Nomena antsika koa io Teny io. Mbola te hanamarina, haneho ny tana-maheriny amintsika ny Tompo : te hanadio, hanasitrana, hanafaka antsika i Jesoa Kristy. Izy anefa manaja ny safidintsika, ny famonjena efa vitany teo amin’ny hazo fijaliana fa isika no minia tsy mijery. Ho antsika, ny aretina mahazo antsika dia mety ho fahotana mangeja tsy mety afaka. Mangetaheta fahafahana amin’izay mangeja anao ve ianao ? Jesoa no tonga manafaka.
Eto dia nanatona ny Tompo ilay boka satria nanana finoana izy, ary niankohaka teo amin’i Jesoa Kristy (mariky ny fanetren-tena, fibabohana). Raha manetry tena isika, raha mahafoy ny faharatsiana sy ny fahotana, raha tena vonona isika dia hahita ny tana-maherin’ny Tompo hanafaka, hanadio , hanasitrana. Marina amin’izay rehetra mino Azy Jesoa Kristy. Nijery am-pitiavana ilay boka i Jesoa Kristy, nihaino azy am-pitiavana, nanana fo onena.
Nasain’ny Tompo hiseho teo amin’ny mpisorina ilay boka rehefa sitrana. Dia nasainy nanao fanatitra.Ny fanatitra dia fanajana an’Andriamanitra. Amin’izao fotoana dia ny tenantsika no fanatitra atolotsika an’Andriamanitra. Ho antsika izay efa nandray fanafahana dia tarihan’ny Tompo hanao fanatitra isika. Raha mahatsiaro ny tana-maherin’Andriamanitra isika dia tokony mahatsiaro ny hanao izany fanatitra izany, vonona hijoro vavolombelona haneho ny fitahian’ny Tompo. Eny, ny fanatitra dia fijoroana manao ny asan’ny Tompo.