Alahady 11 Oktobra 2020 :: Alahady STK

Alahady 11 Oktobra 2020. Alahady ankalazaina ny ivombokatry ny sampana tanora kristiana. Alahady hitondrana ambavaka ihany koa ny SP Andrefana noho ny faha 25 taonany. Mbola mibanjina hatrany ny lohahevitra « Mirosoa amin’ny finoana Masina » isika. Nitarika ny fotoana anio ny Rtoa Fy Rakotomalala, mpianatra ho mpitandrina. Ny nanao ny vavaka sy ny vakiteny dia ireo mpikambana ao amin’ny STK avokoa, Rtoakely Razafindrakoto Mikanto, Andriamampianina Faneva, Andriamampianina Tsanta. Ny nitondra ny hafatra kosa dia ny mpianatra ho mpitandrina Ramilison Diamondra.

Taorian’ny feonjavamaneno fidirana dia nanao anjara hira avy hatrany ny STK « Mahagaga ».

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salama 33 : 12 – 22. Natao ny FFPM 6 : 1, 2. Nanao ny vavaka fisaorana ny mpitarika taorian’izany.  

Nisy feon-javamaneo avy hatrany taorian’izay.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Fotoana ho an’ny Sekoly Alahady

Zoky Rajaonarivelo Yasmina, mpampianatra K7 no nitondra ny fampianarana ho an’ny ankizy. Ny bokin’ny Jeremia 33 : 3 « Antsoy aho dia hoavaliako hianao ka hampisehoaka zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » no nitondrany ny hafatra ho an’ny ankizy.

Nisy tantara nentiny natao fanoharana ny amin’ny hafatra nentiny. Na inona manery antsika dia antsoy foana Andriamanitra.

Vavaka no namaranany ny fotoana izay notanterahiny.

Natao ny FFPM 210 : 1, 4 mialoha ny vavaka sy vakiteny.

Vavaka sy vakiteny

Mialoha ny vavaka dia nambara ny perikopa anio dia ny I Samoela 17 : 42-51, Lioka 17 : 1-6, I Korintiana 16 :13-18 ary novakiana izay avy eo.

Natao ny FF 26 : 2, 3 mialoha ny hafatra.

Toriteny sy hafatra

Ny Lioka 17 : 1-6 no nitondrany ny hafatra. Eny andalana hiakatra ho any Jerosaleman Jesoa sy ny mpianatra eto. Fampianarana ny amin’ny fandeferana sy ny finoana no voalaza eto.

  1. Meteza mitombo amin’ny finoana

Raha raisina eto izany dia misy hetaheta lalina tamin’ny Apostoly « Ampitomboy ny finoanay ». Rehefa nandre ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny Apostoly dia nahatsiaro fa tsy ampy ny finoana izay efa nananany.

Zava-dehibe ny fahatsapana hoe hatraiza moa ny finoana izay hanananao. Ny fananana hetaheta no dingana voalohany raha te hiroso.

Faharoa dia mila manaiky ny tsy fahatanterahintsika isika ka matoky ny fitiavan’i Kristy.

Nanana finoana miezinezina ireto Apostoly ireto. Nanana tanjona ara-pinoana lehibe izy ireo.

Mila manana hetaheta aloha isika voalohany raha te hanao zavatra tsara ka te hanatratra tanjona. Hetaheta hidera an’Andriamanitra, hiaraka amin’ny tanora.

Tokony manao toy ireto Apostoly ireto isika eo amin’ny fiainantsika izany.

Ny fitomboana amin’ny finoana dia entina miaina ny fitsipi-piainana omen’ny Tompo. Ireto avy izany fitsipi-piainana izany :

  1. Ny mpino dia tsy mpanafintohana olona (Loza ho an’ny olona izay miteraka fanafintohinana)

Ny mpino dia mitaona ny olona hanaraka ny Tompo, ny mpino dia mitandrina ny teny, ny tena, ny mpino dia mitsara ny teniny amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra.

Mila manana fahasahiana isika amin’izao fotoana hatrehintsika izao, mila mivoaka amin’ny fahanginana isika noho ny fahatafintohinana ateraky ny toe-draharaha ankehitriny

  • Ny mpino dia mananatra ary mamela heloka

Raha mananatra ny rahalahy dia atao amin’ny fahasoavana izany. Ny fanaranana ny olona dia miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika dia tsy atao amin’ny fo fotsiny.

Jesoa dia efa nampiantra antsika mba hifamela heloka ihany koa. Ny fepetra napetrany nefa dia misy ny fifonana ary misy ny fanekena izany fifonana izany.

Eo amin’ny fiarahamonina dia misy ny fifamelankeloka tokony ho tanterahina toy ny efa namelan’i Jesoa ny helontsika.

MIrosoa sy mitomboa amin’ny finoana amin’ny fanarahana ny Tompo

  • Mampisy ny ts misy ny finoanao

Eo amin’ny andininy 6 dia milaza fa na madinika aza ny finoanao dia mety ahavitanao zavatra lehibe izany.  Ny Tompo ia mitaky fanetre-tena aminao rehefa manao zavatra hianao. Tsy tokony handeha amin’ny herin’ny tena ny olona iray rehefa manao zavatra.

N’inona angatahina amin’ny anaran’ny Tompo dia tanterahiny izany. Raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany dia tanterahiny. Mila mankato sy manana fiombonana aminy isika raha te ho afaka tanteraka.

Tsy voatery hamorona ny tsy misy zay vao hanana finoana.

Ny finoana no hampahiratra indray ny fiainana sy ny fanompona izay tanterahinao.

Tsy tokony hiala sy hampiala ny hafa amin’Andriamanitra ary tokony mangataka fahatokiana amin’Andriamanitra mba ahatontosa sy ahalasa lavitra antsika amin’ny finoana.

Nisy feonjavamano ary nanao ny anjara hira ny STAF « Raha mbola ao ny Tompo ».

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika taorian’izany.

Taorian’izay dia nanambara ny fanekempinona faharoa ny mpiaramanompo rehetra ary nisy feonjavamaneno nanaraka izany.

Tatitry ny sampana

Nanao ny tatitry ny tompon’andraikitra, Atoa Rajaonarivelo Nomena no nanao izany. Nilaza ireo asa vita tao anatin’ny herintaona izy. Anisan’izany ny fanaovana ny tafika masina, ny fanatrehana ny fiofanana sy fivoriana foibe, ny fandraisana anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena.

Nanao anjara hira ny STK « Tehirizo », taorian’ny tatitra.

Raharahampiangonana

Nambara ny raharahampiangonana Rtoa Rakotomanana Andry. Ny mpitandrina miana-draharaha eto ankehitriny dia Rtoa Ramilison Diamondra. Anisan’ny voalaza amin’izany ireto manaraka ireto :

  • Alahady hitondrana ambavaka ny FIFAB anio
  • Mankalaza ny faha 25 taonan’ny SPAA amin’ity taona ity ka nosokafana omaly izany. « Miorena tsara amin’ny finoana hianareo », izany no lohahevitra napetraka amin’izao 25 taona izao. 10 Oktobra 2021 no ivony ary ny 4 Desambra 21 no famaranana ny fotoana.
  • Fidirana roa hatrany no misy amin’ity volana Oktobra ity, amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora. Ny sekoly Alahady dia amin’ny 9 ora hatramin’ny 10 ora. Ny k6 hatramin’ny k10 no manatrika ny fampianarana amin’ny heriny.
  • Ny fianarana Jaona dia ny Jaona 15 no hitondran’ny mpitandrina ny fampianarana
  • Antsoina ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 17 oktobra @ 8 ora maraina
  • Ny rakitra sy voady, adidy dia mitontaly Ar 4 678 300
  • Filazana Manjo : nodimandry Atoa Randriambololona René, maty ny 6/10 teo amin’ny faha 80 taona
  • Ny herinandro manaraka dia an’ny SMZM
  • Hitohy ny fotoampivavahana iarahana amin’ny zokiolona arahina fandraisana ka amin’ny 21 oktobra @ 9 ora maraina no hanatanterahina ny amin’ity volana

Fanoloran-java

Ny zaza Harentsoa Annaëlle Melodia an’i Avo no natolotry ny ray amandreniny tamin’ity Alahady ity. Natao ny hira 480 : 2 natao tamin’izany. NItrotro ambavaka ny fanolorana ny zaza ny Fiangonana.

