ALAHADY 26 DESAMBRA 2021
« MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO »
Alahady fahefatra
Alahady farany amin’ity taona 2021 manaraka ny Krismasy
« Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany »
Salamo 96:11

Ny fotoam-bavaka natrehin’ny Fiangonana mivantana teto an-tranon’Andriamanitra tamin’ny 9 ora maraina izao tanterina eto izao, izay notarihian-dRamatoa Raharijaona Bodo, ary ny Mpitandrina  Raharijaona Solofonirina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina. Mialoha ny fanombohan’ny fanompoam-pivavahana dia nohiraina ny hira fanevan’ny faha-160 taonan’ny Fiangonana « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 96 :11-13 : « Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany. Aoka hirohodrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy. Dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra an’ala. Eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, Eny, hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao araka ny  rariny Izy. Ary ny firenena amin’ny fahamarinany ». Taorian’izay dia natao ny hira FFPM 75 : 1-3 « Andro malaza ». Nisy vavaka fiderana sy fisaorana izay maneho ny voninahitr’Andriamanitra noho ny nahafahana niara niombom-bavaka tamin’ity farany taona 2021 ity, noho ny tombon’androm-pibebahana. Misaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezany fifaliana tsy mety ritra, ny famindram-pony ny nahafahana niara nivavaka. Taorian’ny vavaka dia feon-javamaneno fohy.

FOTOANA HOAN'NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K7, Rabiazamaholy Léa, no nitarika izany.
Ny tantara fohy mahakasika an’i Vony, 14 taona, no nanatsoahina ny lesona sy ny hafatra araka ny andinin-tSoratra Masina I Tesalonian 5 :21-22 « Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra ».
Zazavavy, sariaka dia sariaka i Vola, vokatr’izay dia nanana namana be dia be izy. Nampitandrina azy ny ray aman-dreniny mahakasika ny fitondran-tenany, momba ireo namany ireo. Kanefa dia niaraka tamin’ireo namany ireo ihany izy. Indray andro dia niharan-doza ny fiara nitondra azy sy ireo namany rehefa avy tany amin’ny toeram-pandihizana izy ireo. Namonjy an’i Vola tany amin’ny hopitaly ny ray aman-dreniny noho ny voina nahazo azy sady nitebiteby fatratra. Nifona tamin’ireo ray amandreniny i Vola ary nilaza hoe « Mety mbola ho voavonjy ve aho ? ». Hoy ny reniny « Eny anaka, voavonjy ianao »
Andriamanitra no tokony ekentsika. Ary dada sy neny no solotena hita maso. Rehefa mananatra ireny mpanabe ireny dia sahia manao « Eny » isika. Tokony ho lavintsika kosa ny ratsy rehetra dia manao « Tsia » isika.
  Taorian’ny vavaka dia nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny hira FFPM 79 « Sambasamba Zanahary ».

