0522Mahatoky

Manavao ny Fanahy Masina

Tsianjery : “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny  zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Lioka 11:13

Andriamanitra dia Fanahy

Raha vao avy nandray ny famonjena nomen’i Jesoa Kristy antsika isika tamin’ny fankalazana ny Paska, dia mbola fanomezana sarobidy ihany koa no mbola omen’Andriamanitra antsika amin’ny  nomezany antsika maimaim-poana ny Fanahy Masina noho ny fitiavany antsika (Tit. 3:4-5). Avy amin’Andriamanitra ny Fanahy (Isa. 3:15), satria Izy dia Fanahy (Jao. 4:24) koa mangataka amintsika olona mino Izy ny hivavaka amin’ny Fanahy Masina sy ny fahamarinana (Jao. 4:23)

 

Iza no misitraka ny Fanahy Masina ?

Jesoa Kritsy Ilay manao batisa amin’ny Fanahy Masina ho famonjena sy fiombonantsika aminy (Mar. 1:8) no mifidy ny olony ary manome fahendrena azy hahavita asa sy zavatra tsara (Eks. 35 : 31) (Déo.34:9). Tsy lany ritra ny fitiavan’i Kristy antsika, ka raha mangataka aminy isika dia omeny maimaim-poana antsika izay mino Azy ny Fanahy Masina (Jao. 3:34) (Lio. 11:13). Io Fanahy Masina io no mampiray antsika amin’Andriamanitra ary izay rehetra mino izany dia manana ny Fanahy Masina ao aminy (Jao. 7:39). Ary izay rehetra manana ny Fanahy Masina sy mandray azy dia mitovy, toa iray ihany, eo imason’Andriamanitra (Kol. 3:11), n’inona n’inona firazanany na fihaviany na izay mampiavaka azy. Satria Aminy dia izay matoky sy mino an’i Jesoa Kristy ihany no Azy (Kol. 3:11). Noho izany isika rehetra mpanara-dia ny Tompo ka mikatsaka ny fiainana any an-danitra dia mila manana ny Fanahy Masina (Kol. 3:1-2) satria ny vokatry ny fanahy dia fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiadanana sy fahatokiana mandrakizay (Isa. 3:17)

Manavao ary manova ny Fanahy Masina

Araka izany dia Izy Tompo mihitsy no efa mitarika antsika olony hitoetra ao amin’ny Fanahy Masina mba hananantsika ilay fiainana sy toe-po ary toe-tsaina araka an’Andriamanitra (Gal. 5:22-23). Izy no mandidy sy maniraka ny Fanahiny hanavao ny olona mpanara-dia Azy (Sal. 104:30). Ilay Fanahy Masina omeny antsika no manova ny ratsy ho tsara ao amintsika (Isa. 3:16). Lazainy amintsika mantsy fa izay manana ny Fanahin’Andriamanitra dia mahavita zavatra tsy takatry ny saintsika olombelona (Eze. 37:1) (Gen. 5:24). Eny mahavita zava-mahagaga tokoa (Asa. 9:6). satria ny mamelona ny efa maty koa aza dia vitan’ny Fanahin’Andriamanitra (Eze. 37:14). Ka ny olona araka ny Fanahy Masina  dia mahafantatra ny zavatra rehetra amin’ny fahendrena, satria manana ny sain’i Kristy (IKor.2: 15, 16).

Fehiny

Fantatsika mpanara-dia an’i Kristy fa tsy mbola manana ny Fanahy Masina isika, raha tsy mandray an’i Jesoa Kristy  niditra tamin’ny voninahiny (Jao. 7:39). Izy efa nitso-drano ahy sy anao ka nanome antsika izany Fanahy Masina izany (Lio. 24:50-51). Aoka ary tsy hisy hanakana antsika tsy handray izany. Mahatoky Izy, fa ny Fanahin’Izy Tompo no mampifaly antsika. (Sal. 104:34). Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

                                                                                         Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

0422Mahatoky

Mandresy ny fahafatesana ny Tompo

Tsianjery “ Aza  matahotra : Izaho no Voalohany  sy Farany,  dia  Ilay velona;  efa maty Aho,  nefa, indro, velona   mandrakizay  …” Apokalypsy 1: 17b-18a

Maro ny fivavahana manerana izao tontolo izao, fa ny hany mampiavaka antsika Kristiana, dia ny finoana fa efa maty Jesoa Kristy ary nitsangana sy naharesy izany fahafatesana izany.

