Alahady 27 Septambra 2020
“MIASA AMIN'NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA”

Alahady hitondrana am-bavaka ny katekomena “MIJORO”
Faha 16 FFP

Alahady natokan’ny Fiangonana hitondrana am-bavaka ny katekomena “MIJORO” ity. Alahady faha 16 manaraka ny Trinité, alahady hitondra am-bavaka koa ny FFP ary alahady mamarana ny lohahevitra « Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra » izay nobanjinina nandritra ny volana septambra.
Ny fanompoam-pivavahana niditra tamin’ny 10 ora no taterina eto izao.
RAKOTOVOLOLONA Lova, mpampianatra katekomena, no nitarika ny fotoana ;
RAZANAMPARANY Clément :
Loholona, Filohan’ny FMKS sady koa mpampianatra katekomena no nitondra ny hafatra. Litorjia endriny fahatelo no notanterahana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny famakiana ny Salamo 22 : 22-26.
Ny hira FFPM 240 : 1-3 “ALAHADY, ANDRO TSARA” no nohiraina nanarak’izany ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fiderana. Nisaotra an’Andriamanitra tafavory eto ary nangataka ny Fanahy Masina ka izay rehetra atao eto dia ho voninahitr’Andriamanitra avokoa.
Nisy feon-javamaneno fohy

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

RAHARINTSALAMA Hantanirina, mpampianatra ao amin’ny K2, no nitondra ny hafatra. Koa ny Tenin’Andriamanitra noraisina tamin’izany dia ny Matio 5:45a : “Mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo”
Inona moa ny toetra tokony ananana mba ho tonga zanak’Andriamanitra ? Tantaran’i Koto izay nangataka zavatra tamin’ny ray aman-dreniny nefa tsy nahazo no nentiny tamin’izany. Rehefa tsy nahazo izay nangatahiny i Koto dia lasa nangalatra.
Nosamboron’ny polisy nefa tsy tratra. Nandeha nitolo-tena, nangataka tamin’ny polisy ny dadany hisolo an’i Koto. Fantatr’i Koto izany ka nalahelo sy nanenina izy. Ny toetran’ny dadan’i Koto dia tahaka ny toetran’i Jesoa Kristy : manetry tena, tsy mamaly ratsy, mamonjy ny olona ao anaty andro sarotra, mifampivavaka mandrakariva.
Nitsangana ny Sampana Sekoly Alahady rehetra nanao ny Hira FFPM 779 :3 “MAMINDRA FO AMINAY” nofaranana tamin nofaranana tamin’ny vavaka fisaorana an’i Jesoa noho ny famindrampony.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 212 : 1-2 “VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA” mialoha ny vakiteny .
Ireo mpianatra katekomena no nivavaka sy namaky ny Soratra Masina. Novakiana misesy ny perikopa voalahatra ao amin’ny Mpitoriteny 8:9-13 ; Marka 12:1-12 ; ITim 1: 5-11.
Natao ny hira FFPM 226 “TOMPO Ô ! MBA TE-HIHAONA” mialohan’ny toriteny.

TORITENY

Ny Teny nangalana ny hafatra dia ny Mpitoriteny 8 : 12-13. Novakiana izany andinin-tSoratra Masina izany « Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra. »
Ny fahendren’ny olona dia miankina amin’ny zavatry ny tany. Mila miverina amin’Andriamanitra ny olona. Tsinontsinona izay rehetra ety ambany masoandro. Mila mahay manavaka izay avy amin’Andriamanitra sy ny tsy avy Aminy.
Ankehitriny, ny mahamaika ny olona dia ny hahatonga ny fiainany ho tsaratsara hatranay. Ny maha olombelona azy no jereny. Soa fa teo ny Tenin’Andriamanitra misarika ny sain’ny olona hoe misy soa izay matahotra an’Andriamanitra.
1- Tsy misy mahalala ny fotoampitsaran’Andriamanitra
2- Ny tahotra an’Andriamanitra no mitondra ny olona ho amin’ny fahavelomana

1- Tsy misy mahalala ny fotoampitsaran’Andriamanitra
Mila mivonona hatrany isika. Ny fitiavan-tena dia miteraka faharatsiana. Ankehitriny tsy mifampitsinjo intsony ny olona fa atao izay hahazoana voninahitra sy harena. Hita ao amin’ny Salamo 73:1-3.
Araka ny Filazantsaran’i Marka, mihevitra ny ratsy fanahy fa tsy ho faty, matoky tena ka mihevitra ny ho ela velona.
Ry katekomena, nisafidy ny hanara-dia ny Tompo ianareo ka aza mety ho voarebirebin’ny akanga tsara soratra. Maro ny fampianaran-diso ankehitriny.
Aza manamari-tena. « Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy » Isaia 5:20
Manana ny fotoanany Andriamanitra. Manome malaka ny olona hisafidy Izy. Misy fotoanany ny zavatra rehetra nefa rehefa tongabny fotoanan’Andriamanitra dia aza tratra farany. Mila fiomanana ny fahatongavany
2- Ny tahotra an’Andriamanitra no mitondra ny olona ho amin’ny fahavelomana
Mila manaiky ny fahadisoany ny olona. Ny adin’ny mpino dia tsy ady amin’ny nofo aman-dra. Jesoa irery no azo hianteherana handresena ny hevi-petsin’ny satana rehetra. « Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » Ohabolana 1:33
Ny tahotra an’aAndriamanitra dia ny fahendrena hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra. Ahoana ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra?
Mila manadio tena, mila fihovam-po, mankato ny didin’Andriamanitra. Andriamanitra no mpandray an-tanana ny ho avin’ny olona matahotra Azy koa apetrao ary meteza ho tantatan’Andriamanitra ny fiananaao ; fantaro fa famindram-po lalandava no ataony.
Ny endry nandray fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy dia afaka manavaka tsara sy ny ratsy. Misy andraikitra sy adidiy miandry ny mpanara-dia an’i Kristy dia ny fahalebiazany’ny fahatohorana an’Andriamanitra. Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo fa ny atao rehetra dia entin’Andriamanitra hitsarana anao.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Feon-javamameno fohy taorian’ny toriteny ary nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika.
Tsy nahatanteraka ny tenin’Andriamanitra isika koa mifona. Misaotra Azy noho ny hafatra hoe tsy misy mahalala ny fotoam-pitsarana ka ny fatahorana an’Andriamanitra no mitondra any amin’ny fahendrena. Mifona fa tsy nivelona tamin’ny fitiavana, tsy nanaraka ny sitrapon’Andriamanitra.

Vita izany dia nohiraina ny hira: FFPM 403 “RY JESOA TOMPO TSARA Ô”
Natolotra ny teny famelan-keloka ary natao ny Hira: FF 12 : 2 “NY SAIKO AM-PELATANANAO” mialohan’ny nanononana ny Fanekem-pinoana kristiana laharana faha 4. Nisy feon-javamaneno

TATITRA KATEKOMENA

Nandray fitenenana ny solotenan’ny katekomena : Nisaotra an’Andriamanitra ny katekomena fa afaka nianatra ihany nandritra ireny fotoana sarotra ireny, nisoatra ny Mpitandrina sy ny mpampianatra ary mametraka eo ampelatan’Andriamanitra ny tohiny rehetra.

VAOVAOM-PIANGONANA

RAZAFIMAHARO Mamy no nilaza ny raharaha. Niarahaba manokana ny katekomena.
– Ny tsara fantarina :
Synodamparitany :
Feno 25 taona.ny SP, amin’ny 10 oktobra ny fankalazana ka noho ny hamehana sia isam-paritra no hanaovana izany.
11 oktobra : Fivoriam-be any amin’ny isam-pitandremana
Ho an’ireo SSAA any amin’ny fitandremana, hankalaza jobily amin’ny taona 2021 : mila alefa ny daty
Eto an-toerana :
200 no afaka manatrika ny fotoam-pivavahana, mila manaraka ny fepetra rehetra. Mila misoratra anarana. In-droa ny fidirana : amin’ny 7ora sy amin’ny 10 ora.
Fahalalana Soratra Masina ity alahady ity. Mitohy ny famakiana ny Filazantsaran ‘ i Jaona. Mitohy koa ny rojombavaka. Fandraisan-tanana sy Fitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mivady sy ny ankohonany ny alahady 4 oktobra.

FANENTANANA VAOMIERAN’NY AIM-PANAHY SY FIZARANA FM

RAKOTONIRINA Tsiry solontenan’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy no nandray ny fitenenana.
Enti-mody ny laza-adina ary ny alahady 4 oktobra no hamerenana azy. Alefa taratasy na hafatra miafina (MP) any amin’ny Facebook « Vap Amparibe Famonjena », na mail amin’ny adresse « vap.amparibefamonjena@gmail.com »

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny hira FFPM 476:1, hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana nanao voady, no natao nandritra ny fanatazana ny rakitra.
Natolotra teo am-pitsanganana tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 275 : 1 “RAISONAO, RY TOMPOSOA, NY FANATITRAY” ny rakitra, ho fanavaozana ny fanolorantena.
Nisy feon-javamaneno dia notohizana tamin’ny vavaka fangatahana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nanao ny vavaka fangatahana. Nisaotra an’Andriamanitra izy, misaotra mandrakariva hoy izy, satria mendrika ho Azy izany. Ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toa izao.
Tsy misy mahalala ny fotoam-pitsarana fa mila miomana hatrany. Avy nanavao ny fanoloran-tena tamin’ny raki-pisaorana izay entina hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
Mivavaka ho an’ny Fiangonana, ny mitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara
Mivavaka fa amin’ity taona ity dia feno 25 taona ny SP ka mametraka izany eo ampelatanan’ny Tompo.
Mivavaka ho any fahalalana ny Soratra Masina. Na eo ary ny fahasarotana dia natao vaindon- draharaha izany. Mampitombo finoana sy ny fahalalana ny Teninan’Andriamanitra izany sy hahafantarana ny sitrapony.
Mivavaka manokana ho an’ny katemena “Mijoro”. Volana vitsy sisa dia horaisina izy ireo ka tsy hisy ho latsaka an-dalana anie. Mahatsiaro ny Asa Fikarohana sy Fandalinampinoana. Asa makadiry izany ato amin’ity Fiangonana misy anay ity. Mba ho vita sy ho lavorary ka handroso hatrany.
Mivavaka ho an’ny firenena. Mbola ao anaty fotoan-tsarotra ka Ianao Tompo hampandroso amin’ny fahatsarana hatrany. Mivavaka ho ny mpitondra firenena, ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana. Ho tanteraka anie fa ianao Kristy dia ho an’ny Malagasy ary ny Malagasy ho an’i Kristy.
Ho eo ampelatanan’Andriamanitra ireo rehetra manana fahasahiranana, ireo mpianatra koa satria ireo ny ho avin’ny Fiangonana sy ny firenena. Mangataka amin’Andriamanitra hijery ireo any ampielezana satria Andriamanitry ny lavitra sy akaiky Izy.
Misy mpanompo mangata-bavaka manokana, misy manao voady fa mandalo ady sarotra ka hiaino hanome fandresena Izy.
Izay tsy takatry ny saina dia angatahina ho tanteraka amin’ny rehetra. Ary izay tsy feno amin’ izao vavaka izao dia akambana amin’ny vavaka tonga lafatra nampianarin’i Jesoa : Rainay izay any an-danitra…Amena

FAMARANANA NY FOTOANA

Nataon’ny Fiangonana ny hira FFPM 476: 4 “NY EO AKAIKINAO, RY RAY”, novakiana ny tondrozotra 2020 ; natolotra ny tsodrano, nohiraina ny hira FFPM 338 “AROVY AHO, TOMPO” nofaranana tamin’ny Amena hiraina, nivavaka mangina.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Amena

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nikirakira ny fafana : RANAIVOSON Joël
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : RANDRIAMAHEFA Tinarivony
  • Nikirakira ny oronan-tsary : RABEMANANORO Jonathan
  • Naka ny sary : RAHARIJAONA Nirina
  • Nandray an-tsoratra : RAJAOFETRA Voahangy
  • Nitendry orgue: RAJAOFETRA John Philippe