FANKALAZANA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Mialoha ny vakiteny, nanao ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina i Rakotomalala Harizo. Namaky ny Tenin’ny Soratra Masina araka ny Perikopa voalahatra i Ranaivoson Toky : Isaia 40 : 6-8 ; Lioka 2 : 15-20 ; Asan’ny Apostoly 13 : 1-5. Nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira HF 12:1 “Feno toky ny Fanahy”. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatry ny Tompo.
Ny Lioka 2 : 15-20 no andinin-tSoratra Masina nanompanana ny hafatra sy nakana ny lesona izay entina hamakivaky sy nankalazana ny krismasy. Nifantoka amin’ny tantara ny mpiandry ondry ny andinin-tSoratra Masina. Ny nataon’ny mpiandry ondry teto dia nandeha nijery sy namantatra ny feo reny sy izay nifanaovany tamin’i Maria sy Josefa.  Ary hitany fa marina tokoa izany.
Eto dia mizara roa ny fitoriana ny filazantsara :
–        Fitoriana ny filazantsara sady fankalazana an’Andriamanitra
–        Fitoriana ny vaovao mahafaly izay fiderana ny Tompo
1-Fitoriana ny filazantsara sady fankalazana an’Andriamanitra
Nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny feon’ny anjely Gabriela : “Voninahitra ho amin’ny Avo indrindra ary fiadanana ho an’ny olona ety amboniny tany”. Izany teny izany no manambara ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany sy ny fiadanana ho an’ny olona ankasitrahany.
Hojerentsika ary ny fomba nentina nampielezana an’Andriamanitra izany voninahitra izany :
Noho ny fahatsiarovany ny zavatra hitany. Asain’Andriamanitra miantsoantso sy miorakoraka ny olona.
Ny Isaia farany dia milaza ny fiverenan’Andriamanitra ary nasaina miantsoantso sy midera an’Andriamanitra ny olona. Manala azy ireo ihany koa ao anatiny geja. Toy izany koa ny andron’ny mpiandry ondry. Tamin’izany fotoana izany dia nozanahany fanjakana Romana ny fanjakan’Israely, ka nahatonga ny olona hiantsoantso hoe “Rahoviana no ho avy ny Mesia?” Eto dia tonga tokoa ny Mesia.
–        Inona no nataony mba hankalazana an’Andriamanitra?
o   Nisy ny fanandratana an’Andriamanitra satria tena tretrika izy ireo,
o   Nanome voninahitra an’Andriamanitra Ray Tsitoha ny olona. Hitan’izy ireo ihany koa  ny fahaterahan’ilay zaza.
Eto dia ireo mpiandry ondry kely ireo no nanehon’Andriamanitra ny fanambarana ny vaovao mahafaly. 
2-Fiderana ny Tompo : fitoriana ny vaovao mahafaly
Tsy toy izany kosa ny ankehitriny. Ao ny mpianakavy ny finoana izay mianatra amin’ny Setela, Sefala, ary Fitela, ao ihany koa ireo mirotsaka ho Pasitera. Tamin’izany fotoana izany kosa dia ny Tompo no mampiasa mivantana ary mirotsaka an-tsehatra. Olon-tsotra ary manetry tena any anaty bozaka tany no nitoriana ny filazantsara.
Zavatra roa no azo tsoahina:
–        Fihobiana ny hery, ny fiventesana izany fahatsarana, fahalalana fa io zaza nohodidinina lamban-jaza io no olon-tsotra nahay nidera sy nofinidin’Andriamanitra.
–        tsy ho an’ny olon-tsotra ihany ny hafatry ny Filazantsara, tsy teo amin’ny jiosy ihany koa fa eo amin’ny jentilisa. Manana anjara amin’izany ihany koa ny firenena rehetra.
Raha tsy niandoha tamin’ny Apostoly ny Vaovao Mahafaly tsy tonga taty Madagasikara ny Filazantsara. Betsaka ny manao “matraquage”, izany hoa mamerimberina. Misy ny antokom-pivavahana izay manao andoharano, toy ny “judaisme Madagascar” izay mampianatra  ny hoe efa tonga ny Mesia. Mandray ny ankamaroan’ny Testamenta Vaovao izy, ary ny Filazantsara efatra kosa tsy misy noraisiny.
Fehiny, miverena, manetre-tena, ny fisainanao tsotra no ahitanao ny voninahitry ny Tompo sy ny filazanao ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy ny feonjava-maneno fohy.