Rakitra sy fanomezana

Namaky avy hatrany ireo voady sy rakipisaorana ny Atoa Razafindrabe John Bam. Ny hira « Misaotra anao izahay » no nisy nangataka voady.

Ho fanolorana ny rakitra dia ny Ffpm 437 : 3

Nisy feonjavamaneno fohy ary niroso avy hatrany tamin’ny vavaka fangatahampitahiana.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira FF 3 mialoha ny filazana ny tondrozotra sy tsodrano ary ny hira Ffpm 621 : 1 kosa no namaranana ny fotoana

Alahady 23 Aogositra 2020

Alahady 23 Aogositra 2020

"Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino."

 Alahady 23 Aogositra 2020. Ao anatin’ny fotoana fankalazana ny faha 52 taonan’ny Fjkm moa ankehitriny. Atoa Andriamasinoro Tantely no nitarika ny fotoana. Atoa Razafindrakoto Alain sy Rtoa Razafindrakoto Tatamo no nanao ny vavaka sy ny vakiteny ary ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra.

 

 Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra

Ny Salamo 63 : 1-5 no novakiana niderana an’Andriamanitra ary ny hira FFPM 201 : 1, 4 no notanterahina hiderana Azy. Nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ny mpitarika taorian’izany.

Fotoana ho an’ny ankizy

Atoa Rakotoharisoa Michel, biraon’ny Sampana Sekoly Alahady no nanatanteraka ny fotoana.

Vavaka no nanombohany ny fotoana ho an’ny ankizy. « Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho ». Izany teny ao amin’ny filazantsara Jaona 10 : 14 izany no tenin’Andriamanitra nozarainy tamin’ny ankizy.

Izay mamboly paiso dia paiso no mivoaka, paoma dia paoma ary ny fiofanana ataon’ny miaramila dia mba ahavita ny andraikitra zay tokony ho sahaniny izy. Toy izany koa isika ankizy, mianatra ny Soratra masina satria mba ho mendrika tokoa isika eo amin’ny fiainantsika.

Fantatr’i Jesoa isika ka na aiza misy antsika dia miahy antsika hatrany isika amin’ny fiainantsika rehetra.

Raiso ary hianaro ny boky lesona satria ny tenin’Andriamanitra irery ihany no ahafahana mifandray aminy.

Nofaranany tamin’ny vavaka ny fotoana ho an’ny ankizy.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Natao ny hira Ffpm 207 : 1, 2 mialoha ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina. Ny perikopa anio moa dia ny I MPanjaka 19 ; 1-10, Lioka 9 : 18-22 ary ny II Timoty 4 : 9-18.

Natao ny hira Ffpm 210 : 5 mialoha ny hafatra.

 

 

Toriteny

AF mahatahiry ny finoana, mifankatia, miasa amin’ny fahazotoana.

Ny hafatra entin’ny mpitandrina dia nalaina tamin’ny filazantsara Lioka 9 : 18-22.

Ity perikopa ity dia taorian’ny namahanan’i Jesoa ny olona 5 arivo lahy.

Raha nisinda tamin’ireo vahoaka maro ireo Jesoa dia nitsapa ny fandraisan’ireo vahoaka an’i jesoa Kristy. Nametrahan’i Jesoa fanontaniana na ny mpianatra na ireo vahoaka nadray fahasoavana taminy ireo.

MIsy fanontaniana 2 :

  1. Fantatry ny olona tokoa ve ny Tompo
  2. Ahoana no nanambarany ny tenany

  1. Fantatry ny olona tokoa ve ny Tompo

Valinteny tsara no azo tamin’ireo. Nisy valinteny maro azo tamin’izany hoe iza moa Jesoa :

  • Jaona mpanao batisa hoy ny sasany (rehefa tsy teo intsony Jaona mpanao batisa fa notapahandoha dia hoe i Jaona io miverina io indray)
  • Elie mpaminany io

Ny fijerin’ny olona dia efa efa nitsangana tamin’ny maty Izy ary olona tsy iharan’ny fahafatesana intsony.

Ny mpianatra kosa dia nilaza azy toy izao hoe Izy no Kristin’Andriamanitra. I Petera no nitondra ny tenin’ny mpianatra.

Fantatra amin’izany fa ny teny fikasana izay nomena ny vahoakan’Andriamanitra dia ho tanteraka.

  • Ahoana no nanambaran’ny Tompo ny aminy

Niainga avy amin’izay niheveran’ireo vahoaka sy mpianatra ireo no nambarany. Nitondrany hevitra lavitra kokoa izany. Misy finoana ny amin’ny fahamarinan’ny teny fikasana.  

  1. Nambarany voalohany fa zanak’olona Izy : Daniela 7 : 13 dia manondro ilay zanak’olona. Hilazany ny fisandratany any amin’ny voninahitra sy ny fihaviany ary entiny hanambarany ny fifonana ataony ho an’ny olona mpanota nefa mino Azy. Entiny milaza ny fanetre-tenany izany rehetra izany. Tonga ny fotoana ahatanterahan’ny teny fikasany
  2. Nambarany fa izany Mesia izany dia ho ampijaliana sy ho vonoina noho ny mba hanafahany ny fahotan’ny olona
  3. Hitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro fahatelo. Io dia araka ny fitsanganana amin’ny maty voalaza amin’ny fanekempinoana. Ny momba Azy manontolo dia milaza ny amin’ny andro farany.

Ary amiko sy aminao hoy ny mpitandrina dia toy inona no handraisanao Azy ?

Amin’izao fiainantsika izao dia misy rivotra mitsoka ny hoe Jesoa dia mahavita fahaganana manala olana fotsiny eo amin’ny fiainana. Raha izay fotsiny manko dia mitovy amin’ireto vahoaka nanatrika Azy ireto isika. Raha izay fotsiny dia tsy ampy satria mbola misy ilay Mesia nijaly, ho faty nirahin’Andriamanitra.

Misy ihany koa manko ny finoana hoe Ilay razambazahy ve no handeha ho lazaina fa mpamonjy. Aiza ho aiza koa ary isika amin’izany ?

Amin’izao 52 taonan’ny Fjkm izao dia ahoana ny finoanao ?

Kristy ilay zanak’olona tonga ho mpamonjy ve no ifikiranao amin’izany mba hanome fiainambaovao ho anao ?

Mahatsiaro ny asa nataon’i Paoly ny amin’ny fanorenam-piangonana ny mpitandrina ka mahatsiaro ny tatitra rehetra nataon’i Paoly.

Indraindray tokoa isika dia rehefa misy fahasahiranana dia tena mahatsiaro tokoa amin’ny Tompo ary miantoraka eo amin’ny hazo fijaliana mihitsy, nefa rehefa afaka ny olana dia adino ny Tompo.

Mila matanjaka ny finoantsika ka ifikitra Aminy hatrany, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy.  

Taorian’ny hafatra dia nisy feonjavamaneno fohy ary nanao ny anjara hirany ny RFF.

Nanao ny vavaka ho setrin’ny tenin’Andriamanitra  sy fifonana ny mpitarika.

Rehefa izany dia natao ny vavaka fanekem-pinoana laharana voalohany.

Natao avy hatrany ny vavaka fangatahana ny fitahiana izay nofaranana tamin’ny Rainay izay any an-danitra.

Famaranana

Natao ny hira Ffpm 480 : 2 mialoha ny fanononana ny tondrozotra. Nomena ny tsodrano ary ny hira Ffpm 427 : 1, 2 no namaranana ny fotoana.

Tompon-anjara :
  • Naka sy nandrindra ny horonan-tsary : RABEMANANORO Jonathan
  • Nikirakira ny feo : RANDRIAMAHEFA Tianarivony
  • Nandray an-tsoratra : ROBEL Hanitra

Jolay 2020>Tantarampiangonana

Raha jerena eo amin’ny takila voalohany amin’ny fihirana nivoaka tamin’ny taona 1894,  hita fa efa fanontana “fanimpolony” izany, izany hoe raha natonta isan-taona ohatra, efa tany amin’ny taona 1884 tany ho any izany no nivoaka io fihirana io.

Mazava araka izany fa vokatry ny fisalovanan’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO, no nipoiran’ny komity nandrindra ny Fihirana voalohany. Mampisaotra an’Andriamanitra izany satria, tena fandraisana andraikitra lehibe teo amin’ny fivoaran’ny “hiram-pivavahana” izany, ho voninahitr’Andriamanitra.

