ALAHADY 26 FEBORARY 2023 “NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA” ALAHADY I AMIN’NY KAREMY
Ankatoky ny fandraisana
« Anaka, voavela ny helokao » Marka 2 :5



Alahady farany amin’ny volana febroary izay mamarana koa ny fibanjinana ny lohahevitra hoe “NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA” ity alahady ity ; ary koa alahady voalohany amin’ny Karemy.
Fotoana miavaka ao anatin’ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina ka natokan’ny Komity (KFM) ho fiarahabana ireo tokantrano kristiana.
Rambeloson Mitsoa, Diakona, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina miana-draharaha, Jaomisy Erudit, no nitory ny Teny. Ny litorjia endriny fahatelo no narahina.




FANOMBOHANA NY FOTOANA
Feon’orga teo am-pidirana. Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahana namaky teo am-pitsanganana ny Eksodosy 15 : 1b, 2 ; 11-13 « Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy … ; Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy ; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana ? ; Tarihinao amin’ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ny herinao ho any amin’ny fonenanao masina izy.
Nohiraina ny FF 13 « Mihirà fihiram-baovao ». Rehefa dia natao ny vavaka Fiderana.
Niombona ny Fiangonana nidera sy nisaotra, mankasitraka noho izao fotoana izao, izay iatrehana ny Karemy. Manaiky tarihin’ny Fanahy Masina noho ny fahefan’ny Teny. Mangataka mba tsy ho fahazarana ny atao eto fa faniriana ny hianatra sy hankato ny Teny.




FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K9, Harentsoa Louisa, no nitarika ny fotoana. Niarahaba ny ankizy sy ny tanora izy teo am-panombohana ary noraisiny ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra dia hoe : » Misaora amin’ny zavatra rehetra « ao amin’ny I Tesaloniana 5:18a. Mazàna, rehefa mahafinaritra, dia mora ny misaotra an’Andriamanitra.
Tantara : nody avy niasa ity lehilahy ka tratran’ ny oram-be. Kotsa izy ka nimonomonona. Nisy jiolahy nanafika azy, nitifitra nefa tsy nipoaka ny basy fa lenan’ny orana. Nanenjika ireo jiolahy fa tsy nahazo, nianjera izy ka folaka ny tongony. Tafatsoaka izy, voavonjy noho ny orana.
Ny raisina amin’izany dia ny fisaorana an’Andriamanitra, misaotra Azy noho ny orana na dia mahasosotra aza izany.
Naverina ilay Teny : » Misaora amin’ny zavatra rehetra « I Tesaloniana 5:18a.
Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 547 : 4 « Ry Jeso Masoandronay ô » ary nofaranana tamin’ny vavaka ny fotoana.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina avy hatrany ny FFPM 244 : 1, 2 « Ry Jesoa mba henonao ».
Nivavaka ny Diakona Razafindrabe Mamy Bam, ary nanohy namaky ny Teny tao amin’ny Deoteronomia 18 : 20-22. Ny Diakona Razanajatovo Ravakiniony no namaky ny Marka 2 : 1-12 sy Hebreo 4 : 12-13.
Nohiraina ny FFPM 226 : 1, 2 “ Ny Teninao, ry Tompo ô! ” mialoha ny toriteny
TORITENY
Faly namerina ny fiarahabana ny Mpitandrina miana-draharaha.
Mamarana ny lohahevitra hoe “NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA” isika hoy izy.
Alahady voalohany amin’ny Karemy izao. Ny Karemy dia fotoana handinihan-tena indrindra ny amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Ny Marka 2 : 1-12 no nandraisana ny hafatra. Hita ao Jesoa Kristy tonga tao Kapernaomy, ary rehefa tonga tao an-trano Izy dia fantatry ny olona, ka tonga ny olona handray fampianarana.
Ao amin’ny Marka 1 dia nampianatra ny olona tao amin’ny Synagoga izy. Fampianarana tena nisy fahefana izay nahatalanjona. Hatramin’ny demonia aza tsy nahazaka ny fampianaran’i Jesoa : nahasitrana olona ny Teny nataon’i Jesoa. Rehefa tonga tao Kapernaomy Izy dia tafangona ny olona satria nahafantatra ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa.
- Ny fahefan’ny Teny dia mitondra ny olona ho olona misahirana ho an’ny hafa
Amin’ny ankapobeny dia ny finoana no mampifandray amin’Andriamanitra. Eto amin’ity Perikopa ity dia entina misahirana hitondra ny hafa hihaona amin’i Jesoa Kristy.
Nisy olona efatra nitondra marary voan’ny paralysisa. Nisy ny sakantsakana nefa tsy nahakivy izany, fa nataony izay hatafahoana ilay marary amin’i Jesoa Kristy : Nesorina mihitsy ny tafon’ilay trano. Vokatr’izay fisahiranana izay dia hoy Jesoa eo amin’ny and.5 : « Anaka, voavela ny helokao », noho ny finoana izany.
Hoy Jesoa : « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.» (Jaona 15:13) Ireto olona efatra (4) ireto dia tena nanolotra ny ainy mba hamonjena ny sakaizany.
Isika izay manana finoana dia mila mitondra ireny olona sahirana na marary ireny.
Manana finoana ve ianao ka hitaona ny olona ho olona misahirana ho an’ny hafa ?
- Ny fahefan’ny Teny dia mamerina fifandraisana tsara
Rehefa nahita ny nataon’ireto olona efatra ireto Jesoa dia niteny eo amin’ny and.11 hoe : « Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. »
Misy fifandraisana roa rehefa mandray ny fahefan’ny Teny.
-Fifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra. Mamela heloka Andriamanitra. Ny fahotana atao dia mampisaraka amin’Andriamanitra, mampiteraka aretina. Rehefa miteny Andriamanitra hoe « voavela ny helokao » dia tafaverina amin’Andriamanitra izany. Ny teny hoe « Anaka » kosa dia fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka, feno fifankatiavana.
Tsarovy na fantaro fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia tsy mandeha ho azy fa misy sakana ; mitarika ny olona i Jesoa tsy ho kivy. Raha miteny Jesoa hoe « betao ny fandrianao », midika izany fa tsy misy mahavela heloka afa tsy Andriamanitra Irery ihany.
Mety misy amintsika tsy tena manana fifandraisana amin’Andriamanitra. Fotoana izao hanatsarana ny fifandraisana Aminy, hiverenana Aminy.
Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ? Mitarika antsika Jesoa hanana fifandraisana tsara.
-Fifandraisan’ny olona amin’ny olona
Tsy miteny fotsiny hoe « modia » fa « modia any an-tranonao ». Maniraka Izy mba hiverina amin’ny fifandraisana amin’ny ankohonana. Ao anatin’izany no hanehon’ny voavela heloka ny amin’ny finiavany hankato an’Andriamanitra. Maniraka Jesoa, ka ilay olona dia mila mankato an’i Jesoa Kristy. Raha mody any an-trano izy dia noho ny fankatoavany an’i Jesoa. Koa amboary ny fifandraisanao amin’ny hafa, izay atomboka ao amin’ny ankohonanao.
« Mitsangàna » : voambolana nampiasaina tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany. Milaza fa ilay olona maty (ilay paralysisa, ao anatin’ny fahotana) dia Jesoa Kristy no manangana azy, ka hihavao eo anatrehan’ny fiarahamonina.
Koa tsy amin’Andriamanitra ihany ny fifandraisantsika fa amin’ny olona koa.
Ianao izay nandray tamin’Andriamanitra ; mitaona anao ny Tompo mba hiverina amin’ny fifandraisana Aminy sy amin’ny olona, fifandraisana ao anatin’ny fitiavana. Atomboy eo amin’ny ankohonana izany ary amparitao amin’ny olona mifanerasera.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Feon-javameno




VAVAKA FIFONANA
Nangataka ny famindram-pon’Andriamanitra miaraka miombona amin’i Davida.
Rehefa miato ny mpitarika dia namaky ny Salamo 51 :1-5 ny mpianakavin’ny finoana.
« Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao ; araka ny haben’ny fiantranao vonoy, ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. »
Natao ny hira FFPM 499 : 2, 3 « Inona, re, no atakaloko ».




