Misy lanjany lehibe izany nanoneranana ny Fiangonana izany. Izany no hitarihana ireo olona mba hanatona ny Tompo. Mba hamaly toy ny navalin’i Petera ny vahoaka ka hanao hoe: « ….Hianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona ». Raha Simona Bar-Jona no anarany teo aloha dia lasa hoe Petera.
Ny dikan’ny teny hoe Petera dia vatolampy. Ny Fiangonana dia fianarana ho antsika hanorenantsika ny finoantsika. Finoana mafy no mampitoetra tsara ny Fiangonana.
Misy dikany ny fanomezana anarana vaovao. Oh. Jakoba dia nitalaho an’Andriamanitra mba hanampy azy ny amin’ny ady izay natrehany dia ny fiadiana tamin’ny rahalahiny. Rehefa nifampitolona taminy izy dia lasa hoe Israely no anarany. Toy izany koa Saoly dia lasa Paoly, rehefa nanenjika ny Tompo izy ka niova fo dia niova ny anarany.
Simona Bar-Jona dia olona tsotra teo aloha. Noho ny fanambarany ny amin’ny Tompo dia lasa Petera no anarany ary nijoro ny Fiangonana avy eo.
Fiangonana ho mafy orina ary ho sahy milaza ny marina sy misedra ny sarotra. Azo antoka ny fototra iorenan’ny Fiangonana satria ny Tompo mihitsy no nametraka izany.
Petera no nanonona voalohany an’i Jesoa ho Mesia sy Kristy. Tonga ny andron’i Mesia teo. Zava-dehibe ny ahalalantsika izany, hoy ny Mpitandrina.
Isika Fiangonana ankehitriny no tokony hanamafy izany fototra izany.
Raha naka ny ohatra tao Korinto ny Mpitandrina dia nilaza fa nivelatra ny Fiangonana tao satria dia Jesoa Kristy hatrany no napetraka ho fototr’izany.
Ny fiovana ho kristiana dia tsy mora. Ny maha kristana dia fiorenana tsara ao amin’i Kristy. Nisaoran’i Paoly an’Andriamanitra izany satria dia niorina tsara tao Aminy izy.
Ho antsika kristiana, mahalala ny zava-misy isika. Eto amintsika dia tsy mora ny mijoro ho kristiana. Misy eso, fandatsana, fanenjehana.
Sambatra izay firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.
Mampatanjaka ny Fiangonana koa io fanambaran’ny Tompo. Niteny izany ny Apostoly Petera. Nanamafy ny fanambarany ny Tompo fa hanampy ny hananganana izany Izy Tompo ary indrindra ny amin’ny hiatrehany ny mafy ho sedrainy.
Ny Fiangonana dia hery entin’ny kristiana mandresy ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita. Kristiana rehefa maty dia manantena ny hitoetra amin’ny toerana izay nomaniny. Eo an-tratran’i Abrahama izy ireo no hitoetra, toy ilay jiolahy niara-nohomboana tamin’ny Tompo.
Fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra ny Fiangonana mba hivelarany satria velona ny Tompo.
Namafisin’ny Mpitandrina izany araka ny hita ao amin’ny Mpanjaka 2: 22. Josia no miteny eo. 26 taona izy eto no namaky ny Bokin’ny Lalàna, nahafahany nanitsy ny fomba fitondrany. Hita fa na teo aza ny fikasan’Andriamanitra dia mihaino ny olomboafidiny Izy. Na dia notanterahany aza ny loza, dia tsy nahita ny fahoriana izay nanjo, ny olony.
Nanisy teny momba ny fanaovana ny akanjo gasy moa ny Mpitandrina fa natao izany mba hijoro sy hirehareha fa Malagasy ireo taranaka. Lova sarobidy napetrak’Andriamanitra ho antsika ny maha Malagasy antsika. Malagasy nanorina ny finoana teo amin’ny Fiangonana.
Ny Fiangonana izay tenan’i Kristy dia manana fiombonana tanteraka Aminy ary tena tian’ny Tompo izany.
Eo amin’ny faha 160 taona dia andrasana isika haneho fifaliana fa kristiana ary teo ambonin’ny vatolampy no nanorenan’ny Tompo Azy.
Nisy feon-javamaneno ary nanao ny anjara hirany ny Antoko Mpihira R.F.F
Natao ny Vavaka noho ny Tenin’Andriamanitra, noho ny tsy fahatanterahan’ izany ary rehefa izany dia nanamafy ny finoana tamin’ny Fanekem-pinoana laharana faha 4.