.Herinandrom-bokatry ny Sampana Taninketsa Amparibe Famonjena ny 14 ka hatramin’ny 20 martsa.
.Ny 26 martsa amin’ny 9 ora maraina dia hanatanteraka « Conférence » mikasika ny LGBT ny Sampana Vokovokomanga.
.Nambara ny toetry ny vola nandritra ny herinandro.
.Miverina manomboka izao ny famangiana ny fianakaviana tra-manjo.
.Miverina ny famangiana an-tokantrano sy ny fito antoka.
.Araka izany dia hanaraka fiofanana ireo Mpitoriteny, Katekista sy Mpitory Filazantsara ny 12 martsa tolakandro.
.Atolotra amin’io fotoana io ihany koa ny fandaminana.
.Ny Sampana Vokovokomanga dia miverina mivarotra ranomboankazo.
Hafatra sy fanentanan’ny Mpitandrina
.Noentanina ny mpianakavin’ny finoana hitondra amim-bavaka ny fiofanan’ireo tomponandraikitra hatao ny 12 martsa 2022 eto amin’ny trano fiangonana.
Nentanina ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manam-paniriana hanaraka ny fiofanana SETELA sy FITELA, mba hisoratra anarana.
.Noarahabaina ireo nankalaza ny tsingerinandrony ny volana febroary :
« Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako ! » Izany no Teny firariantsoa natolotra ireo mpanompon’Andriamanitra teny amin’ny alitara.
Taorian’izay dia nentina amim-bavaka izy ireo.
Nisaorana ny Tompo noho ny fiheverany ny mpanompony sy ny fitsimbinany azy ireo. Nangatahina ny Tompo mba hihazona tsy hanary ny mpanompony. Ny tombon’andro sisa dia natokana ifaliana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.