TENY FAMELAN-KELOKA
Teo am-pitsanganana no nandraisana izany. « Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. » Salamo 145 : 8 ; « Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa » Jaona 8 : 31 ; « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » Jaona 8 : 36.
Nohiraina ny FF 7 : 1 « Tsy hainay ny hangina » ary ho fanehoana ny finoana dia niara-notononina, teo am-pitsanganana ihany ny Fanekem-pinoana fahaefatra.
Nipetraka ny Fiangonana, nivavaka mangina tao anaty feon-javamaneno




RAHARAHAM-PIANGONANA
“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”
Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana no nanatanteraka izany.
« Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo » Hebreo 4 :12. Izany no andian-tSoratra Masina noraisiny, nentiny hilazana ireo raharaha tsara hofantarina.
Ivelany
FIKAMBANANA MPIARA-MAMAKY BAIBOLY : Mbola misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana fitoriana Filazantsara hatao ny 06 hatramin’ny 10 marsa.
KT AMBATOVINAKY : Fanasana hanatrika rindran-kira ara-pilazantsara lehibe hotanterahan’izy ireo miaraka amin’ny Trompetra Fanantenana 67ha sy ny TFKT Ambavahaditokana Itaosy ny alahady 5 martsa 2023.
Anatiny
05 martsa : Ny AFF dia manasa ireo ankizy latsaky ny 10 taona. Hisy fitoriana amin’ny alalan’ny lalao. Ny lohahevitra : « Jesoa tia ahy ». Hisy mpanakanto « surprise » ho tonga amin’io fotoana io.
05 martsa : Ho avy eto amin’ny Fitandremana ny Mpitandrina Rakotomalala Herinjaka, avy any amin’ny FJKM Ambohitsitaitaika-SP Mananara Firaisana. Ao anaty tsy fahasalamana izy. Hivarotra tantely sy vokatra hoentina hanampiana azy amin’ny fitsaboana.
11 martsa : Fiofanan’ny tomponandraikitra (Birao, komity, fikambanana, mpampianatra katekomena,
mpampianatra Sekoly Alahady, mpitendry zava-maneno, mpirakira fafana, sonorisation, régisseur, mpandinibola.…ireo manan-draharaha rehetra eto amin’ny Fiangonana).
Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina
Manentana hitondra amim-bavaka ny fotoana fiofanan’ny tomponandraikitra, ny hetsika rehetra ataon’ny KFM mandritra ny volana martsa.
Nisaotra ny rehetra nitondra amim-bavaka ny dia tany Ambositra nanatanterahina ny « Pré-camp » ho an’ny Synodam-pinoana izay hatao ny 11-14 mey 2023. Misaotra an’Andriamanitra tsy tratran’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Fiangonana dimy (5) no simban’ny rivodoza.




RAKITRA SY FANOMEZANA
Feon-javameno mialoha ny namakin’ny Biraom-piangonana, Razafindrabe John Bam, ireo voady sy raki-pisaorana. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Salamo 71 : 8 « Ny vavako ho feno ny fiderana Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva ».
Fisaorana an’Andriamanitra noho ny Batisan’ny zaza ; fisaorana an’Andriamanitra noho ny nanaovan’i Jesoa soa teo amin’ny fiainana ary mangata-bavaka ny amin’ny hoavy.
Natao ny hira FFPM 480 « Mamin’ny foko, ry Jesoa ô » mandritra ny fanantazana ny rakitra, ka natsahatra rehefa vita izany.
Natolotra teo am-pitsanganana ny rakitra tamin’ny hira vavaka FFPM 441: 3 « Raiso aho, Tompo ô ».
Nanao ny anjara hirany ny Rantsana Fialamboly sy Fanatanjahantena (RFF). Notohizana tamin’ny Asa Vavolombelona ny fotoana.