VAVAKA FIFONANA

Nisy ny vavaka fifonana notononina. Hanetry tena, hifona sy hibebaka ary hanaraka izao vavaka izao isika. Misaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavany sy ny fialany nenina amintsika isan’andro isan’andro. Miantso antsika mba handini-tena sy hibebaka. ny hafatry ny Filazantsara, kanefa rehefa nahita ny fahaterahan’ny Tompo dia nandeha nidera sy nankalaza. Misaotra ihany koa noho ny nanomezany ny Teny sy ny hafatra ahatonga antsika mba handini-tena. Mibebaka, mifona ary mangataka famelana noho ny fahadisoanay ry Tompo amin’ny fanaovana antsirambina. Mifona amin’ny fanaovana ny tafika masina ho fialam-boly na vacances. Mamela ny helokay, mamindra fo aminay. Omenao asa izahay, sarotra anefa izany. Mifona izahay satria tsy nahatanteraka ny asanao tsara. Amin’ izao farany taona izao, mivoady izahay fa tsy hanao izao sy izao. Fa amin’ny taona vaovao kosa hanao izao indray izahay. Mifona amin’ny fitondran-tena, ny fitafiana. Misaotra ry Tompo amin’ny fanoloran-tena teo amin’ny hazo fijaliana.
Nohiraina ny hira FFPM 415 :1 « Mifona aminao zahay »
Natolotry ny mpitarika ny Teny famelankeloka « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo,ianareo ». Ezekiela 36:26. Nohiraina ny hira FFPM 64:3 « Injany hiran-danitra ». Notononin’ny Fiangonana ny fanekem-pinoana niarahana tamin’ireo vavolombelona talohantsika (Laharana 4).
Nisy feon-javamaneno ary nanao ny anjara hirany ny RFF “Noely ny fanantenana”.

RAHARAHAN'NY FIANGONANA

Razafimaharo Maminirina, Biraom-piangonana, no namaky izany raharaha izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I Korintiana 3: 17b « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».
Toy izao ny asa nisongadina tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny am-bavaka:
–        29 desambra : Antsoina ny solontenan’ny rafitra, ny komity fisotron-dronono ny Mpitandrina hivory amin’ny 6ora hariva
–        22 janoary 2022 : fiaraha-miombom-bavaka eny amin’ny colesium, fangataham-pitahiana sy fitondrana am-bavaka ny taona vaovao 2022 ary ny taom-piasana Foibe FJKM. Misy ny  fidirana in-droa 7ora30, sy 10ora
–        alahady farany amin’ity taona 2021, famaranana ny taom-pankalazana faha 20 sy 30 taona’ny Sampana (SLK – Sampana Taniketsa, RFF, Vokovoko Manga, SMZM, Fifohazana,, K160)
–        Fahatsiarovana ireo nodimandry ka nentina teto amin’ny Fiangonana
–        Fizarana valisoa ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana Tenin’ny Soratra Masina.
–        Tsy nianatra ny katekoma androany hariva
–        Fanompom-pivavahana
o   01 janoary 2022 : fidirana amin’ny 8ora30
o   02 janoary : fiarahabana ny zokiolona 70 taona no mihoatra, sy ny Mpitandrina, . Fidirana amin’ny 7ora sy amin’ny 10ora
–        Tsy misy ny fiarahabana zokiolona any an-tokantrano noho ny hamehana ara-pahasalamana
–        Akatoky ny fandraisana anio
–        Antsoina ireo zokiolona na ny fianakavian’izy ireo mba hanavao ny fisoratana anaran’ireo zokiolona ho raisin-tanana

RAKITRA SY FANOMEZANA

Tantely Andriamasinoro, Biraom-piangonana, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny I Tesaloniana 5 :15
Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana dia fisaorana an’Andriamanitra fa afaka nanatrika ny fanaovam-batisa sy ny nahazoana fahasoavana ihany koa., fisaorana noho ny Fiangonana sy ny sampana izay nitaiza.
Ireo hira nangatahiny dia : Hira FF 7:1 « Tsy hainay ny hangina », Hira FFPM 731:1  » Enga anie ka ombanao Jesoa »
Ny hira vavaka FFPM 432: 2 « Mandra-piavin’ny Tompo, mivavaha » no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.

ASA VAVOLOMBELONA

BATISA

Sakrameta ny Batisa sy fitondrana am-bavaka ireo zaza nandray izany sakramenta izany.Nohiraina ny hira FFPM 248:1-2 « Nitondra ny zaza ny reny. »Ireo zaza natao Batisa :

–        Razafimaharo Nirina Camilla Harintsoa

–        Pruvot Yonnel Manoa
–        Andriamihaja Miahy Aliya

–        Andriamihaja Mahaliana Shanya Haroun
–        Andriamihaja Mahatia Inaya Haroun

–        Raharijaona Ranaivosolo Iharantsoa
–        Andriamahatana Iantsa Kalointsoa

