ALAHADY 31 OKTOBRA 2021

IVOMBOKATRY NY SAMPANA MPIANGALY ZAVAMANENO (SMZM)

« Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha » Salamo 82 :1

Alahady ivom-bokatra niangaliana ny zavamaneno hitondra aim-panahy.

Alahady voatondro, eto amin’ny sahan’ny Fjkm koa, ho alahadin’ny Reformasiona.

Ny Filoha mpanampy, Rajaofetra Voahangy, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rahagalahy Randriamiadanarivo no nitondra ny hafatra. Ny litorjia endriny fahatelo no nanatanterahina izany. Azonao henoina ato ny hafatra.

 

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Teo am-panombohana dia feonjavamaneno no nanaovan’ny SMZM ny hira « Avy Aminao », (Rija Ramanantoanina). Nanao ny fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny vahiny, ny Mpitandrina Rahagalahy Randriamiadanarivo. Novakiana ny Salamo 92 : 1-5 : « Tsara ny hidera an’i Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo indrindra o, Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina… » Rehefa izany dia natao ny hira Ffpm 36 : 1, 3 Moa ho haiko tantaraina. Nanatanteraka ny vavaka fisaorana ny mpitarika. Nisaotra an’Andriamanitra izy no izao fahatrarana ny faha 30 taonan’ny sampana izao.

Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora

Niroso avy hatrany tamin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny mpampianatra K9, Harentsoa Louisa, no nanatanteraka izany. Ny bokin’ny Mpitoriteny 4 :17a : « Tandremo ny tongotrao, raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra hianao fa ny manatona hiaino  no tsara » no nitondrany ny fampianarana tamin’izany. Nanao tantara nomeny ny lohateny hoe « Mihaino fa tsy nandre » izy. Azo fintinina toy izao izany tantara izany : « Nisy olona iray narary mafy ary nampiantso Mpitandrina. Nilaza fa mbola tsy nandre toriteny izy hatramin’izay ary gaga ny Mpitandrina raha nahare izany satria izy dia olona tonga mivavaka ihany. Nilaza izy fa rehefa mandeha ny toriteny dia tsy mihaino mihitsy izy, fa mandalo eo aminy fotsiny izany ». Ny fampianarana noraisina tamin’ilay tantara, hoy ny mpitarika, dia tsara ny mazoto mankaty amin’ny tranon’Andriamanitra,  ary mitahiry izay ampianarina, ka ampiharina – sarobidy ny fahenoana izany Tenin’Andriamanitra izany ary ny mampihatra azy amin’ny fiainana no mahatonga ho zanak’Andriamanitra. »

Niara-nitsangana moa ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady ary niara-namaky indray ny bokin’ny Mpitoriteny tetsy ambony.

Vavaka sy vakiteny

Natao ny hira Ffpm 210 : 1, Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao, nialoha ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina. Ny perikopa anio moa dia ny Ezekiela 43 : 18 – 27, Jaona 6 : 52 – 58 ary ny Kolosiana 1 : 15 – 20. Nanatanteraka ny vavaka sy ny vakiteny ireo mpikambana ao amin’ny sampana, Ramarison Lalou, Randrianary Francine ary Raoliarizaka Bakoly.

Natao ny hira Ff 6 : 2, Ny Teninao Jehovah, mialoha ny hafatra nentin’ny Mpitandrina Rahagalahy Andriamiadanarivo.

Toriteny

Vavaka no nanombohany azy izany fitondrana ny hafatra izany.

Mifarana androany hoy izy ny lohahevitra « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanamasinana », nefa ivombokatry ny Smzm ihany koa ny anio dia nozarainy roa ny hafatra izay hoentiny. Ny voalohany dia famintinana ny lohahevitra nandritra ny volana ary ny faharoa kosa dia hitondra hafatra ho an’ny sampana izy.

Ny Filazantsara araka ny Jaona 6 : 53-58 no nentiny nitondrana izany faminitinana izany. Nasongadiny tamin’izany ireto teny ireto « …tsy manana fiainana ao aminareo. Ny nofoko no tena fihinana… ».

