Ny vontoatin’ny dinidinika dia mahakasika ny hiakarana na ijanonan’I Paoly hiakatra any Jerosalema amin’ny andro fankalazana manoloana ny fanenjehana azy. Tamin’izany fotoana izany no nahatongavan’ilay mpaminany avy any jodia tao amin’ny tranon’i Filipo antsoina hoe Agapo. Izy dia nanambara fa hisy zavatra hanjo an’i Paoly. Nambarany fa ho samborina i Paoly rehefa tonga any Jerosalema ka ho kapohina sy ho ampijaliana ary ho vonoina mihitsy i Paoly. Tsy naharesy lahatra an’i Paoly hijanona i Paoly ary hoy ireto namany ireto hoe” Aoka ny sitrapon’Andriamanitra no ho tanteraka” Nanoloana izany dia nanambara Paoly fa vonona na dia hanaraka hatramin’ny ainy aza ho voninahitr’I Jesoa Kristy Tompo izay niantso azy. Na dia fantatra aza ny zavatra mety hanjo amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo dia aoka isika hianatra ny nataon’i Paoly hanahaka an’i Jesoa Kristy ka hanambara sy haneho fa tsy hatahotra amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra ary mijoro vavolombelona na dia hatramin’ny fahafatesana aza.
Tsy matahotra ny mino amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo na dia hihatra hatramin’ny fahafatesana aza eny tsy miemotra na dia fantatra aza ny loza mety hanjo. Tian’i Paoly ampitaina amin’ny namany sy ny vahoakan’Andriamanitra izany toe-tsaina izany. Izany toe-tsaina izany dia voafehy amin’ireto anankiroa ireto: Voalohany Ny asan’Andriamanitra vita no vain-dohan-draharaha ; Faharoa Andriamanitra dia tsy mampanao zavatra tsy ho vita.
Izany fomba fijery izany no nahatonga an’I Paoly hanoratra ao amin’ny I Korintiana 10,13 manao hoe “Fa tsy misy fakam-panahy izay mahazo ny olombelona ka tsy zakany. “ Izany no aoka ho ao an-tsaintsika manoloana ny asan’Andriamanitra. Tsy mamela antsika ho irery ny Tompo, Tsy maintsy vita ny asan’Andriamanitra ary Andriamanitra tsy hampanao zavatra antsika zavatra tsy vitantsika.
Ny perikopan’i Joba dia mampiseho antsika fa na dia mafy aza ny fitsapana nahazo an’i Joba dia nifikitra sy nahatoky an’Andriamanitra izy. Na dia naneso sy nandatsa ary niteny ratsy an’i Joba aza ny vadiny dia nanaiky izay fandaharan’Andriamanitra hiatra taminy Joba. Nandalo taminy ny aretina ny fahoriana ny fahantrana kanefa tsy niala tamin’Andriamanitra Joba. Ny olona mino dia mahatoky hatramin’ny fahafatesana.
Mijoro vavolombelona ny Kristiana na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Ohatra amin’izany I Paoly izay vonona na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Ny Alahady 12 Aogositra dia alahady natokana ahatsiarovana ireo Maritiora. Ny Maritiora dia nijoro vavolombelona hatramin’ny fahafatesana anisan’izany Paoly Apostoly sy ireo Kristiana nanerana izao tontolo izao anisan’izany Rasalama Maritiora, dadabe Rainimamonjy … Isika FJKM dia zanaky ny Maritiora ka tokony hijoro vavolombelona isika na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Fotoana amelomana izany fahasahiana izany izao vanim-potoana iainantsika izao. Paoly dia niezaka naneho ny fanahafany an’i Kristy manoloana ny fahavononana ho vavolombelon’Andriamanitra na dia hanaraka hatramin’ny aina aza ary namporisika ny olona hanao izany koa Paoly.
Izay sahy amin’ny fijoroana vavolombelon’ny Tompo na hatramin’ny fahafatesana aza dia manana ireto toetra ireto:
voalohany dia miha-mahery izy manoloana ny sakana amin’ny fanatontosana ny asan’Andriamanitra, tsy miady irery izy fa miaraka aminy ny Tompo.
faharoa dia mitombo sy miha-mafy ny finoany. Ary mitafy ny herin’ny Tompo izy ka mahatsapa fa feno ny Fanahy Masina ka hanahaka ny Tompo ary ho vonona hatramin’ny fahafatesana.
Ny niainan’i Paoly tamin’izany fotoana izany dia sahala amin’ny niainan’I Jesoa.
Samy nahalala ny loza hanjo Azy Jesoa sy Paoly kanefa tsy nihemotra izy.
Andriamanitra dia manana ny hevitra iheverany antsika ary hevitra ahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny fampaherezana ao anatin’ny fotoana farany izay sarotra izany. Teny nentina hampaherezana ny zanak’Israely izany rehefa ho entina any am-pahababoana izy ireo. Manana ny hevitra hiheverany ny olony ny Tompo ary fiadanana fa tsy loza. Misy olona mijoro vavolombelona nitantara izay nahazo azy rehefa voan’ny Corona-virus. Tsy manan-javatra tenenina sy ambara afa-tsy ny vavaka sy ny anaran’i Jesoa. Mahery vaika ny fitsaboana. Hoy izy “Raha amin’izao fotoana izao aho no afaka miantso an’i Pasitera ka afaka maheno ny feon’i Pasitera dia mba zava-dehibe amiko izay ka na dia ho faty aza aho dia fifaliana ho ahy izany satria sady tafahorina tsara tao amin’ny finoana aho no nahazo fampaherezana tamin’ny Mpitandrina.” Rehefa sitrana izy dia niantso ka niteny hoe”Isaorana ny Tompo, omem-boninahitra Jesoa satria nomeny fandresena aho ka mbola sitrany ny hananako tombon’Andro entiko anompoana azy”. Ry Kristiana Amparibe Famonjena, hoy ny Tompo aminao “Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ary aza mierikerika foana ianao fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao miara mandia aminao miaraka aminao ary mijery sy mitsinjo anao hatrany” Tsy maintsy ho resy io aretina io ary omen’Andriamanitra fandresena isika izay mitazona ny finoana an’i Jesoa Kristy. Tao anatin’ny fiaretany nandritry ny fanarahany ny Tompo i Paoly dia hoy izy ”Iza no ahasaraka ahy amin’ny fitiavan’I Kristy, fahoriana va, fanenjehana va fahafatesana va? “
Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika fa mahatoky aho fa na fahafatesana na fiainana na ny ambony na ny ambany na inona na inona amin’izao ady izao dia tsy ahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Teny nampahery ny fiangonan’Andriamanitra fahiny izany teny izany ary mbola ampaherezana antsika ankehitriny. Ry Fiangonana Amparibe Famonjebna ô, matokia fa ny fandresen’Andriamanitra mihitsy, ny fandresen’i Jesoa Kristy mihitsy no nomeny anao mba ho entinao mijoro sy manatanteraka ny asa. Aza kivikivy, aza reradreraka fa mijoroa hatrany, manàna fahasahiana tahaka ny fahasahian’ny Apostoly Paoly izay olombelona tahaka antsika ka nantsoina hanatontosa ny asan’Andriamanitra. Na mafy aza ny aretina na misy aza ny tsy fahasalamana dia mahatokia an’Andriamanitra, mahatokia hatramin’ny fahafatesana satria ao anatin’ny fahatokisantsika hatramin’ny fahafatesana no isatrohantsika ny satro-boninahitry ny fiainana izay omen’ny Tompo mpitsara marina amin’izay fotoana izay. Ary tsy ho antsika irery ihany arak any nambaran’ny Apostoly Paoly fa ho an’izay rehetra mino ny fisehoany koa ka mahatoky hatramin’ny fahafatesana satria manana an’i Jesoa Kristy velona ao anatiny izay miasa tsy manam-petra dia ny Fanahy Masina no mameno azy mba ahavitany ny asan’Andriamanitra sy ny fijoroany ho vavolombelon’I Kristy. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra Amen.
Nanatanteraka hira iray ny Hasin’ny Famonjena taorian’ny toriteny.