ASA VAVOLOMBELONA
Roa ny Asa Vavolombelona notanterahina :
- SAKRAMENTAN’NY BATISA
Nohiraina ny FFPM 788 : 1 «Ry Jeso Sakaizan’ny zaza » mandritra ny nitondrana ny zaza teo amin’ny alitara. Hira nangatahana tamin’ny voady io hira io.
Ny zaza Randrianisa Narovaniavo Stephan no natao Batisa
Rehefa vita ny vavaka dia namonjy ny toerany tao anatin’ny feon-kira izy ireo ary niomana ireo mpivady kristiana.
- FIARAHABANA IREO TOKANTRANO KRISTIANA
Nampahatsiahy ny Mpitandrina fa nanomboka tamin’ny jolay 2008 hatramin’izao dia niisa teo amin’ny 200 any ho any ny fanambadiana nohamasininy teto amin’ny Fitandremanana Amparibe Famonjena. 62 ireo nisoratra anarana ny amin’ity fotoana ity. Maro ny monina any ampitan-dranomasina sy any amin’ny faritra, hoy ny Mpitandrina, no niantso azy sy niantso ny KFM ka mba naniry ny ho raisin-tanana amin’io fotoana io. Mahatsiaro sy miombona amin’izy ireo. Afaka manatona ny komity izy ireo misoratra anarana hanaovana sertifika. Natsangana ara-tsokajin’ny faharetan’ny fanambadiana ireo mpivady rehetra nanatrika teo : ny feno 50 taona ; 30-49 ; 10-29 ; 9 taona midina. Nasaina nitsangana daholo ny rehetra avy eo. Matoa maharitra, hoy ny Mpitandrina, dia noho ny fitahian’Andriamanitra ka homba mandrakariva Izy. Fianarana ho an’ny mino izao.
Fitsofandrano sy fanamasinana
Firarian-tsoa sy fankasitrahana ary fiarahabana noho ny faharetana no notanterahina. Naverin’ny Mpitandrina ho fampahatsiahivana ny Teny fanorenana ny fanambadiana. Nasainy mifanatrika ny mpivady dia mifandray tanana ankavanana : « Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy » ; « Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. » ; « mbola hijanona aminao irery ihany aho, mandra-piavian’ny fahafatesana ».
Rehefa vita izay dia nitehaka mafy ny Fiangonana manontolo.
Nivavaka ny Mpitandrina nisaotra an’Andriamanitra, nitrotro amim-bavaka ny tokantrano kristiana hanana faharetana, hitoetra amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, ho fianarana ho an’ny mino izay manana fikasana hiroso amin’izany.
Nantsoina ny anaran’ireo mpanambady 62, notolorana ny sertifika ; nanaraka ireo mpivady. Samy nasaina nanonona ny andinin-tSoratra Masina nosafidiany izay mahatsiaro ary samy nanao raki-pisaorana.
Ny feon-kira voalohany notendrena nandritra izany fandalovana teny amin’ny alitara izany dia « Oui devant Dieu », feon-kira nangatahina manokana.
Famaranana
Nitsangana ireo rehetra nandalo teny amin’ny alitra dia niara-nihira ny FFPM 703 : 4 « Ry Jehovah Ray Tsitoha » (mitovy feo amin’ny Jesoa Tompo Vatolampy).
Nivavaka ny Mpitandrina nisaotra noho ny fahatanterahan’ny fotoana izay nahatsiarovana ny fotoana fahiny nanaovana ny voady.




VAVAKA FANGATAHANA
Naneo fisaorana sy fankasitrahana fa manana fahefana ny Tenin’i Jesoa. Ny Teny dia manorina fifandraisana tsara, ho tena tonga lafatra hijoroana ho vavolombelona. Ny Fiangonana anie hahatonga izany Teny izany ho fiainana.
Mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny Mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny Foibe FJKM, ny mpandraharaha, ny mpiandraikitra Foibe, ny Synodamparitany rehetra indrindra ny SP andrefana, ny mpiara-miasa rehetra sy ny mpandraharaha ao.
Ho eo am-pelatanan’ny Tompo ny fiandohan’ny fandinihan-tena, ny Karemy, ka hanatsarana ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Mivavaka ho an’ny Sampana, Sampan’Asa, Asa ; indrindra ny Sekoly Alahady izao ao anatin’ny faha 160 taona nijoroany.
Mivavaka ho an’ny Kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana, ny hetsika rehetra tanterahan’ny KFM, ny fiomanana amin’ny fiofanan’ny tomponandraikitra, ny Kristiana eto amin’ny Fitandremana na eto an-toerana na any am-pielezana.
Mivavaka ho an’ny mpanompo nandalovan’ny rivodoza sy ny simba sy rava. Tsy ho kivy fa afaka mijoro hatrany.
Tsy hadinoina ny Asa rehetra sy andraikitra iantsoroana amin’izao volana vaovao izao, ho vita tsara.
Trotrona amim-bavaka ny sahirana, ny marary, ny manan-manjo ; ireo manana hataka manokana ho valina vavaka ary ireo izay nanao voady sy raki-pisaorana.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina teo am-pitsanganana ny FFPM 332 : 1 « Finaritra ny olonao ». Notononona ny tondrozotra 2023. Natolotra ny Tsodrano. Nofaranana tamin’ny hira fanevan’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Nipetraka nanao vavaka mangina ny Fiangonana.
Niaraha-nanonona ny Trinite Masina : « Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zananaka ary Fanahy Masina.» nofaranana tamin’ny Amen.
Nijanona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo nanatrika ny fivoriana fanao ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo..
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Heninkaja Irimanana sy Rova Harentsoa ary ny SMZM
Nikirakira ny fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto sy Rakorovololona Lova
Naka sary : Ramiadamanana Josian Lovatiana
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy