Nivavaka ny Mpitandrina Robert Saonina Narison teo am-panombohana, nisaotra ny Tompo noho ny mbola hafahana mijoro vavolombelona sy ny nankalazana ny faha 40 taonan’ny Vondrona Fototra Laika eto Amparibe Famonjena, ary nangataka ny asan’ny Fanahy Masina. Avy eo dia niarahaba noho ny nahatratrarana ny noely 2019 ary mirary ny hahatratra ny taona 2020 ka homban’ny Tompo anie. Rehefa vita izay dia nanao fahafampatarana ny momba azy ny Mpitandrina.
Mpitandrina nivaoka tamin’ny 2002 izy. Tany Sahamalaza-Ambalavao Tsienimparihy no nanendrena azy voalohany, dia tany Maromamy Brickaville avy eo. Tamin’ny 2O17 izy voatendry ho mpanampy ny tonian’ny departemantan’ny Fiangonana ao amin’ny departemanta telo izay misy eo amin’ny FJKM. Izany mpanampy izany dia mpiara miasa, mpiasa iombonana miainga amin’ny famaritana ny SME, mijoro ho vavolombelona amin’izay hampandeha ny asan’ny Fiangonana. Nitantara izy hoe nisy mpanompon’Andriamanitra niantso tany an-tranony. Nanome akanjo ho azy efa-mianakavy. Ny tena nampihetsi-po tonga teto Antananarivo izy tamin’ny 2017, tsy nanana « robe pastorale » fa may. Nomen’ilay mpanompon’Andriamanitra « robe pastorale ». Tena nivaly ny vavaka fa nahazo fitaovana nentina niasa.
Ny andraikitra tànany : misahana sy manatanteraka ny « communication » sy ny « administration » eo anivon’ny departemantan’ny Fiangonana. Misahana ny synodamparitany 38 sy ireo Fiangonana maro be ; ireo mpitandrina miisa 1500, ireo misionera miisa 2600, Sampana sy Sampan’asa velona eo anivon’ny FJKM… Mila fitaovana daholo (fiches) ny fanatanterahana ny asa (ordinateur). Ilaina koa « moto » amin’ny fivezivezena. Ankoatr’izany, miandraikitra ny fanompoam-pivavhana rehetra, tonga aloha amin’ny fotoana rehetra. Ohatra momba ny fotoana hatao eny Antsonjombe amin’ny 19 janoary, efa tamin’ny 20 desambra no nanomboka nikarakara. Mangataka fitondrana am-bavaka.