azy amin’ny hira hafa akory, fa miankina amin’ny fitandremana tsirairay ny fampiasana azy.
Vitsy ihany ny hira tranainy voarakitra ato anatin’ny Fihirana FFPM ary tsy maro mpahalala izany sady tsy ampahafantarina koa mba tsy ampiavaka azy loatra amin’ny hafa.
Ny atao hoe hira “Mainty Molaly” (izay lasa teny taty aoriana ka nanjary hoe: “Maintimolaly”, dia iantsoana ireo hira efa nampiasaina na niainana nandritra ny fotoana ela, kanefa mbola voatahiry mandraka ankehitriny. Koa na dia somary manahirana aza ny fampiasana azy satria misy tsy mifanandrify loatra ny tononkira sy ny feon-kira dia nohiraina araka izany eny izy.
Araka ny maha maintimolaly azy mantsy, dia tsy voalaza loatra ny namorona, na ny tonony na ny feony, ary nisy mpanan-talenta nahavatra namorona sy nanao ny Sol-Fa, arakaraka ny feo sy tonony fantatra dia ifampitaizana eny ny fanatanterahana azy.
Ohatra iray mazava tsara izao ny hira laharana faha 2 “Misaora ny Zanahary”, izay i Charles Rasoanaivo no nandray andraikitra namorona ny Sol-Fa, nefa taty aoriana, nisy mpanan-talenta tsara sitrapo koa nanao, ka samy noraketina anaty Tiona FFPM izy roaroa.
Dia izany no noheverin’ny Komitin’ny Fihirana nifandimby fa mety mba hahazoana mitahiry ny hasarobidin’ilay hira, izay tsy fantatra rahateo ny olona namorona azy fahizay ka angamba tsy ho sarotiny izy amin’ny fanitsiana.
Ny hira maintimolaly laharana faha 540 izao “Hitako ny lalan-tsara”, izay tena manana ny lazany manokana tokoa, satria nohirain-dRasalama talohan’ny nandefonana azy, dia tafiditra ao amin’ny laharan-kira maintimolaly na dia fantatra mazava aza ny niavian’ny feony, dia ny Congregational Hymnary 147, 8, 181, fa ny tononkira niaviany dia tsy voalaza na efa dikan-teny malaladalaka ho amin’ny fiteny Malagasy, na ahoana ! Ny tononkira sy ny Sol-Fa voatahiry ao anatin’ny Fihirana FFPM aza dia efa voalaza fa nahitsy ka tsy fantatra na ny tonony na ny feony no nasiam-panitsiana fa amin’ny ankapobeny dia “sarotra” ilay hira ary na ny antoko mpihira heno miventy azy aza dia tsapa fa sahirana ihany koa.
Mba asa loatra izay andininy vitan-dRasalama teny an-dalana mandra-pahatongany tany Ambohipotsy satria tononkira mifamaly mahafinaritra io hira io. Fantatra tsara fa tena hira vavaka nankalazan’ny Maritiora voalohany an’i Jesoa Kristy izany ka voarakitra ao anatin’ny tantara mandrakizay.
Saro-pantarina ka tsy azo itokiana ho fivoarana na tsia, ny namoronan’ny olona na sampana hafa feony ny hira maintimolaly, toa an’io “Hitako ny lalantsara”, ary re matetika izany ao amin’ny fandefasam-peo kristiana, amin’ny feony niantsan-dRasalama azy. Tena kanto tokoa satria Antoko Mpihira havanana tsara no nanatanteraka azy ara-tSol-Fa.
Ny tena faniriana izao dia ny hanaparitahana io hira manan-tantara io, vita ara-dalàna ho an’ny vahoaka kristiana, ka mba ho hirain’ny maro amin’izay. Fa na somary sarotsarotra aza rehefa imasoana dia ho lavorary ihany amin’ny farany.
Misy ny hira diso ary na dia ahitsy ombieny ombieny aza (indrindra ny feony) dia tsy mety tafarina mihitsy, satria maro an’isa ny mpihira mahay azy diso, ka mihevitra izany ho mety ; ary betsaka rahateo koa ireo manaraka ambokony. Tsaroana ny fanentanana natao tamin’ny niforonan’ny hira fanampiny (Laharana 1 sy 2, 3 ary faha 4).
Noezahina ny nandrakitra izany tanaty horonampeo (cassette) niaraka tamin’ny Sol-Fa ary nanaparitaka azy haingana dia haingana ; ka na dia misy indrokely aza eo amin’ny fahatanterahany, dia isaorana an’Andriamanitra fa mety ary ain’ny olona tsara ihany.
Eo ny olana amintsika kristiana, izay manome vahana ny fihirana ireo hira ao amin’ny Fihirana Fanampiny, ka mitarika ny fanadinoana ny hira maro mitovy lenta aminy ao anaty Fihirana FFPM.
Misy koa anefa ireo hira ao amin’ny Fihirana hafa toy ny Fifohazana, Vokovoko Manga, tsy mba nohamaroina
tahaka ny natao tamin’ny Fihirana Fanampiny dia lasa mahalana ihany ny fihirana azy ; sady tsy milamina rahateo ny fitozoana amin’ny fampianarana azy; ka hita ho latsa-danja ny fiainana ireo hira ireo.
Mbola hotohizana
Rajaofetra John