Manoloana izany fahasarotabna izany dia mipetraka ny fanontaniana manao hoe “Avy aiza ny famonjena ny Israely manoloana ireo fahavalo marobe.
Avy amin’I Jehovah ny famonjena ny olony.
Andriamanitra no naharty izao tontolo izao ary mikarakara ny asan’ny tanany Izy. Mitoetra mandrakizay ny Tompo ary mitana ny fanekeny amintsika. Miara monina amintsika Izy ary Izy no rain’I Jesoa Kristy izay Mpamonjy antsika.
Ny tendrombohitr’i Ziona moa dia avo. Eny am-pandehanana dia mahatazana ity Tempolin’Andriamanitra ity ireto mpanao fivahinianana masina ireto ka na dia sarotra azan y lalana dia mamelona ny fanantenany ny fahatazanany ny tendrombohitr’I Ziona.
Mitaona antsika hibanjina ny bfamonjen’Andriamanitra ity Salamo ity.
Raha tojo fahasarotana ianao dia aza mandeha amin’ny lalan-diso fa mitrakà ka tadiavo ny Tompo.
Tsy mba mila fohazina sahala amin’ireo andriamanin-kafa ny Tompontsika fa mitsinjo antsika mandrakariva Izy.
Eto Madagasikara dia anisan’ny mampihoro-koditra ny mosavy. Tsy mandaitra amintsika kristiana ireny satria fahavalo efa resy ireny. Tsy maintsy misy ny fitandremana atao toy ny fandehanana milamina sy fanaovana fanosorana fanafody fiarovana amin’ny hain’andro rehefa mandeha tadidio anefa fa Andriamanitra irery ihany no fiarovana azo antoka.
Nanomboka tany am-bohoka ka mandram-pahatonga antsika any amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia Andriamanitra no mitanana antsika.
Maneke an’Andriamanitra amin’ny alehanao rehetra, Izy no Mpiaro anao mba tsy ho tafintohina. Mandram-pahatapitr’izao tontolo izao dia miaro antsika ny Tompo.
Andrandrao ny famonjen’Andriamanitra fa izay eo an-tanany dia tsy misy maharombaka.