VAVAKA FANGATAHANA
Nisaoran’ny Mpitandrina ny Tompo noho ny fotoana androany. Nitondra amim-bavaka ny Fiangonana manontolo izy, ny Mpitondra Fiangonana, ny Mpitory Filazantsara, ny Akany Fitahiana, ny Toby. Enga anie hahatontosa ny adidy izay napetraka taminy. Mivavaka ho an’ireo mpanompo manam-paniriana handalina ny finoana sy ny fiainan’ny Fiangonana.
Nangataka ny amin’ireo kristiana mba ho tsimbininy, mba hahatsiaro ka hampihatra izay rehetra hafatra napetraka ho an’ny Fiangonana.
Nangataka ny hijereny ireo kristiana eto Amparibe, na manatrika ny fotoana na tsia. Ny hetsika fisotroandrononon’ny Mpitandrina, mba ho tontosa avokoa. Nentiny amim-bavaka ny ekipa lalao baolina kitra Barea ny amin’ny vokatra tsara izay nataony ary mba hotohizany izany.
Nivavaka ho an’ireo sahirana, ireo marary, izay manan-manjo, izay voan’ny tsy fidiny. Nankahery azy ireo mba ho salama hafahany manompo Anao. Ho an’ireo izay manana faniriana hiroso amin’ny fanambadiana dia enga anie ho tanteraka izany.
Nentiny amim-bavaka ireo marary hoditra izay nanokanana ity alahady ity, mba ho sitrana sy ho voadio ka hanana fifaliana.
Nivavaka ho an’ireo izay nanao raki-pisaorana. Enga anie mba hanan-kaja tokoa ny fanamasinana fanambadiana izay notanterahina. Ny mpanomponao izay manana fikasana hividy tany ka hanorina trano, mba ho tanteraka tokoa. Ny mpanompo izay mahatsiaro fa Ianao Irery no azo hiankinana, enga anie mba ho tonga aminy izany. Nofaranana tamin’ny « Rainay, Izay any an-danitra » ny vavaka.