Indraindray isika dia mihevitra fa rehefa miadana sy finaritra dia variana fa tsy mitodika amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Jaona 8:25-30: dia misarika antsika hiaiky ny heloka sy ny zavatra izay manjo. Ankehitriny raha ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena dia mahantra ny vahoaka, misy ny valanaretina izay mandripaka ny olona, inona anefa no tokony ataontsika amin’izany?
Mbola hamafisiny sy asehon’ Andriamanitra ny kapoka, mihapotika sy rava ny zavatra rehetra.
Rehefa tsy manorina ny fiainana amin’ny Tenin’Andriamanitra isika dia avelany hijaly. Navelany ho babo sy hanompo ny firenena hafa mba hahatsiarovany an’Andriamanitra. Ny bokin’ny Hebreo dia manaza ny fanatitra, fibebahana, fifonanana mba hahafahana mandray fanadiovana sy miverina amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Araka izany, ny fiadanana mety mandatsa, mila miala amin’ny zavatra manahirana isika. Noho izany, andeha isika hifampivavaka, hivavaka ho an’ny Fiangonana, hiantso ny fifadiankanina lehibe, hangataka amin’Andriamanitra ny handevenana ny herin’ny ratsy. Tsy maintsy hirosoana ny fampihavanana satria asan’ny Fiangonana izany ary apetraka eo am-pelan-tanan’ny Tompo. Aoka hiaiky ny heloka amin’Andriamanitra isika na ny mety na tsy mety tanteraka sao dia manadino an’Andriamanitra.