Nisy taorian’izay ny fanentanana nataon’ny Diakona Rabako Ralambonirina Jean Jacques solontenan’ny Vaomieran’ny fifandraisana momba ny fitsangatsanganana hatao ny Sabotsy 09 Novambra eny Ilaivola_Ivato. Hisy ny fiara iombonanana hihainga amin’ny 07:30 eto Amparibe. Ny saran-dàlana dia 1 000 Ar
Ny solontenan’ny Vaomieran’ny Asa Vavolombelona dia nanentana koa momba ny fampitaovana (akanjo, fitaovana, vola,…) ny mpitandrina sy vadin’ny mpitandrina any amin’ny toera-panomanana Mpitandrina any Fianarantsoa. Samy manome izay foiny ao am mpandraharaha na mpiandry Tanana. Ny fihaingan’ireo iraka dia ny 18 Novambra.