Misy fanambarana tian’i Jesoa haseho eto.  Izy dia niantso ny tenany ho zanak’olona ary tamin’ny andro nanaovana ny batisany,  izay nisokafan’ny lanitra, no voaporofo fa Izy no Mesia,  Izy no voafidy. Tsy nireharehany nefa izany maha Mesia Azy izany. Nofoanany ny tenany ary tena nanetry tena Izy. Izay no mila tandremana tsara. Tokony hanana izay toetran’i Jesoa izay isika, amin’izay toerana misy antsika amin’izao, sao tokoa mantsy hireharehantsika.

Matetika ny olona dia tsy mijery afa tsy ny tenany, tsy mieritreritra ny hafa ary rehefa manao zavatra dia ny « Izaho foana aloha », izay vao mijery ny hafa, raha hijery.  

Araka ny voasoratra ao amin’ny Matio 11 : 4 dia naniraka ireo mpianany Jesoa, mba hanambara izay zavatra hitany. Naniraka ny mpianatra ny Tompo mba hanambara, ankoatra ireo asa mahagaga izay nataony, dia ny amin’ny fanetren-tena izay nananany, ka tokony hananan’ny olana izay manara-dia Azy.

Ny fanetren-tena, hoy ny Mpitandrina, no manaisotra ny « Je suis ».  Tsy ny anarana amin’ny maha hoe lehiben’ny Fiangonana, tompon’andraikitra no mahamaika fa ny asa atao eo anivon’ny Fiangonana. Ny asan’Andriamanitra no nanambara ny fahatanterahana eo imason’Andriamanitra.  Ny fisandratanao dia ny fanekena ny asan’ny Tompo izay tanterahinao.

Rehefa tonga ny fotoana ka nanaiky Jesoa, fa Izy no Kristy dia teo no nanomboka ny asa famonjena izay nanolorany ny tenany.

Nisy  fanambarany voalohany nataon’i Jesoa, izay nilaza fa tsy velona ho an’ny tenany ny olona. Toy izay no asa nataon’i Jesoa, dia ny nanekeny ho faty, hitondra ny heloky ny olombelona, hanafaka azy amin’ny gejan’ny fahotana. Izay no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra dia ny fanolorana ny tenany hamonjy ny rahalahiny.

Araka ny voasoratra ao amin’ny Deo 10 : 12 dia mahasoa antsika olombelona ny matahotra an’i Jehovah, handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia sy hanompo Azy.

Rehefa nilaza izany ny Mpitandrina dia nanontany : « Velona ianao sa maty ? » ary « Ho any an-danitra sa any amin’ny afobe ? ».

Sarotra ny fiainana hoy ny Mpitandrina, fa ilain’andriamanitra ilay fahamarinana ao am-ponao hahafahanao mahatanteraka izany baiko izany. Rehefa manaraka ny Tompo ianao dia takian’Andriamanitra ny fivavahana amin’ny fanahy, mila finoana lalim-paka.

Mila mpamonjy isika dia Jesoa mba ho tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra. Omena fiainana mandrakizay ny olona, raha manaraka ny Tompo ary ampanantenainy izany.

Raha te hanana ny fiainan’Andriamanitra ao anatintsika isika dia misy fepetra arahina, dia ny fanarahana ny didin’i Jesoa Kristy. Raha manatona Azy isika dia tsy ho noana,  ary raha mino Azy isika dia tsy hangetaheta.

Jesoa Kristy no loharanon’ny fahamarinana,  ary Izy no manana ny Teny fiainana mandrakizay.  Ny olona miaina ao anatin’izay dia efa misantatra sahady ny avy an-danitra.  Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana.

Misy andraikitra raisina ihany koa izany izay mila raisina dieny ety an-tany dia ilay Teny fiainana. « Tsy hianao intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiny » hoy ny Galatiana 2 :20

Teo amin’ny tapany faharoa dia nitodika tamin’ny Smzm ny Mpitandrina. Inona no ilain’Andriamanitra anao ho mpitendry eo anivon’ny Fiangonana ?

Ny olona iray, raha manana fanomezam-pahasoavana dia tsy tokony mi « se suffire à lui-même » fotsiny, fa tokony ho lasa fianarana ho an’ny hafa ihany koa. Izany hoe, tsy mijanona ho anao ihany, fa mizara ho an’ny hafa ihany koa.

Tsy fanarahan-drafitra no ilain’ny Tompo aminao, fa ny fanarahana an’ny Tompo. Raha manao zavatra iray ianao, dia ireto no « critères » hahafantaranao fa mety ny zavatra ataonao : TSARA, ANKASITRAHANA ary MARINA. Raha manao izany ianao dia ho velona mandrakizay. Izay ilay hoe : « Izay mihinana ny mofo dia velona mandrakizay ». Tian’andriamanitra ho velona ianao.

Tsy tokony hisy toetra maro ao aminao raha tena manaraka ny Tompo ianao. Raha mbola manana izany ianao dia tsy mbola misy Andriamanitra velona ao anatinao.

Nitodika tamin’ny Smzm ny Mpitandrina, ny zavamaneno dia tsy manan’aina hoy izy, fa ny olona no mampaneno azy. Lasa zavatra iray tsy azo sarahina ireo.  Ny nahatonga anao ho mpitendry zavamaneno dia satria tian’ilay mpitendry ilay fitaovana ho tendreny. Ary satria tiany ilay izy dia nanana fitiavana izy hianatra azy.

Ny olona rehetra ve mahay mpitendry daholo ? Tsia. Nefa afaka manao izany kosa ilay olona raha manana finiavana hanao izany.

Fanahy iray ihany no manome izany rehetra izany. Arakaraka ny hanananao no hahafahanao mamoaka izany. 

Dia toy  izany koa ny fanarahana ny Tompo, mila manana finiavana mba hahafahana manana ny fiainana toy ny an’ny Tompo. Mila manana talenta, mianatra ianao dia afaka manome aina ny fitaovana izay tendrena. 

Ny mozika ihany koa dia mitsabo. Ny levita no voatendry hitendry ao am-piangonana, hoy ny Mpitandrina.  Raha tsy manana an’i Kristy nefa dia tsy afaka namoaka izany.

Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra

Nanao ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpitarika. Nisaotra noho ny Teny izay voaray ary nangataka ny Fanahy masina hampitoetra izany.  Nifona  noho ny tsy fahatanterahana ihany koa  izy tao anatin’izany vavaka izany.

Natao ny hira ffpm 242 : 1, 4 : Misaotra Anao ‘zahay ry Ray, taorian’ny vavaka. Nanambara ny Teny famelan-keloka avy eo ny mpitarika. Izany dia nalaina tao amin’ny Isaia 44 : 22 ary ny Lioka 19 : 10. Natao ny Ffpm 351 : 1 : Tsy hangina re ny hoby noho ianao ry ziona, taorian’izany.

Ny fanekem-pinoana laharana voalohany no nanaovazana indray izany fanoloran-tena izany.

Tatitr’asan’ny Sampana

Ny mpitantsoratry ny sampana Raboanarijesy Liantsoa no nitondra ny tatitra. Ny asa nanomboka ny oktobra 2020 hatramin’ny oktobra 2021 no nambarany. Anisan’ny voalaza ireto manaraka ireto :

        Ny fanavaozana ny Birao sy ny komity : fifidianana Filoha sy Filoha mpanampy noho ny nandehanan’ny Filoha teo niasa any ivelany ;

        Ny fahazoana fanamiana vaovao izay notokanana tao anatin’ny Asa vavolombelona izany ;

        Eo amin’ny lafiny aim-panahy, manafana fotoampivavahana izy ireo rehefa Fandraisana sy fotoan-dehibe toy ny ivon’ny 160 taonan’ny Fiangonana, ny ivombokatry ny rafitra, isan’izany ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 50 taonan’ny Hasin’ny Famonjena, ny fitoriana ny Filazantsara tany Anjeva, ny Herinandro sambatra volana desambra, Kabary sy seho gasigasy, fitendrena nandritra ny Diampenin’i Rado.

        Teo amin’ny lafiny sosialy, nisy ny famangiana tany Tangaina sy ny fanarenana ny trano fisakafoana. Nisy ireo fanampiana ireo kere tany atsimo,  fanampiana  ireo mpikambana tojo fahasahiranana, ary ny fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty.

Nandritra ny herinandro kosa dia nisy ny fotoana ho an’ny mpianatra Soratra masina ny 23/10, ny fotoana Zoma.

        Ny Tsangambato hapetraka amin’izao fankalazana izao dia ny fandokoana ny vavahady lehibe sy ny arofanina.

Nanatanteraka anjara hira ireo mpikambana Smzm : « Jesoa tsy avelako », izay teny nentin’izy ireo nanatanteraka ny asa hatramin’izay.

Raharaham-piangonana

Nitondra ny vaovao tamin’ity alahady ity ny Mpitantsoratra, Razafimaharo Mamy. Anisan’ny voalazany tamin’izany ireto manaraka ireto :

        07 novambra 2021: fandraisana ireo katekomena. Miditra amin’ny 8ora30 ny Fiangonana ;

        Ny fitambaran’ny rakitra,  adidy, alahady hariva, sabotsy dia mitotaly Ar 6 251 500 ;

        Nanao antso ny amin’izay ho solontena isan-tsampana amin’ny fiheverana ny fisotroandronono ho an’ny Mpitandrina Raharijaona Solofo ;

        Nisy ny fanentanana ny amin’ny Garden Party, hotanterahin’ny Fiangonana ny sabotsy 13 novambra eny Androhibe, tananan’ny Mompera. Ny fisoratana anarana ho an’izay handeha dia mifarana ny 07 novambra 2021. Ny alahady heriny izany. Ar 3000 ny fandraisana anjara.

Nanao fanentanana ny Mpitandrina taorian’izany ary niarahaba ireo nanorina tokantrano dia Ramasy Rija Franklin sy Rakotoarisoa Simonelle. Niarahaba sy nitondra am-bavaka azy ireo ny Mpitandrina.

Rakitra sy fanomezana

Maro ireo mpianakavin’ny finoana nanatanteraka voady sy raki-pisaorana. Ireto ny hira nangatahin’izy ireo tamin’izany : Jesoa tokinay nataon’ny Smzm ; Ff 37 : 2 Fa tsy misy fahoriana ; Ffpm 340 :1, Tompo o, mba hasoavy ; Ffpm 617 :1, Aza manadino ahy ; Ff 7 :1, Tsy hainay ny hangina.

Mialoha ny Asa vavolombelona dia nanao ny hira « Fa lalina » ny Rff.

Asa vavolombelona

Nizara roa ny Asa vavolombelona nentina nankalazana ny faha 30 taonan’ny sampana.Voalohany dia nisy ny Tsiahy nataon-dRamatoa Randrianonimandimby Oliva. Nanazava izy fa ny hira « Tsy avelako  Jesoa » dia tena fiainan’ny sampana hatramin’izay mihitsy.

Nandritra ny vanimpotoana 1991 – 2006 dia ireo izay efa manana traikefa amin’ny fitendrena no nitambatra tao anatin’izany sampana izany. Nilaza ny sedra nandalovan’ny sampana izy, nefa tsy nahasakana ny fandrosoany. Nitombo ny isan’ny mpikambana ary niroborobo hatrany ny asa.

Ny 2007 – 2021 dia lasa sampana mpitaiza tanora ny Smzm ary ireo tsy mahay mitendry dia afaka niditra avokoa.

Ny faharoa dia ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo Birao nifandimby. Ny Filohan’ny sampana Rakotonarivo Vatsy no nitarika izany.

Notokana taorian’izany ny fanamiana vaovao ho an’ireo mpitendry.

 Vavaka fangatahana

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina taorian’izany, ary nentina am-bavaka ny fangatahan’ireo  mpanompo mahatsiaro ny fiombonana,  ka nanao voady sy rakipisaorana. Tao ireo afaka fanadinana ; ny asan’ny Smzm ; ny nanolotra ny am-pahafolon-karena. Napetraka,teo am-pelantanan’ny Tompo ny asam-panompoana; ireo hanala fanadinana. ny sitrana tamin’ny aretina sy ny marary ; ary nisy ny fangatahana mba hilaminan’ny tokantrano. Nofaranana tamin’ny Rainay izay any an-danitra moa izany vavaka izany.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira Ffpm 427 : 1, Ho vavolombelonao, mialoha ny fanambarana ny tondrozotra 2021. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano. Ny hira fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 160 taonan’ny Fiangonana no namaranana ny fotoana.

Nofaranana tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ny vavaka mangina.

Ireo tompon’anjara :

Naka sary : Rabemananoro Jonathan

Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra

Nanao ny fafana : Randriamasimanana Andry Navalona