ALAROBIA 25 DESAMBRA 2019 - KRISMASY

“Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” LIO 2 : 14

Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fotoana aninkeo. Talohan’izay dia nijoro teo antokotanim-piangonana ny Mpitandrina mivady niarahaba ny mpianakavin’ny finoana. Ny tanora mpitsoka mozika ao amin’ny SMZM koa dia nanatanteraka hira krismasy teo ivelany. Atoa RAZAFINARIVO Nofy, Mpitandrina miana-draharaha no nitarika ny fotoana raha Atoa Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nitory Teny. Manga tanora no lokon’ny zioga. Ny litorjia endriny voalohany no narahana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fanolorana ary ny fiarahabana apostolika dia ny LIO 1 : 68-75 no niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana, nifandimbiasan’ny lahy sy ny vavy. Ny hira FFPM 67 “AVIA, RY MINO” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny MAT 5 : 2-10. Natao ny hira FFPM 65 : 1-5 « RY BETLEHEMA KELY ô » dia nisy vavaka fifonana. Nandritra izany, ny Fiangonana nasaina nanao hoe “Tompo ô! Henoy ny vavakay” isaky ny niato ny mpitarika. Nohiraina ny FFPM 62 : 1-4 “HE TERAKA ANY BETLEHEMA” nialoha ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana ao amin’ny EFE 2 : 12-13. Nohiraina ny FFPM 79 “SAMBASAMBA ZANAHARY” dia notononina ny fanekem-pinoana apostolika (lah. I). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Nandray fitenenana ny Mpitandrina nanentana ny Fiangonana hanatrika ny seho miavaka omanin’ny Sekoly Alahady anio tolakandro. Hisy fivorian’ny Mpihevi-Draharaha tsy ara-potoana ny Alahady 29 desambra 2019 amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny Akany Rainimamonjy ary hofaranana mandritra ny fotoam-bavaka io alahady io koa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taonan’ny VFL.

Nanteriny ny fanentanana amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-bola fa misy fiantraikany amin’ny tetibolan’ny Fiangonana (fampahatsiahivana ny faneken’ny Mpandray sy Diakona). Nisaorana ny mpitendry zavamaneno, ny mpanao raharaha rehetra, ny Fiangonana manontolo sy ny vahiny. Rehefa izay dia fifampiarahabana no natao.

FIFAMPIARAHABANA

Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny OHA 3 : 2 no nindramina nifampiarahaban’ny Fiangonana noho ny Krismasy 2019 ka ny nifanaovan’ny Fiangonana nifandray tanana dia hoe : “Fiadanana anie hanampin’ i Jehovah ho anao, rahalahy/vavy, ranadahy/bavy”. Nanao ny anjara hirany ny Taninketsa. Nitohy tamin’ny fanati-pisaorana ny fotoana.

FANATI-PISAORANA

Ralaindimby Tsilavo Haja no nitarika izany. EFE 3 : 20-21 no andinin-tSoratra Masina novakiany mialoha ny fanononana ny fanati-pisaorana.

Ireto avy ny hira nangatahan’ny Fiangonana : RFF “TONGA INDRAY RE NY NOELY”, 167 : 1 “MIDERA NY ANARANAO” ; HF 12 “FENO TOKY”.

Ireo mpianavin’ny finoana ireo dia nisaotra sy nangata-bavaka fa nahatratra ny Noely ; nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ; nahazo zanaka ; fianakaviana mahatsapa ny fitantanan’ny Tompo ; mba hitohizan’ny fahasalamany.

Natolotra ny rakitra tamin’ny alalan’ny hira vavaka FF 27 : 3 “LAY ALIM-PAMONJENA”. Nitohy avy hatrany ny fotoana tamin’ny firedonana ny hira teo ihany fa ny andininy 1-2.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy namaky nisesy izany ny Soratra Masina Raharijaona Rasetamanana Bodoharisoa. Ny perikopa voalahatra eo amin’ny sahan’ny FJKM androany dia ao amin’ny ISA 2 : 1-4 ; LIO 2 : 8-14 ; EFE 2 : 14-18. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 81 :1-3 “TAO AN-TSAHAN’I BETLEHEMA” ka toriteny no nanaraka izany.

TORITENY (famintinana)

Vavaka no nanombohan’ny Mpitandrina ny toriteny mba ho voadio ny fiainam-panahin’ny Fiangonana sy mba hamoa ny Teny izay hotoriana.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ao amin’ny LIO 2 : 14 manao hoe : “Voninahitra ho an’ Andriamanitra ary fiadanana ho an’ny ankasitrahany”. Hianatra momba ny anjely isika satria tsy dia fanaontsika protestanta loatra izany. Ny anjely Gabriela no horesahana anio.

Misy laharana roa momba ny anjely : ny arikanjely miresaka momba ny Vaovao Mahafaly sy ny anjely izay antoko sy olona fehezina miara-manantenteraka ny asa fanompoany (na koa antokon’anjely).

Avy amin’ny teny hebreo ny Gabriela izay midika ho herin’ Andriamanitra. Mifamatotra amin’ny anarany ny nanolorany izany hafatra izany. Raha tao anaty tahotra ny mpiandry ondry dia nahare Vaovao Mahafaly nambaran’ny anjely Gabriela, izany tantara izany dia porofo fa tonga nofo sy niara-nonina tamintsika tokoa i Jesoa. Fahalehibiazan’ny asan’Andriamanitra izany.

Hafatra roa no azo sintonina avy amin’io andinin-tSoratra Masina io:

Hafatra 1 : Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra

Satana saika handrombaka ny voninahitr’ Andriamanitra nefa tsy azony izany : io ihany no namitahany ny olombelona ka nahalavo azy. An’ Andriamanitra irery ny voninahitra ka izay mitady handrombaka izany dia ho lavo avokoa. Mbola misy ny lanitry ny lanitra izay ahitana an’ Andriamanitra fa any amin’ny lanitra no itobian’ny anjely. Fa na dia any aza Izy dia miondrika mijery ety ambany masoandro. Azy irery io voninahitra io, tsy haintsika olombelona jerena izany. Andriamanitra dia nanetry tena ho tonga nofo hiara-monina amintsika mba hahazakantsika izany, maneho famindrampo sy Fitiavana, mamitrana ny fihavanana efa rava. Ny tena hevitry ny fiadanana dia fifaneraserana mirindra amin’ Andriamanitra Mpahary. Tonga ny anjelin’ny mazava manambara fa tonga nofo i Jesoa hamonjy sy hanafaka, hamerina ny fiadanana Izy satria io no tian’ Andriamanitra hiainantsika. Namboarin’ Andriamanitra hitovy endrika Aminy isika saingy voafitak’i Satana. Raha tsy tonga i Jesoa Kristy dia mbola mafy noho izao ny fiainantsika ary mbola ho mafy kokoa ny an’izay tsy ankasitrahana.

Hafatra 2 : Ny fiadanana dia ho an’izay ankasitrahana ihany

Izay ankasitrahana no afaka mifona, mibebaka, hanana hetaheta hiverina hifandray amin’ Andriamanitra. Araka ny JAO 6 “Tsy misy afaka manatona Ahy afa-tsy izay taomina hanatona Ahy”. Misy mankalaza krismasy amin’ny fomba hafa, endrika ivelany fa ny fony ve tena mandray ny Tompo tokoa ? Aoka isika hanao krismasim-pifaliana tahaka ny nataon’ny mpiandry ondry sy ireo magy. I Jesoa dia Mpanjakan’ny Mpanjaka, andrian’ny fiadanana nahavonjy izao tontolo izao, mampihavana antsika amin’ Andriamanitra sy mahatonga antsika ho olona vaovao. Aoka ho tsapantsika sy hotsaroantsika araka ny JAO 3 : 16 fa izay rehetra mino Azy no manana fiainana mandrakizay fa tsy izao tontolo izao mankalaza. Izay ankasitrahana ihany no manana fiadanana. Ny olom-baovao ao amin’i Kristy dia manana fanahy, fo, saina milamina eo anatrehan’ Andriamanitra : izay no fiadanana. Ny fananana ny Tompo no fiadanana ka ahafahany manapaka ny fiainanao. Ankalazaina ny Krismasy raha mbola tsy miverina ny Tompo. Ny zioga mena no fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo amim-kery sy voninahitra. Manga kosa ny zioga satria manga ny lanitra. Meteza àry ho feno fifaliana ao Aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena!

Nisy feon-javamaneno narahin’ny hiran’ny Hasin’ny Famonjena “Manakoako fatratra”. Rehefa izay dia natao ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana. Nisaotra noho ny toriteny izy mba hiainana izany ; nitondra amim-bavaka ny Fiangonana rehetra sy ny mpitondra azy ; ny mpitory Filazantsara ; ny nanatrika ny fotoam-bavaka androany mba hisantatra ny fiadanana ara-panahy ; ny olona ankasitrahana na aiza na aiza misy azy mba hifaly ; ireo sahirana ; marary ; mana-manjo ; ny azon’ny tsy fidiny ; ireo manana hataka manokana ; ireo nanao raki-pisaorana sy nangata-bavaka. Nofaranana tamin’ny “Rainay izay any an-danitra” izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 71 : 1-2 “MIHAINOA, MIHAINOA” dia notononina ny tondrozotra 2019 ao amin’ny JAK 1 : 4 ; I KOR 16 : 13 ; MAT 24 : 13. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano dia noredonina ny hira FFPM 73 : 1-3 “INDRO ZAZAKELY” nofaranana tamin’ny Amena hiraina. Nisy vavaka mangina sy trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 10 ora sy 34 minitra ny fotoana ka nitohy tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Niaraka nitarika izany Sakramenta izany ny Mpitandrina amperinasa RAHARIJAONA Solofonirina sy ny Mpitandrina miana-draharaha RAZAFINARIVO Nofy.

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesoran’ny Mpitandrina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nataon’ny Fiangonana ny hira FFPM 76 : 1-3  « MIDERA ANIO, RY MINO ». Fanatrehana sy fanehoana no nialoha ny famakiana Soratra Masina. Nisy vavaka izay narahin’ny hira A1 « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 78 : 1-2 « BE NY VONINAHITRAO » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny mpitarika : nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona vavy tompon’anjara tsirairay ny mofo ary ny Diakona lahy kosa ny kapoaka, tao anatin’izany no nanaovana ny hira FFPM 64 “INJANY HIRAN-DANITRA” sy FFPM 74 “TANY BETLEHEMA FAHINY”. Nony voazara ny mofo sy kapoakan’ny Fiangonana dia ny Diakona indray ny notoloran’ny Mpitandrina mofo sy kapoaka. Rehefa samy vonona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nitsangana ka niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nanaty ny fanatitra, nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny hira FFPM 68 “RE TOKOA NY FEON’ANJELY”. Hafatra avy amin’ny Soratra Masina ao amin’ny JOB 22 : 21 no nialoha ny tsodrano ary ny hira farany dia FFPM 75 : 1-2 “ANDRO MALAZA SADY SOA TOKOA”. Nisy vavaka mangina sy fanononana trinité masina dia nirava ny Mpandray tamin’ny 11 ora sy 10 minitra tao anaty feon-javamaneno.

TOMPON’ANJARA

  • Nitendry orga : Rajaofetra Seta nampian’ny mpitendrin’ny  SMZM
  • Fafana : Raharijaona Nirina
  • Fanamafisam-peo : Rajaonarison Lanto
  • Diakona tompon’anjara sy mpanampy : Vaomieran’ny Asa Vavolombelona sy Vaomieran’ny Fananana
  • Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra
  • Naka sary : Harentsoa Rova