Faha 10 taonan’ny Tale nasionaly SEFALA
Foibe FJKM
1 janoary 2021: Fanompoam-pivavahana tarihan’ny FFP eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Ho raisina hatao rakitsary ny talata 29 desambra maraina. Hanana anjara hira amin’io ny RFF sy ny Hasin’ny Famonjena
Poste d’évangélisation Manerinerina
29 desambra 2020 : Faha 10 taona maha Mpitandrina an-dRamatoa RAMINOARINOSY Ny Ilo Jihy
Raharaha anatiny
Ny Biraon’ny FDL no miandraikitra ny fanompoam-pivavahana manontolo androany.
Manohy ny famakiana sy fianarana ny boky nosorotan’ny apostoly Jaona. Mifarana amin’ity herinandro ity ny famakiana ny Epistily faha 3 nosoratan’i Jaona. Vita ny famakiana ny Filazantsaran’i Jaona manontolo sy ny Epistilin’i Jaona rehetra fa mitohy anefa ny fampianarana, fanazavana io Epistily io (sabotsy maraina).
Ny ankatoky ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia tanterahana eo anelanelan’ny fanompoam-pivavahana roa.
Hisy fanompoam-pivavahana ny 1 janoary amin’ny 8 ora maraina noho ny taom-baovao.
AFF: tany amin’ny FJKM Anjanamasina ny 26 desambra. 22 no mpiantafika; 68 ny tokantrano voavangy sy voatsidika.
Misy “écussons” 150 avy any amin’ny SPAAndrefana, Fanevan’ny faha 50 taona, hanaovana mandritra ny taona 2021.
Antso ho an’ny mpaka sary ho fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana sy ny Tranokala
Komity fankalazana ny faha 160 taonan’ny Fiangonana: fandraisana Teny faneva hatramin’ny 3 janoary.