Mpandresy ao amin’i Kristy : Jehovah no manda sy fiarovana ho an’izay rehetra mihazona ny marina, avoakany ho amin’ny fandresena mandrakariva ny olony. (Isa. 26:1-11)

Izay tena ao amin’ny Tompo marina dia tsy mba voahazon’ny fahafatesana, satria mahay mitodika amin’Ilay Tompon’ny fahavelomana izy. (Jon. 2:1-11 / Sal. 116:1-9)

Ka na mandeha mamakivaky ny aloky ny fahafatesana aza ny mino, dia tsy mba manahy akory satria fantany Ilay momba azy. (Sal. 56:1-13 / IKor. 15:54-58)

Mahazendana izao tontolo izao ny mahita ny mpino mihira fiderana anaty ady tena sarotra sy mahaketraka ny maro: satria hainy fa efa nofoanan’ny Tompo mandrakizay ny fahafatesana. (Isa. 25:1-9)

Izay omban’Andriamanitra dia efa afaka amin’ny famoizam-po rehetra, tsy misy hery hahatohitra azy intsony: manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. (Rom. 8: 31-39)

Velona ao amin’i Kristy: Ny tena mpino dia mahatsapa fa ny fahavelomana azo antoka dia izay ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany: “ary raha tsy natsangana Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo” (Mat. 20:17-19)

Fara fahoriana indrindra izany lavitra ny tavan’Andriamanitra, midika fahafatesana izany. Ny hahazoantsika antoka ny ho velona indray dia ny fibebahana sy ny fiverenana Aminy ihany. (Jao. 13:21-30)

Endriky ny fahafatesana koa ny tsy fankatoavana ny ray aman-dreny satria fandikàna mivantana ny didin’Andriamanitra hoe: “tiava ny rainao sy ny reninao, dia ho lava andro ianao eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah anao”. Koa raha te ho velona dia aoka ho zanaka mankato. (Oha. 10:1-12)

Izay tsy tia namana dia mpamono olona, isika anefa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana mandrakizay, satria Kristy no velona ao anatintsika. (IJao.. 3:13-17)

Izay velona ao amin’i Kristy dia mahay manolo-tena, mahafoy hatramin’ny ainy aza raha ilaina, fa voahombo Kristy, Paska ho antsika! Ny fahafatesan’i Kristy no antoky ny fahavelomantsika, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. (Jao. 20:26-31 / Jao. 12:12-19)

Kristy no santatry ny fitsanganana amin’ny maty mba ho velona mandrakizay  izay MINO Azy. Fantaro ary fa Izaho sy ianao no nomeny izany teny fikasàna izany.  Fa izay marina dia ho velon’ny finoana, koa aza mba ho isan’izay tsy mino. (Jao. 20: 26-31)

Fehiny : Isika mpino dia tokony hahatsapa fa fahafatesana no tambin’ny ota.

Antoky ny fahavelomantsika anefa ny nandresen’i Kristy ny fahafatesana, satria efa nentiny ny fahadisoantsika ary fiainana mandrakizay sy famonjena no nasetriny izany ho an’izay mino Azy. (Jao. 20:1-10 / Jao. 19:28-37)

Miorena tsara, raiso ny fandresena atolotry ny Tompo anao ka miasà sy manompoa amin-kafanam-po fa izany no fanehoantsika fahavelomam-panahy marina ao Aminy. (Apo. 3:14-22 / IKor.. 15:54-58)Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho antsika mino ny fitsanganan’ny Tompo kosa ny fiadanany mandrakizay. AMENA!!!

Vaomieran’ny Aim-Panahy

0322Mahatoky

Mamaly amin'ny faharatsiana ny Tompo

Tsianjery : « Fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. » ISamoela 2:30b

Fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia tsara ary mpanao ny tsara. Isika rehetra dia samy mahalala izany. Andriamanitra tsy tia ratsy Izy ka ny zavatra rehetra nohariany dia marina avokoa (Sal 5:4-6).

 

Manome toky anefa Andriamanitra fa izay manao ny sitrapony dia hotahiany mandrakariva (ISam2:35) (Jao 5:24). Fa ireo izay tsy manao izany kosa dia haringany ho mandrakizay (ISam2:28-29) (30-34).