Haingana dia haingana anefa ny fivoarana, satria tena nifarimbonan’ny tompon’andraikitra isan-karazany ny fandavorariana izany, ka ny misionera efa nahafehy tsara ny fiteny malagasy no niara-niasa tamin’ny Mpitandrina manan-talenta amin’ny hira sy ny tononkira, tafatsangana ny komity nandrindra ny fihirana voalohany nivoaka tamin’ny taona 1894 .

Tsy ela akory tao taorian’izany, niforona  ny komity vaovao, taona vitsivitsy talohan’ny 1902, misionera enin-dahy no tao anatiny dia roa avy amin’ny LMS , roa avy amin’ny FFMA ary roa avy aminy MPF. Ny avy amin’ireo voantendrin’ny komitin’ny Isan’Enimbolana dia miisa enina koa, lehilahy avokoa ireo 12 voatendry rehetra ireo .

Naharitra herintaona ny fihaonan’ny komity isaky ny alatsinainy hariva (4 ora hatramin’ny 6 ora), ny tatitra voarakitra an-tsoratra no nahalalana fa tena fifandresen-dahatra goavana no nifanaovana tamin’izany satria isan’ny nifanazavana ela.

* Tao ny te hampiditra  hira betsaka

* Tao ny te hanaisotra vitsivitsy

* Tao ny te hanaisotra ny hira maintimolaly rehetra

Nifampaherezana ihany anefa ny tsy hisian’ny alahelon’ny olona be loatra amin’ny fitiavany ny hira izay ankafiziny, nefa natao ny fifandresen-dahatra. Akory ny hagagana tamin’ny farany fa izao no niafarany ; nahena ny isan’ny hira ao anatin’ny fihirana, ka ireo hira 400 teo aloha dia lasa 277 sisa, ary ny fanampiny nampidirina any amin’ny farany dia ireto avy :

* «Manan-jara ry Jesosy» noforonin’ny Mpitandrina RAZAFIMAHEFA

* Ny Tsanta miisa 12

* Ny Antema miisa 12.

Raha tsy dinihina tsirairay ireo hira 400 tao amin’ny fihirana edisiona 1894, dia tsy ho hita ireo 53 noesorina tao, ary tsy ho fantatra koa ireo hira 22 nampidirina, ary nisy aza nasiana fanitsiana ny sasany.

Araka izany voalaza rehetra izany sarotra ny fifanarahana, ary faha 12 septambra 1902 nivoaka soa aman-tsara indray ny fihirana vaovao.

Hita fa nandalo fizahan-toetra goavana ny fihirana vao tonga amin’ny endriny ankehitriny, satria mbola handalo ny ambaratonga toy ny sivana sy fanitsiana ary fanamarihana isan-karazany, satria aim-panahin’ny Fiangonana no ventesina ao anatin’ny hiram-pivavahana, ary ny fiainan’ny olona rehetra sy ny olona manontolo no tezaina amin’ny alalan’ny hira. Tsy mahagaga raha sarotra tahaka izany ny lalana nolalovany mandra-pahatongany any amin’ny tanjona tratrariny.

Tsy takona afenina, fa miharihary na dia tsy voalaza aza, ny disadisa sy ny fifandresen-dahatra teo amin’ny fandavorariana izao fihirana edisiona taona 1902 (alahady faha 12 septambra 1902) izao.

Antony maro no nahatonga izany fanamarihana izany, dia izao avy :

* 400 ny isan’ny hira tao anatin’ny Fihirana 1894, nefa nihena ka lasa 277 sisa.

* 12 ny isan’ny misionera nanao tononkira tao amin’ny fihirana 1894, nefa lasa 23 ny isan’ny misionera nanoratra tao amin’ny fihirana edisiona 1902, ary misy vehivavy (mety vadin’ny Misionera angamba) nanatevin-daharana azy.

* 16 ny isan’ny hira maintimolaly, ny roa voalohany dia tafiditra ao amin’ny fihirana 1902, dia ny “Misaora an’i Zanahary (hira faha 2) sy ny hira “Mamy ny fitianao” (hira faha 3), fa ny hira maintimolaly 14 sisa, dia mitondra ny laharana faha 252 ka hatramin’ny faha 277 farany.

Raha tena alalinina ny famakafakana dia tsy maintsy voaresaka avokoa ireo antony rehetra ireo, ary tsy maintsy nisy ny olana nifandresen-dahatra vao lavorary ny asa fanavaozana.

Raha voaresaka lava dia lava ny fitotongan’ny hiram-pivavahana teo aloha dia betsaka kosa ny fanazavana momba izao fihavaozan’ny hiram-pivavahana izao.

Mbola hotohizana

RAJAOFETRA John

Jolay 2020>Vatsimpanahy

Misy anarana maro ilazana ny Fanahy Masina ato amin’ny Soratra Masina: Iray amin’ireny ity antsoina hoe: Mpananatra ity. Ato amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona irery ihany no ahitana Azy, ary Jesoa mihitsy no manonona izany anarana izany. Fanontaniana telo no hovaliana andraisana fampianarana sy hafatra:

– Inona no hevitra sy dikany ary antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra?

– Inona no asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena?

– Inona no tombontsoa azon’ny mino amin’ny fandraisany ny Fanahy Masina?

Maro no valin’ireo fanontaniana telo ireo raha momba ny Fanahy Masina, fa ny anomezana valiny anio, dia ny ambaran’ny perikopa sy ny manodidina azy ihany.

Inona no hevitra sy dikany ary antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra?

Ny hevitra sy ny dikan’ny atao hoe: Mpananatra

Ny teny grika hoe Parakletos no nadika hoe Mpananatra ato amin’ny Baibolintsika (hita ery amin’ny naoty ambanin’ny pejy, n°4). Io teny io, dia teny roa nakambana ho iray: Para (manolotra akaiky), sy ny Kletos (olona voantso).

Olona voaantso hijoro eo akaiky ho tohana sy solovava. Izany no anomezana azy hevitra hoe Mpampianatra, Mpanampy, Mpampahery, Solovava (Avocat).

Araka izany dia manana hevitra momba ny lalàna sy fitsarana Izy ity. Izany indrindra no ilazan’i Jesoa Azy hoe “Mpananatra hafa” (Jao.14/16); satria misy an’io koa eo amin’izao tontolo izao any amin’ny lafiny fitsarana any. Ity Mpananatra ity dia hafa noho ireny, avo lenta, masina, mitoetra mandrakariva ary mandrakizay eo amin’ny mino. Tsy hoe: amin’ny fotoana ilana Azy ihany no eo Izy, na koa hoe any amin’ny raharaham-pitsarana vao ilaina; fa amin’ny androm-piainana manontolo, amin’ny zavatra rehetra sy ny toerana rehetra, ary amin’ny atao rehetra, indrindra amin’izay ijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Ny antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra

Raha ny Filazantsara nosoratan’i Jaona no jerena, dia mizara roa mazava ny teny sy ny hafatra ary ny fampianarana nataon’i Jesoa.

Fampianarana natao ho an’ny be sy ny maro: Jao.2-12. Izay tandrify sy sahaza azy ireny no nambara.

Fampianarana natao ho an’ny antokon’olona miavaka dia ny mpianatra: Jao.13-17. Ny Tompo sy ny mpianatra sisa no miresaka, ary isan’izany izao perikopantsika izao.

Handeha, ka hisaraka tanteraka ara-batana amin’ny mpianatra ny Tompo, dia nampahery azy ireo, ka nilaza ny mahamety izany amin’ny drafi-pamonjena izany.

– Hanamboatra fitoerana ho an’ny mpianatra any amin’izay misy Azy any an-danitra (Jao.14/1-12)

– Mampirisika ny mpianatra hazoto miasa ny asan’ny Tompo hatrany na tsy eo intsony aza Izy; ka manolotra toro-marika amin’ny fanatanterahana izany (Jao.17/12-14)

– Fanambatambazana ny mpianatra mbola hifikitra amin’ny fitiavany an’i Jesoa sy ny fiavahany amin’ny olon’izao tontolo izao (Jao.14/15-17)

– Fampahafantarana fa tsy ho kamboty velively ireo akory na tsy ho eo aza Izy. Izao tontolo izao no tsy mahita Azy; fa ny mpianatra kosa dia mahita Azy am-panahy noho izy ireo mitandrina ny didiny (Jao.14/18-21)

– Fanamafisana, fa izay tia ny Tompo no tia ny Ray koa. Ireny no mitandrina ny teniny ka ny Mpananatra ho tonga no hampianatra azy ireo indray (Jao.14/22-26)

Inona no asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena?

Tsy misy asa hafa ataon’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena ankoatra izay efa vitan’i Jesoa Kristy. Ny andraikiny kosa, satria efa tanteraky ny Tompo izany dia ny mampianatra ny mpianatra ny teny sy ny asa ary ny fiainan’ny Tompo natrehin’ny mpianatra niaraka taminy. Fanampin’izany dia miasa ao amin’ny mino ny tenin’ireto vavolombelon’ny finoana an’i Jesoa Kristy ireto.

Mampianatra ny mpianatra ny Mpananatra

Raha ny ato amin’ny perikopantsika no jerena, nanononan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra dia ireto roa ireto (na dia maro noho  izany aza izy).

Mampianatra: Tsy eo mivantana intsony ny Tompo, fa ny Fanahy Masina, Izay nirahin’ny Tompo avy amin’ny Ray no mampianatra ny mpianatra. Miasa ao anatin’ny fo sy saina ary fanahin’ny mpianatra. Izy no mametraka ny zavatra rehetra ao am-bavan’ny mpianatra izay tokony ho lazainy amin’ny fotoana samihafa. Izy no mitarika azy ireo handeha amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, ary ny fahendrena  eo amin’izao tontolo izao.

Vavolombelon’ny Tompo mihitsy ny Fanahy Masina sady Mpananatra mahavita azy.

Hampahatsiaro ny zavatra rehetra izay nolazain’ny Tompo tamin’izy ireo

Asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny mpianatra ny fampatsiahivana mba tsy hisy hadino na tsy tadidy fa ho tafaverina ao anatin’ny fo sy saina ary fanahy avokoa ny fampianarana; ny asa, ny teny, ary ny fiainan’ny Tompo rehetra tety an-tany. Tsy hisy ho latsaka na dia kely aza izany, fa ho marina, sy tena izy ary mazava amin’ny mpianatra tokoa izay heviny. Hita ny fanamarihan’ny mpianatra an’izany ao amin’ny Filazantsara nosoratany: Oh: Mat sy Jao

– Jao.7/39: “… fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesoa tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny

– Jao.2/19-21: “fa ny tenany no tempoly nolazainy

Raha raisina amin’izao mahakasika ny fanadinan’ny mpianatra ny Fanahy Masina, dia sady manao “vision” no mampanao “révision” ireto mpianatry ny Tompo ireto. Misy ny ampianarina hino tsara, misy ny ampahatsiahivina ho lalimpaka sy hitombo ary hitohy.

Azo ambara toy izao àry ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena

– Manamafy sy mahalalim-paka ary mampitombo ny finoan’ny efa mino Izy.

– Manorina finoana marina sy madio ary masina ho an’izay nisy fisalasalana na mbola miroaroa saina.

– Miteraka finoana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra ho an’ireo izay mbola tsy nahalala mihitsy Izy, ka hahatonga ireny ho andiany ho iray amin’ireo izay efa ao am-bala, dia ny Fiangonana izany.

Ny tombontsoa azon’ny mino amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina

Tsy tambo isaina, ary tsy ho voatonon’ny vava ny tombontsoa azon’ny mino avy amin’ny Fanahy Masina. Ny ambara kosa, dia izay lazaina ny amin’ny maha-Mpananatra Azy eto araka ny ambaran’i Jesoa. Izay efa azon’ny mpianatra rehetra, dia azon’izany rehefa mino koa any aoriana, ary mihoatra noho izany aza, satria ny vanim-potoana iainana samy hafa. Azon’ny mino ho tombontsoany avokoa ireto:

– Tsy malahelo izay nodimandry ao amin’ny Tompo izy, satria ampianarina sy ampahatsiahivin’ny Fanahy ny tenin’i Jesoa (Jao.14/1-11).

– Toy izany koa: matoky ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny mino noho ny asan’ny Fanahy Masina.

– Mahavita asa lehibe ny mino, fa mahazo valim-bavaka avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Jao.14/15-24)

– Mandray fampianarana ny fampahatsiahivana mandrakariva sy ho mandrakizay ny asam-pamonjena vitan’ny Tompo sy ny finoana izany (Jao.14/25-26)

– Mitombo sy mihalalina ary avo lenta ny finoan’ny mino noho ny asan’ny Fanahy Masina ao aminy (Jao.14/27-31)

Oh: Finoana ny amin’ny Trinité. Raha miresaka izany dia tsy ho azon’ny olona mino an’Andriamanitra tokana. Ankehitriny kosa, noho ny Mpananatra azo sy raisin’ny mino dia  ambarany faAndriamanitra Tokana no Andriamanitra ivavahany saingy  misy “persona” telo.

Fehiny

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina. Amin’ny maha-Mpananatra Azy dia velona sy azo antoka ary mitombo ny finoan’ny kristiana an’Andriamanitra Telo nefa iray.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena. RAHARIJAONA Solofonirina , Mpitandrina

Jolay 20>AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO

Tsianjery : “Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.” (Lioka 8: 39b)

Efa tanterak’i Kristy ny fanafahana antsika tamin’ny asam-pamonjena lehibe namoizany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Isika anefa ve tena te ho afaka amin’ny gadra rehetra mamatotra antsika?

Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo». (Jao 8:36)

Andriamanitra manafaka ny olony : Faharavoravoana mandrakizay no hanaraka izay nohafahan’i Jehovah. Eny hifaly tokoa amin’izany izy satria fantany ary ambarany mandrakariva ny nanavotana azy tamin’ny fomba mahagaga.(Isa 51:9-11). Ny fanafahan’Andriamanitra dia izay mampiala antsika tamin’ny fahaverezana fahiny ho amin’ny fiainam-baovao hanjakan’ny fitahiana mahatretrika. Mahatoky tokoa Izy ka manome fiadanana tsy manam-petra  ho an’izay manaiky hangoniny ao am-balany. (Jer 31:10-14). Tsy haintsika hampanginina izay ampitenenan’ny Fanahy antsika ny amin’ny fanafahan’Andriamanitra antsika. Izy no nifidy antsika ho olony sy ho olona afaka, misitraka ny fitahiany sy ny fombàny. (2 Sam7:17-24). Aoka tsy hisy hihevitra ny hohamarinina amin’ny lalàna isika. Efa an’i Kristy isika, fahasoavana no namonjena sy nanafahana antsika, koa aoka ny finoana ihany no hanesika antsika ho amin’ny asa tsara, izay ataon’ny olona afaka amin’ny fitiavana. (Gal 5:2-6)

Olona afaka ao amin’i Kristy: Ny olona afaka dia mandà izay mety faharatsiana rehetra ary maharikoriko azy ny fiharoharoana amin’ny mpanao ratsy. Manalavitra ireny tokoa izy satria efa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny famindram-po lehibe. Fideràna sy fisaorana no zary tiany hameno ny fiainany hanehoany ny fahafahany. (Sal 26 :1-12). Izay nohafahan’ny Tompo dia tsy menatra ny hitory sy hanambara ny amin’ny fomba nanafahana azy. Mety hihomehy sy haneso azy tokoa ny olona noho izany, anefa fantany izay inoany ary mainka aza ho reharehany izany. (Jao 9 :30-38). Izay nohafahan’ny Tompo dia lasa olom-baovao tanteraka. Mety hampitolagaga ny olona izany fa mety hampatahotra ny hafa koa. Isika anefa tsy maintsy manambara ny hasarobidin’ny asan’i Kristy tamintsika, satria vavolombelon’izany indrindra isika. (Lio 8 :34-39). Ny olona nohafahan’ny Tompo dia mangetaheta ny

hitoetra lalandava eo anilany. Fa ny Tompo kosa anefa dia mbola maniraka azy ihany hiverina eo anivon’ny fiarahamonina mba hitory sy hanambara amin’ny maro izany fanafahana izany. (Lio 8 :38-39). Ny fiainana ao amin’ny Fanahy dia manafaka amin’ny fihevitry ny nofo izay mitondra fahafatesana. Ny olona afaka dia izay efa nandà ny fitarihan’ny nofo ka nisafidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom 8: 1-8). Izay efa nandray ny fanafahana ho amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy dia mila mahay mifampahery mba hielezan’ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. (2Tim 2 :1-2). Mitaky faharetana sy fiaretana ny fihazonana ny fanafahana izay nomen’ny Tompo antsika satria ety an-tanim-pihazakazahana isika, ka izay mahonon-tena ihany no handray ny satro-boninahitra sy hiara-belona Aminy rahatrizay.(2Tim 2 :3-13)

Fehiny : Aza fehezina ho anao irery izay namonjen’ny Tompo sy nanafahany anao. Aza miahotra ny hanambara izany hatrany amin’ny mpitondra avo amin’ ny firenenao, dia toy izay nataon’i Paoly fahiny; fa raha manao izany ianao dia hahafaka fanahy maro tokoa. (Asa 26 :12-18)

Ambarao i Kristy Ilay Mesia, eny ilazao ny rehetra fa efa tonga ilay Mpanafaka antsika. Efa noravany ny efitry ny fampisarahana rehetra, ka ny olona rehetra na lahy na vavy, na kely na lehibe dia afaka manambara ny amin’ny fanavotany avokoa.(Jao 4 :25-30)

Koa efa mby amintsika ankehitriny ny fanafahana, ary efa maro izay efa nositranin’ny Tompo sy

nohafahany tamin’ny endri-pangejàna maro. Ndeha àry hotorintsika ny amin’ny fahasambaran’ny olona afaka marina ao amin’i Kristy. (Lio 7 :18-23)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika olona afaka kosa ny fiadanana.

Amena !!!                                                                             Vaomieran’ny Aim-Panahy

Alahady 05 Jolay 2020

Alahady 05 Jolay 2020

 » Ambarao ny fahafahanao amin’ny Tompo « 

Ambarao ny fahafahanao amin’ny Tompo. Izany indray no lohahevitra banjinintsika Fjkm amin’ity volana Jolay ity. Alahady voalohany ity faha 05 Jolay ity, Alahady fahaefatra manaraka ny trinite ary Alahady ivombokatry ny sampana Taniketsa. Ny filohan’ny sampana Atoa Ranivoson Toky no nitarika ny fotoana, Atoa Rajaoarisoa Lala Herizo no nanao ny vavaka ary Atoa Rabiazamaholy Haga sy Randriambeloson Sitraka no nanao ny vakiteny. Ny mpitandrina Raharijaona ihany no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nitondrany ny fotoana.

Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra

Ny Salama 103 : 1-5 no novakiana niderana an’Andriamanitra. Rehefa izay dia natao ny hira Ffpm 427 : 1, 2, 3. Nanao ny vavaka ny mpitarika ary rehefa izany dia nanambara ny sitrapon’Andriamanitra.

Natao ny hira Ffpm 511 : 1 ho setrin’izany sitrapon’Andriamanitra izany. Natao ny vavaka fifonana  ary natao ny hira Ffpm 426 : 1. Nambara ny teny famelankeloka ary natao ny hira Ffpm 538 : 2.

Ny fanekempinoana laharana voalohany no natao ho fanavaozana indray ny fanolorantena.

 

Nisy feonjavamaneno ary dia niroso tamin’ny tantara ho an’ny ankizy.

Fotoana ho an’ny ankizy

Atoa Rajaofetra Eric, tompon’andraikitra ny K1 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy. Natombony tamin’ny vavaka izany ary ny tenin’Andriamanitra izay nitondrany hafatra teto dia ny Joba 22 ; 21 « MIfankazara amin’ny Tsitoha hianao dia hiadana ». Nitondra tantara iray izy nanazavany izany hafatra izany ary nofaranana tamin’ny hira Ffpm 790 : 1, 2 izany.

Nisy ny hiran’ny STAF « Ray ô, inty » taorian’izany. Noho ny tsy fifanatrehana moa dia samy nanao fakana feo tany antranony avy ny ankizy ary natambatry ny tompon’andraikitra

 

Niroso avy hatrany tamin’ny fiomanana amin’ny soratra masina sy ny hafatra ka natao ny Ffpm 207 : 1, 3 mialoha izany.

Soratra masina sy hafatra

Niroso tamin’ny vavaka mialoha ny vakiteny ny tompon’anjara ary avy eo dia novakiana ny teny. Ny perikopa anio moa dia ny Isaia 51 : 9-11, Jaona 9 : 30-38 ary ny Asan’ny Apostoly 26 : 12-18.

 

Natao ny hira Ffpm 202 : 1, 2 mialoha ny hafatra

Toriteny

Ny filazantsara araka ny Jaona no nitondran’ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny hafatra.

Perikopa tafiditra amin’ny fotoana nifandiran’ny mpitondra fivavahana ny amin’i Jesoa Kristy ity etoity. Araka ny voalaza ao amin’ny filazantsara dia nisy lehilahy iray izay teraka jamba nefa dia sitrana rehefa noahafahan’i Jesoa Kristy.

Nanahirana ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny Jiosy io toe-javatra iray io. Nanadihady hatrany amin’ny ray amandrenin’ity lehilahy jamba ity ireo mpitondra fivavahana ireo satria dia te hiampanga an’i Jesoa Kristy ireo. Ilay lehilahy izay jamba hatramin’izay tokoa manko no nahagaga ireto mpitondra fivavahana ireto. Izay no itondran’ny mpitandrina hafatra amin’ity anio ity.

Nanambara ny fahafahany tanteraka izy ary fahafahana roa tonta no azony tamin’izany dia fahafahana ara-nofo ary fahafahana ara-panahy ihany koa.

Fahafahana ara-nofo

Ny olona jamba dia olona tsy mahalala afa-tsy ny loko mainty. Ny alina sy ny aizina no mandrakotra ny fiainany. Rehefa nahita izy ary dia afaka nahita loko hafa ankoatra ny mainty ary lasa olona afaka niaina ny mazava, ny andro sy ny alina.

Rehefa nohadihadin’ireto mpitondra fivavahana izy dia tsy nisy azony lazainy afatsy ny fahafahany. Nijoro hatrany hatramin’ny farany noho izany fahafahana azony izany izy.

Nisy moa ny fanontaniana nipetraka hoe izy ve no nanota sa ireo ray amandreniny. Fahiny manko dia vokatry ny ota matoa misy takaitra mahazo ny taranaka. Namaly nefa Jesoa fa tsy noho izy na noho ny ray amandreniny no nahatonga azy ho jamba fa fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny voninahitr’Andriamanitra dia ho an’ny rehetra. Izay dia tena aseho eto tokoa satria ity jamba ity dia olona madinika, tsy dia misy miraharaha loatre teo amin’ny fiaraha-monina. Na mahantra hianao, na marary, na ireo efa voahilikilika azy dia afaka hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra avokoa.

Ny Isaia 51 : 9-11 dia tantara manambara fa ny zanak’Israely dia babo tany Babylona. Efa nanome ny teny fikasana azy ireo Andriamantira fa ho afaka izy ireo ary hody any an-tanindrazany. Rehefa Adriamanitra no miteny dia tsy maintsy tontosa. Manambara ny herin’Andriamanitra ity bokin’Isaia voalaza eto ity.

 

Fahafahana ara-panahy

Noroahan’ireo mpitondra fivavahana ilay jamba raha toa ka tsy nahazoany teny izay eritreretany fa mety azo hanenjehana ny Tompo.

Ity lehilahy izay rehefa nifanena tamin’ny Tompo taty aoriana dia lasa nangetaheta sy te-hahalala ny Tompo. (andininy 36-38). Azon’Andriamanitra atolotra izay mangetaheta Azy ny famonjena.

Dia toy izany koa ny boky ao amin’ny Asan’ny Apostoly, perikopa anio miala ny ny amin’ny Paoly Apostoly izay afaka roa sosona.

Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Manana izay hanafahana anao amin’izay manahirana anao ny Tompo. Eo amin’ny fiainantsika dia misy ireo fahazarantdratsy izay fanaontsika. Ny Tompo irery ihany no afaka manafaka antsika amin’izany.

Eo amin’ny sehatrintsika Fjkm, ny asan’ny Fiangonana dia ny hanafaka ny olona rehetra. Amin’izao fiainantsarotra izao dia tokony ahatoky an’i Jesoa Kristy isika. Manana ny rafitra hitondrany ny fiainantsika ny Tompo. Tokony hanao toy ny zanak’Israely, na dia mbola tany amin’ny fahababoana aza dia efa mifaly sahady satria Izy Andriamanitra mihitsy no mapanantena antsika.

Na ny fifandefasantsika vaovao eo tambazotrantsika aza dia efa fifampizarana lehibe.

Ivon’ny taniketsa anio , io sampana io dia famolavolana ankizy, fanomanana azy ireo mba ho olom-piangonana. Izay mahakolokolo no manana ny soa hoy ny hira Ffpm 787. Ny sampana dia hitaizana ny ankizy mba hanana fiainam-panahy manomboka any amin’ny fahazazany, hiditra mpianatra katekomena, ho lasa mpandray ny fanasan’ny Tompo, hanohy ny fanompoana amin’ny alalan’ny hira. Ireo no hoavin’ny Fiangonana. Anisan’ny fitaizana dia asaina mihaino toriteny ny ankizy ary mandray an-tsoratra izany.

 

Nisy ny anjarana hiran’ny Antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, « Afak’olana » taorian’ny hafatra.

Famaranana ny fotoana

Rehefa izany dia nanao ny vavaka fangatahana ny mpitandrina ary nofaranana tamin’ny Rainay izay any an-danitra… 

 

Natao ny hira Ffpm 642 : 1, 2, nambara ny tondrozotra 2020 ary natolotra ny tso-drano. 

 

Natao ny hira Ffpm 414 : 1, 2 namaranana ny fotoana.

Lahatsoratra : Robel Hanitra

Sary : Ranaivoson Joel

Nampita ny horonan-tsary : Rabemananoro Jonathan, Raharijaona Nirina,

Fanamafisam-peo : Tina Arivony

Jona 2020>Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

“ Tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry” Efesiana 5: 15

Tena ara-bakiteny mihitsy ny fivoaran’ny hiram-pivavahana vokatry ny fandraisana andraikitra nataon’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO tao amin’ny fivoriamben’ny Isan’Enim-Bolana tamin’ny

fivoriana ara-potoana tao Ambonin’Ampamarinana.

Mampalahelo ihany fa ny anarany irery no voarakitra an-tsoratra (ny marimarina kokoa dia ny anarana hita), fa vokatry ny hetsika nataon’ny kristiana katolika tao Fianarantsoa indrindra izay naharaisana tatitra no niaingan’izao fivoaran’ny hiram-pivavahana izao, satria ara-tantara dia voasakana ny ankizy tsy hanatrika ny lamesa misasak’alina fa ny lehibe kosa (na ny kristiana protestanta aza), dia nirohotra avokoa nanatrika satria mbola nanana endrika fahatsiarovana ny andro FANDROANA fahiny izany, ary NIVARINA niaraka tamin’izany ny hiram-pivavahana.

Dia rototra avokoa ny Misionera sy ny Mpitandrina indrindra indrindra,nanangana Komity niara-nandinika ny fanavaozana ny tahirin-kira mifanaraka amin’ny foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny fanompoam-pivavahana ka nametraka lohateny tamin’ny hira tsirairay (Fihirana disiona 1894; Laharana 1 ka hatramin’ny laharana faha 168)

Dia toy ny Diksioneran’ny Fihirana no voarakitra an-tsoratra ao anatin’io Fihirana io ary ny laharana faha 169 ka hatramin’ny faha 400 dia tsy nisy lohateny intsony, mazava tsara kosa fa vokatry ny fandinihana LALINA sy feno RISI-PO no naha lavorary izao fanavaozana izao.

Mizara roa mazava tsara ireo hira 168 voalohany fa tononkira sy feon-kira tena malagasy na dia tsy voasoratra aza ny anaran’ny mpamoron-kira fa ny sasany kosa dia feon-kira nentin’ny Misionera avy any ivelany ka ny tononkira no nadika (malaladalaka), na nanaovana tononkira mifanaraka amin’ny feon-kira…Vitsy dia vitsy ny tononkira lavabe amin’ny andininy iray ary avy hatrany dia tsapa fa nanaovana fandinihana lalina izy rehetra ireo vao nalamina ho ao anaty fihirana ary na dia tsy voalaza aza ny mpanoratra ny tononkira dia ampoizina fa olona manana ny maha izy azy avy ireo nanoratra ireo.

Malahelo ihany ny mpitantara fa tsy ananana ny boky mirakitra ny feon-kira afa-tsy ireo vitsy dia vitsy TAFITA ho ary amin’ny fihirana FFPM ankehitriny.

Manomboka eo amin’ny hira laharana faha 169 kosa dia isaorana an’Andriamanitra fa misy ny anaran’ny Mpamorona ny tononkira rehetra ary mahavariana ny fifehezan’ny Misionera ny teny Malagasy sy ny fahaizany mandrindra izany amin’ny feon-kiram-pivavahana satria amin’ny maha tononkira FOHY azy, dia tena sarotra tokoa ny mamintina ny foto-kevitra teolojika ao anatiny, ary tena fanomezam-pahasoavana nilofosany fatratra matoa vitany lavorary tsara izany.

Ny tononkira noforonin’ny kristiana Malagasy koa dia tahaka izany ihany satria tena Teolojia lalim-paka no voarakitra ao anatin’ny tononkira fohy, izay mibanjina ny foto-kevitra isan-karazany araka ny voalaza etsy aloha.

Mbola mety hisy ihany ny fomba hamoahana ny tononkiram-pivavahana voarakitra ao anatin’ity Fihirana edisiona 1894 ity, satria harena sarobidy ho an’ny taranaka ankehitriny, indrindra izay te handalina ny literatiora kristiana momba ny tononkiram-pivavahana satria tononkalo fohy dia fohy, nefa kanto dia kanto tokoa ary mirakitra hevi-dalina sarobidy mirakitra tantara.

Soso-kevitra mandalo ihany izany fa raha misy ny faniriana tiana ho tanteraka dia ho hita miandalana ihany ny handavorariana izany.

Efa voalaza teo aloha fa mizara roa ny mpanoratra ny hira ao amin’ny fihirana nivoaka ny taona 1894 ka manomboka eo amin’ny laharana faha 169 hatramin’ny faha 400 farany dia Misionera avokoa no nanoratra azy miaraka amin’ny Mpitandrina sy kristiana laika malagasy ary mahavariana ny nandaminan’ny Komity nandrindra azy, fa azo lazaina fa: “Mpanakanto” avokoa ireo nanoratra ireo, na Malagasy na Misionera Anglisy.

Ireto avy ireo Misionera nanoratra ny tononkira ao amin’ny Fihirana LMS nivoaka ny taona 1894/ Rév. J. RICHARDSON, Rév. R. HARTLEY, Rév. R. BARON, Rév. RH HOULDER, Rév. A KINGDOM, Rév; WE COUSINS, Rév; ET PRICE, Rév. GW PARKER, Rév. AE BROCKWAY, Rév. R TOY, Rév. L STREET, Rév. JS SEWELL.

Ireto kosa ny mpanoratra tononkira Malagasy: RAMAHANDRY, J ANDRIANAIVORAVELONA, RADAFINE, RAJAONARY, P RANIVO,

RANAIVO, ANDRIANONY, RAMBOATIANA, ary RAINIZAFIMANGA (Raiben’ny Renin’ny mpanoratra…)                    

 Mbola hotohizanaRAJAOFETRA John

Jona 2020>Mihavana ao amin’ny Tompo

Tsianjery : « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.» Levitikosy 19 :18

Efa nandao Ilay Fitiavana voalohany isika, fa ankehitriny kosa dia Jesoa Kristy mihitsy no ilay tena FAMPIHAVANANA antsika : dia isika amin’Andriamanitra ary koa amintsika samy olona.

Ny fihavanana ao amin’i Kristy : Mikatsaha mandrakariva izay tsara ho an’ny namanao, fa indrindra ny iray firenena aminao; alaviro izay rehetra fifanaratsiana, mananara ny mpanao ratsy fa hanadinan’Andriamanitra anao tokoa ny amin’izany ka mba tsy ho heloka ho anao ny tsy fanaovanao izany. (Lev 19:16-18).

Koa raha Jehovah Tompo aza namindra fo tamintsika izay mpanota tsy mendrika akory ; nahoana kosa isika no tsy mba hanahaka Azy, ka hifanisy soa sy hifampitsinjo marina,  hitoeran’ny fiadanany eo amintsika ? (Zak 8:14-17). Manahafa an’i Kristy, fa indrindra amin’ny fitiavana, izany no ahitan’ny olona antsika fa mpianany tokoa isika. (Jao 13:34-35).

zay tena tia tsy mba manandra-tena, fa mametraka mandrakariva ny hafa ho mihoatra noho ny tenany. Aza avela hisy aminao hahasakana anao tsy ho tia ny hafa. Izany no tena asam-pamonjena araka ny hafatry ny Tompo: dia famonjena ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa koa. (Mar 9:33-50).

Izay nahatanteraka ny tena fitiavana marina, dia toa izay efa nahatanteraka ny didy  rehetra nomen’ny Tompo: koa tiava ny namanao tahaka ny tenanao. (Rom 13:8-10).

Asehoy amin’ny fitondran-tena tsara ny asan’ny Fanahy Masina ao aminao: madio, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be vokatsoa, tsy mihanahana na mihatsaravelatsihy. (Jak 3:13-18)

Kristiana mahatandrina fihavanana : Fadio izay rehetra mety hanimba ny fiaraha-moninao, na avy amin’izay hiditra ny vavanao izany na izay haloaky ny molotrao. Ny adala no tsy mba mitandrina izay ataony, satria izy te hanisy fahatafintohinana ho an’ny hafa mandrakariva. (Oha 20:1-3)

Raha azo atao dia mihavàna amin’ny olona rehetra, izany no fifampirisihana tsara indrindra mety ataontsika. Ny fifampiandaniana mandroaka ny firaisan-tsaina, satria mandranitra ny fanambonian-tena. (Fil 2:1-4).

Araraoty ny fotoana ahazoanao mamitrana izay fihavanana rava rehetra, dieny tsy mbola tara loatra. Raha tsy manao izany ianao dia toy izay mampitatao fanamelohana eo an-tampon-dohanao. (Mat 5:25-26).

Izao tontolo izao sy ny fampisarahany dia mety hahalavo tokoa izay tsy miambina tsara.Tehirizo ny fonao hadio fa lehibe loatra ho antsika ny hahajoro tsy manan-tsiny eo anatrehan’ny Tompontsika rahatrizay. (Lio 21:34-36).

Ao amin’Andriamanitra no misy ny fihavanana marina, dia ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina; mifalia isika raha efa ao amin’ny Tompo tokoa, fa izany no hitoeran’ny fiadanana ho amintsika sy ho amin’ny firenentsika. (2 Kor 13:11-14)

Fehiny : Eto dia hitrikitrihintsika tokoa ny hoe « Fihavanana maha kristiana » (mihavana ao amin’ny Tompo), satria tena misy tokoa mantsy ny endrim-pihavanana hafa toy ny hoe : fisakaizana ratsy, firaisana tsikombakomba, firahalahiana anaty fanompoan-tsy izy, sns maro mbola azo tanisaina.

Katsahin’ny devoly fatratra tokoa amin’ny fomba rehetra ny hampisaraka ny olona samy olona, fa indrindra izay tena iray aina. Nefa endrey ny hatsarana rehefa mifankatia isika ka amirapiratan’ny Voninahitr’Andriamanitra. (Sal 133).

 Koa mandrakariva, aoka ny fitiavana sy ny fihavanana no hanetsika antsika, fa izany no hahatanterahan’ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika, Izy izay manambara amintsika fa zanak’Andriamanitra marina isika.

Izay mamafy ny voan’ny fihavanana dia mitory an’i Kristy FAMPIHAVANANA. (Jak 3:13-18)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika tia fihavanana kosa ny fiadanan’ny mpiara-dia amin’ny Tompontsika. Amena !!!                               

 Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

Jona 2020>Mihavàna ao amin’ny Tompo

Perikopa: 1Sam.10 :1-10 ; Jao.20 :21-23 ; Asa.4 :27-31

“Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany, dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.” Asan’ny Apostoly 4 : 31.

Ny voalohany asan’ny Fanahy Masina teo amin’ny Fiangonana dia ny nanome fahaizana miteny amin’ny fiteny samihafa, naka ny endriky ny lela mitarehin’afo (Asa.2:1-4). Ny faharoa kosa dia ity eto ity (Asa.4:27-31), ny fahasahiana mitory ny Tenin’Andriamanitra. Voalaza tamin’ireo roa ireo, fa samy feno ny Fanahy Masina avokoa ireo nanao izany.

Tany amin’ny 1Mpan.19 : 11-13, nisehon’Andriamanitra tamin’ny Elia mpaminany, dia ireto no famantarana voalaza: rivotra sy horohorontany, afo, ary feo. Ny telo tamin’ireo dia niseho tao Jerosalema tamin’ny andro Pentekosta. Eto kosa – ilay fahaefatra, dia ny horohorontany-,  dia eto ihany hita eto.

Araka ny hita ato amin’ny perikopa dia nivavaka nangataka io fahasahiana ny hitory ny Tenin’Andriamanitra io no nataon’i Petera sy Jaona sy ireo namany tafangona tamin’ny toerana iray. Fa nahoana? Fa maninona raha ny handresy ny fahavalony? Lalina loatra ny hevitry ity atao hoe: fahasahiana ity: parrhsiaV avy amin’ny hoe: par-rhsia (31):

fahatokiana sy fahakingana no ambarany. Izany dia asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olon’Andriamanitra, mitarika azy hahomby amin’ny fanatanterahana ny asa.

Fahasahiana fahatokiana

Ny olona feno ny Fanahy Masina no manana io fahasahiana FAHATOKIANA io. Ao anatin’izany fahasahiana fahatokiana izany dia tsy misy intsony ny fisalasalana, ny fahatahorana, na miahotra. Ny fahavononana hanao zavatra ho an’ny Tompo no mibosesika ao anaty. Izany koa no hevitr’ilay horohorontany niseho: mandrava sy manongotra ary manala ireo mety ho sakana rehetra tsy ahafahana manao ny asan’Andriamanitra. Hita tamin’ny andron’i Elia izany, teo amin’ireo apostoly sy ny namany niara-niangona taminy. Olona avy nosamborina, notsaraina teo amin’ny Synedriona ireo roalahy ireo, ary norahonana tsy hitory na hampianatra intsony ny anaran’i Jesoa (Asa.4 : 8-20).

Ny fandresena, dia amin’ny fotoana isian’ny ady ihany no miseho. Ny fahasahiana mitory kosa dia asan’ny olon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo. Azo ny  fandresena rehefa vita ny asa.

Ao anatin’ny fahatokiana ny finoana sy fanantenana fa hahavita zavatra sy fahombiazana amin’ny atao ary ny fandresena mahatretrika.

Toy izany no nilazana tamin’i Saoly mpanjakan’Israely fahiny rehefa nohosorana ho mpanjaka izy hoe: “Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao” (1Sam.10/7). Nomen’Andriamanitra fo vaovao izy, ka tonga taminy avokoa androtr’iny ny famantarana rehetra, noho izy nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra… (1Sam.10/9-10).

Afaka mangataka izany rehetra izany amin’Andriamanitra ihany koa isika rehetra, ry havana.

* Ny ho feno ny Fanahy Masina;

* Ny hahavita zavatra ho an’ny Tompo;

* Hisy fahombiazana amin’ny atao rehetra;

* Fiandrandrana fitahiana mahatretrika;

* Fampandrosoana ny Fiangonana sy ny fiainanao manokana;

Ry Amparibe Famonjena, sahia ary matokia ny Tompo.

Fahasahiana fahakingana

Ny hoe: feno ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masina no mitarika sy mampandeha ny olon’Andriamanitra ary mampanao ny asa rehetra izay kasainy hotontosaina. Tonga kinga sy havanana ary kalaza amin’izay atao izy. Eto ny apostoly roa lahy (Petera sy Jaona), dia ny mitory ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hevitr’ilay teny hoe:  parrhsiaV  midika: fahasahiana no tao aminy. Izao no hevitr’ izany teny izany: fahaizana mandaha-teny tsara, mahagaga, kanto. Ireo hevitra voalaza rehetra ireo dia ianarana sy ilofosana sady folahina tsara vao hay. Mila vola, fotoana, fahalalana vao afaka manao izany…

Eto anefa, rehefa feno ny Fanahy Masina dia mahazo izany. Maha-tsiaro ny tenin’ny Tompo hoe: “Koa raha ianareo na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?” (Mat.7:11; Lio.11:13). Misy zava-tsoa ho antsika azo ampitahaina amin’ny Fanahy Masina tokoa va? Nahay nangataka ny apostoly Petera sy Jaona ary ireo namany ny amin’ity fahasahiana,  fahakingana mitory ity.

• Fahaizana mandaha-teny tsara:

mazava tsara izay lazaina, mirindra, azon’ny besinimaro ny hafatra entina: ny manam-pahalalana, ny olon-tsotra, eny na ny bado aza.

Kanto: mahaliana, mahafinaritra, manintona, miantefa any amin’ny fo sy saina ary fanahy, mambabo, mahasarika, maha-te hijery na hihaino hatrany.

• Mahagaga: mahavita zavatra tsy takatry ny saina, mandresy ny sarotra rehetra, tretrika tokoa. Miseho ny voninahitr’Andriamanitra amin’izay zava-bita.

Hita sahady tamin’ny asa nataon’izy roalahy, anton’ny nisamborana azy izany. Izy ireo dia tsy mpahay lalàna, na nampianarina “Rhétorique”. Fantatra kosa fa efa niaraka tamin’i Jesoa (Asa.4 : 13).

* Nahasitrana olona marary efapolo  taona nitondrana izany  aretina izany.

* Nampitolagaga vahoaka tamin’ny teny sy ny asa natao.

* Natahotra ny hanao ratsy azy ny synedriona sy ny mpanapaka; fa nisambotra azy ary dia nandefa azy avy eo (Asa.4 : 15-22).

Rehefa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo, dia nanome fahefana ireo apostoly ireo Izy. Ny Fanahy Masina no tompon’antoka amin’izany hatrany an-danitra sy ny ety an-tany (Jao.20:21-23), ho fandaminana ny Fiangonana  sy ho fampandrosoana ny ambaindain’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mangataha hofenoina ny Fanahy Masina hanananao fahasahiana feno hakingana rehefa antsoin’ny Tompo amin’ny fanompoana. Ianareo tompon’andraikitra rehetra anaty rafitra indrindra no entanina amin’izany. Ianareo nanolo-tena nianatra any amin’ny SEFALA, SETELA, FITHELA, mpiomana mpitandrina, mpitandrina, diakona sy loholona,  mpampianatra sekoly alahady, misionera,… Eny na dia tsy isan’ireo voatanisa ireo aza ianao, dia mangataha mba ho fitahiana anao sy ny ataonao rehetra.  Manàna fahasahiana, hakingana amin’ny fandraisana andraikitra ato amin’ny Fiangonana. Ny asan’ny Fanahy Masina dia afaka manome anao izany ho  fampandrosoana  ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Ny vinan’ny FJKM, dia ny hoe: Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Manantena antsika rehetra  hiara-hamita izany: – Ny manana fotoana: mandehàna.

– Ny manam-bola: manohàna.

– Ny besinimaro: mitrotroa azy ireny  am-bavaka.

Toy izany koa eo amin’ny vinantsika Fiangonana: Amparibe mahatahiry ny finoana, mifankatia, miasa amin’ny fahazotoana. Ataovy tanteraka izany ho fifaliantsika rehetra sady ho voninahitr’ Andriamanitra hatrany.

FEHINY

Tsarovy fa izay manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ka hankato izany ihany no olona mety ho feno ny Fanahy Masina, ka manana sy mahazo ny fahasahiana toy ny nomena ny apostoly. Tian’Andriamanitra omena ny olon’ny Fiangonana koa izany ankehitriny. Koa aza misalasala. Raiso amin’ny finoana ilay tenin’i Jesoa manao hoe: “Izay mangataka no omena.”

“Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra”. Amena

RAHARIJAONA SolofonirinaMpitandrina

May 2020>Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

“ Tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry” Efesiana 5: 15

Naharitra ela loatra ny fahasorenana, eny niafara tamin’ny fahatezeran’ny sasany aza, noho ny fitantarana mitohy sy maharitra ny fahasimban’ny hira, ary niafara tamin’ny fivarinany ho «Zafindraony» aza tamin’ny farany.

Tsy maintsy lazaina tamin-kenatra anefa, fa betsaka ny olona no mankasitraka ny Zafindraony hatramin’ny kristiana aza, nefa aoka ho fantatrareo marimarina, fa tena fomba fiasan’ilay ratsy na ilay devoly izany fivarinany izany ka tsy tokony hankasitrahana.

Ny taona 1894 dia  nivoaka ny fihirana misy hira 400 izay mizara roa mazava tsara fa hira avy amin’ny fiainana kristiana tranainy dia ny hira tamin’ny fiainan’ny Fiangonana voalohany niafara tamin’ny andron’ny Maritiora izany.

Ny tapany faharoa ao amin’io fihirana io dia ny laharana faha 169 ka hatramin’ny laharana faha 400 izay mitondra ny lohateny hoe: «Rahoviana no ho tonga ny farany ?»

Mahavariana sady mahafinaritra ny firafitry ny fihirana, satria avy hatrany dia ahitana mazava ny fiainana kristiana «roa sosona», izany hoe «fiainana kristiana tamin’ny fiandohany», sy ny «fiainana kristiana tamin’ny andron’ny Maritiora»

Ny tapany faharoa kosa dia efa mampibaribary ny fivoarana vokatry ny fandaminana notarihin’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO ka nahavoatery nisian’ny fandaminana ary angamba avy amin’izany no nijoroan’ny Komity nandrindra ny fandrafetana io Fihirana io ny taona 189. Ny tsara homarihina anefa, dia voalaza mazava tsara fa io boky Fihirana nivoaka tamin’ny taona 1894 io dia efa fanontana FANIMPOLONY, koa raha heverina ho isan-taona ny fanontana printy fara-fahakeliny, dia efa tany amin’ny taona 1884 tany ho any izany ny fanontana voalohany.

dia tena mahafinaritra sady mahaliana ary tena mampisaotra an’Andriamanitra ny famakiana sy fandalinana izay voarakitra ao anatin’ity Fihirana editiona 1894 ity, satria raha ho resahantsika manokana aloha ny tapany voalohany (Laharana 1 hatramin’ny laharana faha-168); dia misy toro-lalana ho an’ny Mpitarika avokoa ny hira reehtra toa ny hoe:

«Fangataham-pahendrena»

«Fiderana an’Andriamanitra»

«Ny voninahitr’Andriamanitra»

«Filazana ny soa nataon’i Kristy»

«Fivavahana iantsoana an’i Kristy»

«Fiantsoana ny Fanahy Masina»

«Andro Alahady»

«Fitiavana ny trano fivavahana»

«Fitiavana ny Tenin’Andriamanitra»

«Ny hamamin’ny Baiboly»

«Alohan’ny Toriteny»

«Ny nahaterahan’i Kristy» hira iray

«Famonjena»

«Fahagagana nataon’i Kristy»

«Lalan’ny Famonjena»

«Sarotra avotra ny aina»

«Fahoriana»

«Ny tsy finoana an’i Kristy»

«Fahagagana nataon’i Kristy»

«Fitiavan’Andriamanitra»

«Jesosy aron’ny mino»

«Fiderana an’i Kristy»

«Fiheverana an’i Kristy»

«Fanekena an’i Kristy»

«Fahatahorana an’i Kristy»

«Jesoa ifaharana»

«Jesoa ifaliana»

«Fanantenan’ny mino»

«Fahafinaretan’ny mino»

«Ny fahamasinana»

«Ny amin’ny fahoriana»

«Ny fivavahana»

«Ny sain’i Jesoa»

«Ilay menarana varahina»

«Orimbaton’ny famonjena»

«Ny taola-maina»

«Ny mamaky efitra»

«Ilay samaritana tsara fanahy»

«Jesoa Mpiandry tsara»

«Fivavahan’ny mpanota»

«Andrianjatovo»

«Fampahiratan’i Jesoa ny jamba»

«Fivavahana ho an’ny namana»

«Fiantsoana ho an’i Kristy»

«Ny mikambana tsy azo sarahina»

«Fifankatiavana»

«Fielezan’ny Tenin’Andriamanitra»

«Fahatsiarovana ny fahafatesan’i Jesoa»

«Ho an’ny antitra»

«Ny taona miherina»

«Maniry ho faty»

«Ny fahafatesan’ny mino»

«Andro fitsaharana»

«Fiainana mandrakizay»

«Fiainana an-danitra»

«Fivavahana ho an’ny Andriana»

«Hody»

«Firavana»

Hitantsika araka ireo lohahevitra mialoha ny hira tsirairay avy ireo, ao amin’ny tapany voalohany amin’ny fihirana, fa toy ny Diksioneran’ny Hira io Fihirana voalohany io, ary hita fa tena nanampy betsaka ny tompon’anjara amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana. Tena fivoarana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana voalohany izany, satria avy hatrany dia ampifandrifiana amin’ny toriteny fotsiny ny hira dia feno avy hatrany ny foto-kevitra tiana holazaina.

Marina fa fehezan-teny fohy hatrany ny tonon-kira rehetra, fa hita tsara kosa fa fivoarana lehibe izany teo amin’ny fiainana kristiana voalohany.

Mbola hotohizana

RAJAOFETRA John