–        Rakotoarivony Tiavina Raphael
–        Rakoto Alson Princy Fandresena

–        Rakoto Alson Princy Fifaliana
–        Andriamahatana Kristen Ashley

–        Andrianjafy Rakotonirina Hery Andrianina

FIZARANA VALISOA

Fizarana valisoa sy fitondrana  am-bavaka ireo nandray anjara tamin’ny fahalalana ny Soratra Masina. Novakiana ny Salamo 119 : 34 « Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao. Eny hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho ». 284 no isan’ireo nandray anjara. 29 no nahazo valisoa ary 5 isaky ny sokajy taona no notolorana izany.

FAMARANANA NY FANKALAZANA

Famaranana ny taom-pankalazana faha 20 sy 30 taona ny sampana :
SLK – Taniketsa, RFF, Vokovoko Manga, SMZM, Fifohazana, Nandray anjara fitenenana ny solotena avy amin’ny SLK, Rabezandriny Solohery, ary nanolotra fanomezana (fitaovam-pihinanana) ho an’ny Fiangonana.
Famaranana ny taom-pankalazana ny faha 160 taona ny Fitandremana.
               I korintiana 3: 17b « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».
Nisy ny tatitra ny zava-bita :
–        Fanaovana vaksiny ny mpianakavy ny finoana izay notarihiny Ray amandreny Mpitandrina
–        Tafika Masina tany Bevoay
–        Randonnée teny Ambohijanaka : 224 no isan’ny mpandray anjara
–        Tournoi K160 teny amin’ny kianja Andohalo
–        Ivon’ny fankalazana : nisy ny famelaberan-kevitra sy ny taom-pankalazana
–        Diampenin’i Rado : loha-hevitra niompana tamin’ny Finoana, Tanindrazana, Fiaraha-monina , niarahana tamin’ny zanaky ny Fiangonana sy ny fianakavian’i Rado
–        Garden party teny Androhibe : nisy ny sakafo agape, hira ara-pilazantsara, fialamboly
–        Fanolorana fanomezana niarahana tamin’ny katekomena
–        Fizarana akanjo teny amin’ny fitandremana Paragoay
–        Tsangambato faharoa : fanavaozana ny bassin miampy robinet sy ny ampahany amin’ny tokotany

VAVAKA FANGATHANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany. Nitondra am-bavaka ny zanaky ny Fiangonana, ireo vahiny niara- niombom-bavaka tamin’ny Fiangonana, ny fanohizana ny fanatanterahana ny vokatra mba ho tratra ny tanjona, ireo niaram-boina izay nanaovana fisaonam-pirenena, ireo miaramila sy sivily, ny firenena, ny famaranana ireo hetsika fankalazana samihafa teto amin’ny fitandremana, ireo sahirana, marary, manamanjo, ireo mpanompo manana hataka manokana, nanao rakim-pisaorana sy voady masina, vita soa ny batisa, nisy ny tsy fahasalamana ary afaka nandray fitahiana sy fahasoavana, nandray fitahiana niray latabatra tamin’ny Tompo, vita ny fianarana izay natao teto an-tanindrazana ary manana fikasana hanohy ny fianarana any am-pita, mitondra ambavaka izao fotoana izao sy ho an’ireo izay tsy afaka manatrika. Nofaranana tamin’ny « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 76:1-3 « Miderà anio ry mino ». Notononina ny tondrozotra 2021. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano.
Natao ny hira FFPM 67 :1-4 « Avia ry mino ». Nipetraka ny Fiangonana, notononina ny Trinite.
Nisy feon-javamaneno sy ny vavaka mangina ary mofo mamy nozaraina hoan’ny mpianakavin’ny finoana rehetra.

IREO TOMPON’ANJARA

·        Nitendry orga : Rajaofetra Philippe niaraka tamin’i Rajaofetra Anthonio (mpiofana ho mpitendry orga)
·        Nikirakira ny fafana: Rajaofetra Arielle
·        Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rabiazamaholy Hery Lanto
·        Nandray an-tsoratra: Raoliarizaka Bakoly