Tsy misy marina eo imason’Andriamanitra ny olona

Ny tenin’ny Soratra Masina no efa manambara fa tsy misy marina isika olombelona eo imason’Andriamanitra (Rom3:10). Isika anefa ilay nohariany tahaka Azy anefa no minia manao ratsy mandrakariva ka antsoina hoe mpanota avokoa (Rom 3:9). Eny fa hatramin’ny teny ambarantsika aza dia mazàna ratsy avokoa (Rom3:13). Hany ka lasa tsy matahotra an’Andriamanitra isika. (Rom. 3:11;18). Toa aleontsika hatrany misafidy ilay ratsy ka mahatonga ny fanamelohan’Andriamanitra antsika izany (Jao 3:19-20).

Mandrava izay ratsy sy tsy marina Andriamanitra

Tsy mitsahatra ny Tompo mampitandrina ny olony ny amin’ireo fomba ratsy izay tsy ankasitrahany ka tena melohiny. (Lio.20:47) Satria dia vitany ny mandringana ireo minia manao ny ratsy (Gen.19:24-26) sy izay tsy mino Azy Andriamanitra (Jod. 5). Na ireo zavatra àry rehetra toy ny olona, biby eny ny tanàna iray manontolo, hatramin’ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, dia horavany avokoa (Jod. 6-7). Ary tsy misy ho afa-bela ny mpanota, hatramin’ny vehivavy sy ny ankizy, eny ny zaza am-bohoka aza, dia hiharan’ny fahoriana sy ny famaizana (Lio. 21:23). Ka na tsy ho tonga amin’ny fahafatesana aza, dia hanjo azy ny fandringanana. (ISam.2:33)

Manavotra ny olony Andriamanitra

Isika koa anefa mahalala fa Andriamanitra dia fitiavana ka mampanantena mandrakariva izy fa tsy tiany hisy ho very ny olony rehetra fa ho tonga amin’ny fibebahana (IIPet.3:9) satria sitrany indrindra ny manavotra ny olony (Gen. 19:29).

Koa na dia miodina aminy aza ka faiziny matetika dia tsy sasatra Izy Tompo ny mampitandrina sy manoro ny hevitra marina hanavotana antsika (Lio. 21:20-22). Eny mitahy mandrakariva izay manao ny marina Andriamanitra (Sal. 5:12) ary miaro ny olony amin’ireo mpampahory sy manao ratsy azy ireo. (IITes 1:6)

Fehiny

Manome safidy antsika mpanara-dia Azy  ny Tompo ; na hanaraka Azy amin’ny lalan’ny fiainana ka hanao izay tsara  rehetra araka  ny sitrapony, na hisafidy ny lalan’ny fahafatesana, raha tamàna amin’ny fanaovan-dratsy izay mitondra ho amin’ny fahaverezana. (Jer. 21:8-10; Jao 5:29).

Iza amintsika anefa no tsy manantena handova Ilay lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana (IIPet3:13)?  Koa aza misalasala ary fa Izy Andriamanitra no efa mananatra antsika fa Izay manao ny marina sy mino an’i Jesoa Kristy ho Tompo no hahazo famonjena (Jao. 3:18;21).

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

                 Vaomieran’ny Aim-Panahy

Jolay 20>AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO

Tsianjery : “Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.” (Lioka 8: 39b)

Efa tanterak’i Kristy ny fanafahana antsika tamin’ny asam-pamonjena lehibe namoizany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Isika anefa ve tena te ho afaka amin’ny gadra rehetra mamatotra antsika?

Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo». (Jao 8:36)

Andriamanitra manafaka ny olony : Faharavoravoana mandrakizay no hanaraka izay nohafahan’i Jehovah. Eny hifaly tokoa amin’izany izy satria fantany ary ambarany mandrakariva ny nanavotana azy tamin’ny fomba mahagaga.(Isa 51:9-11). Ny fanafahan’Andriamanitra dia izay mampiala antsika tamin’ny fahaverezana fahiny ho amin’ny fiainam-baovao hanjakan’ny fitahiana mahatretrika. Mahatoky tokoa Izy ka manome fiadanana tsy manam-petra  ho an’izay manaiky hangoniny ao am-balany. (Jer 31:10-14). Tsy haintsika hampanginina izay ampitenenan’ny Fanahy antsika ny amin’ny fanafahan’Andriamanitra antsika. Izy no nifidy antsika ho olony sy ho olona afaka, misitraka ny fitahiany sy ny fombàny. (2 Sam7:17-24). Aoka tsy hisy hihevitra ny hohamarinina amin’ny lalàna isika. Efa an’i Kristy isika, fahasoavana no namonjena sy nanafahana antsika, koa aoka ny finoana ihany no hanesika antsika ho amin’ny asa tsara, izay ataon’ny olona afaka amin’ny fitiavana. (Gal 5:2-6)

Olona afaka ao amin’i Kristy: Ny olona afaka dia mandà izay mety faharatsiana rehetra ary maharikoriko azy ny fiharoharoana amin’ny mpanao ratsy. Manalavitra ireny tokoa izy satria efa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny famindram-po lehibe. Fideràna sy fisaorana no zary tiany hameno ny fiainany hanehoany ny fahafahany. (Sal 26 :1-12). Izay nohafahan’ny Tompo dia tsy menatra ny hitory sy hanambara ny amin’ny fomba nanafahana azy. Mety hihomehy sy haneso azy tokoa ny olona noho izany, anefa fantany izay inoany ary mainka aza ho reharehany izany. (Jao 9 :30-38). Izay nohafahan’ny Tompo dia lasa olom-baovao tanteraka. Mety hampitolagaga ny olona izany fa mety hampatahotra ny hafa koa. Isika anefa tsy maintsy manambara ny hasarobidin’ny asan’i Kristy tamintsika, satria vavolombelon’izany indrindra isika. (Lio 8 :34-39). Ny olona nohafahan’ny Tompo dia mangetaheta ny

hitoetra lalandava eo anilany. Fa ny Tompo kosa anefa dia mbola maniraka azy ihany hiverina eo anivon’ny fiarahamonina mba hitory sy hanambara amin’ny maro izany fanafahana izany. (Lio 8 :38-39). Ny fiainana ao amin’ny Fanahy dia manafaka amin’ny fihevitry ny nofo izay mitondra fahafatesana. Ny olona afaka dia izay efa nandà ny fitarihan’ny nofo ka nisafidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom 8: 1-8). Izay efa nandray ny fanafahana ho amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy dia mila mahay mifampahery mba hielezan’ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. (2Tim 2 :1-2). Mitaky faharetana sy fiaretana ny fihazonana ny fanafahana izay nomen’ny Tompo antsika satria ety an-tanim-pihazakazahana isika, ka izay mahonon-tena ihany no handray ny satro-boninahitra sy hiara-belona Aminy rahatrizay.(2Tim 2 :3-13)

Fehiny : Aza fehezina ho anao irery izay namonjen’ny Tompo sy nanafahany anao. Aza miahotra ny hanambara izany hatrany amin’ny mpitondra avo amin’ ny firenenao, dia toy izay nataon’i Paoly fahiny; fa raha manao izany ianao dia hahafaka fanahy maro tokoa. (Asa 26 :12-18)

Ambarao i Kristy Ilay Mesia, eny ilazao ny rehetra fa efa tonga ilay Mpanafaka antsika. Efa noravany ny efitry ny fampisarahana rehetra, ka ny olona rehetra na lahy na vavy, na kely na lehibe dia afaka manambara ny amin’ny fanavotany avokoa.(Jao 4 :25-30)

Koa efa mby amintsika ankehitriny ny fanafahana, ary efa maro izay efa nositranin’ny Tompo sy

nohafahany tamin’ny endri-pangejàna maro. Ndeha àry hotorintsika ny amin’ny fahasambaran’ny olona afaka marina ao amin’i Kristy. (Lio 7 :18-23)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika olona afaka kosa ny fiadanana.

Amena !!!                                                                             Vaomieran’ny Aim-Panahy

Jona 2020>Mihavana ao amin’ny Tompo

Tsianjery : « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.» Levitikosy 19 :18

Efa nandao Ilay Fitiavana voalohany isika, fa ankehitriny kosa dia Jesoa Kristy mihitsy no ilay tena FAMPIHAVANANA antsika : dia isika amin’Andriamanitra ary koa amintsika samy olona.

Ny fihavanana ao amin’i Kristy : Mikatsaha mandrakariva izay tsara ho an’ny namanao, fa indrindra ny iray firenena aminao; alaviro izay rehetra fifanaratsiana, mananara ny mpanao ratsy fa hanadinan’Andriamanitra anao tokoa ny amin’izany ka mba tsy ho heloka ho anao ny tsy fanaovanao izany. (Lev 19:16-18).

Koa raha Jehovah Tompo aza namindra fo tamintsika izay mpanota tsy mendrika akory ; nahoana kosa isika no tsy mba hanahaka Azy, ka hifanisy soa sy hifampitsinjo marina,  hitoeran’ny fiadanany eo amintsika ? (Zak 8:14-17). Manahafa an’i Kristy, fa indrindra amin’ny fitiavana, izany no ahitan’ny olona antsika fa mpianany tokoa isika. (Jao 13:34-35).

zay tena tia tsy mba manandra-tena, fa mametraka mandrakariva ny hafa ho mihoatra noho ny tenany. Aza avela hisy aminao hahasakana anao tsy ho tia ny hafa. Izany no tena asam-pamonjena araka ny hafatry ny Tompo: dia famonjena ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa koa. (Mar 9:33-50).

Izay nahatanteraka ny tena fitiavana marina, dia toa izay efa nahatanteraka ny didy  rehetra nomen’ny Tompo: koa tiava ny namanao tahaka ny tenanao. (Rom 13:8-10).

Asehoy amin’ny fitondran-tena tsara ny asan’ny Fanahy Masina ao aminao: madio, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be vokatsoa, tsy mihanahana na mihatsaravelatsihy. (Jak 3:13-18)

Kristiana mahatandrina fihavanana : Fadio izay rehetra mety hanimba ny fiaraha-moninao, na avy amin’izay hiditra ny vavanao izany na izay haloaky ny molotrao. Ny adala no tsy mba mitandrina izay ataony, satria izy te hanisy fahatafintohinana ho an’ny hafa mandrakariva. (Oha 20:1-3)

Raha azo atao dia mihavàna amin’ny olona rehetra, izany no fifampirisihana tsara indrindra mety ataontsika. Ny fifampiandaniana mandroaka ny firaisan-tsaina, satria mandranitra ny fanambonian-tena. (Fil 2:1-4).

Araraoty ny fotoana ahazoanao mamitrana izay fihavanana rava rehetra, dieny tsy mbola tara loatra. Raha tsy manao izany ianao dia toy izay mampitatao fanamelohana eo an-tampon-dohanao. (Mat 5:25-26).

Izao tontolo izao sy ny fampisarahany dia mety hahalavo tokoa izay tsy miambina tsara.Tehirizo ny fonao hadio fa lehibe loatra ho antsika ny hahajoro tsy manan-tsiny eo anatrehan’ny Tompontsika rahatrizay. (Lio 21:34-36).

Ao amin’Andriamanitra no misy ny fihavanana marina, dia ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina; mifalia isika raha efa ao amin’ny Tompo tokoa, fa izany no hitoeran’ny fiadanana ho amintsika sy ho amin’ny firenentsika. (2 Kor 13:11-14)

Fehiny : Eto dia hitrikitrihintsika tokoa ny hoe « Fihavanana maha kristiana » (mihavana ao amin’ny Tompo), satria tena misy tokoa mantsy ny endrim-pihavanana hafa toy ny hoe : fisakaizana ratsy, firaisana tsikombakomba, firahalahiana anaty fanompoan-tsy izy, sns maro mbola azo tanisaina.

Katsahin’ny devoly fatratra tokoa amin’ny fomba rehetra ny hampisaraka ny olona samy olona, fa indrindra izay tena iray aina. Nefa endrey ny hatsarana rehefa mifankatia isika ka amirapiratan’ny Voninahitr’Andriamanitra. (Sal 133).

 Koa mandrakariva, aoka ny fitiavana sy ny fihavanana no hanetsika antsika, fa izany no hahatanterahan’ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika, Izy izay manambara amintsika fa zanak’Andriamanitra marina isika.

Izay mamafy ny voan’ny fihavanana dia mitory an’i Kristy FAMPIHAVANANA. (Jak 3:13-18)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika tia fihavanana kosa ny fiadanan’ny mpiara-dia amin’ny Tompontsika. Amena !!!                               

 Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

May 2020>Mahatoky izao teny izao

«Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina»

Tsianjery : “Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako”. 
II Samoela 23,2

Koa satria nomena antsika ny Fanahy Masina ahazoantsika mamoa voa tsara mendrika ny mpanompo tsara, dia anjarantsika kosa ny mankatoa ny bitsiky ny Fanahy sy ny fitarihany ahantanterahantsika izany.

Fa hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Matio 7:17 : “Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy”.

Ny fitarihan’ny Fanahy Masina :  Mitarika antsika mba ho fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Andriamanitra ny Fanahy Masina (Mpits 6:34 / IITan 15:1/ IISam 23:1-2 / Asa 4:8). Fijoroana vavolombelon’ny fahamarinana sy ny asam-pamonjena ao amin’i Kristy no itarihan’ny Fanahy Masina antsika. (Job 27:6 /Jao 15:27 / Lio 12:11-12). Raha tarihan’ny Fanahy isika dia mananatra sy mifananatra mba samy hiala amin’ny fanao ratsy rehetra. (IITan 15:1-7). Ny Fanahy dia mitarika antsika hahay hankalaza tsara an’Andriamanitra, fa Izy mahay manavaka ary manandratra tokoa izay Azy. (Sal 47:1-7). Ny hampiaiky izao tontolo izao ny fahotany noho ny tsy finoany, ny fahamarinana izay ao amin’i Kristy Jesoa ary ny fitsaràna izay efa voalahatra rahateo no fitarihan’ny Fanahy Masina ihany koa. (Jao 16:8-10). Asam-pamonjena no itarihan’ny Fanahy Masina antsika, tsy ny hipasoka izay efa malama anefa, fa kosa haneho fahatsarana eo anatrehan’ny jentilisa hahatarika azy ireo ao ambalan’ny Tompo. (Rom 15:14-16)

Ny mpanompo mankatoa :  Ny mpanompo mankatoa dia izay mifankazatra tsara amin’Andriamanitra, satria Andriamanitra azo ifandaharana tsara ny Andriamanitsika, rehefa vonona marina tokoa hanao ny sitrapony isika. (Mpits 6 : 36-40). Mahajoro tsara manoloana ny fitsapana sy fanenjehana izay nohamarinin’ny Fanahin’Andriamanitra. (Job 27:6). Marina sady manapaka amin’ny fahatahorana izay tarihin’ny Fanahy Masina. (II Sam 23:2-3). Manahaka an’i Kristy izay feno ny Fanahy, ka mahatohitra ny fanangolen’ny devoly. (Lio 4:1-13). Ny mpanompon’i Kristy dia miara-miasa akaiky Aminy mba tsy ho izay mpanohitra Azy. (Mat 12:22-24). Manaiky hateraka indray izay maniry hitoetra ao amin’ny Fanahy, mba hananany anjara ao amin’i Kristy. (Jao 3:3). Ny mpanompo tsara dia mandeha miendrika ny Tompo ka maneho ny tenany ho ohatra amin’ny asa tsara. (Kol 1:9-10). Andriamanitra dia fitiavana! Raha mpanompony tokoa isika, ary mitoetra ao amin’ny Fanahiny, dia mahay mifankatia. (IJao 4:16)

Fehiny : Rehefa niakatra ho any an-danitra Kristy, dia naniraka ny Fanahiny (Mpananatra) hitarika antsika ho amin’ny famonjena ary koa hanohy ny asany. Fanatitra tokana, masina, ho amin’ny otantsika no notanterahin’i Kristy tamin’ny nanolorany ny tenany. Ny fanekentsika izany irery ihany no handraisantsika ny Fanahin’ny famonjena mba hahatanterahan’ny teny fikasana amin-tsika. (Heb 10:12-14). Mandehana araka ny Fanahy mba hamokaranareo asa tsara sy hizoranareo ho amin’ny fanjakan’ny lanitra. Aza mety hotarihan’ny nofo ianareo fa ny fitarihan’ny nofo dia asa tsy mahavoka-tsoa ka mahavery ny tena ary mahavery ny hafa koa. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly akory. (Gal 5:24-26). Ny asam-pamonjena izay hahasitranana na olona na firenena manontolo mihitsy aza, dia izay atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy irery ihany. Toky, ary izay tena azo hijoroana vavolombelona izany, satria asan’ny Fanahy, izay tena ireharehan’ny mpanompo mankatoa.(Asa 4:8-12). Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika izay mankatoa ny fitarihan’ny Fanahy Masina kosa ny fiadanana. Amena!!!                                  

Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy