Marina ny fanambaran’i Jaona ny momba an’i Jesoa. Be mantsy ny fanambarana atao amin’ny onjam-peo isankarazany milaza hoe aty sy aty Kristy. Ny an’i Jaona dia marina ny fanambarany ary mifanaraka amin’ny Soratra Masina.
Mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve ny fanazavana omen’ireny manao fanambarana samihafa ireny ? Ny antony nanoratan’i Jaona ity filazantsara ity dia satria misy mpaminany sandoka.
Izany rehetra izany no hanafarana anao anio fa maro ireo miseho ho manampahaizana sy manampahalalana milaza fa nisehon’i Jesoa.
Efa ho avy Jesoa. Miaina ao antin’ny vanimpotoanan’ny farany isika ; satana dia tena mamitaka, ary olom-boafidy mihitsy no tiany finganina sy fitahany, hifandroitany mba ho azy. Anaty vanimpotoana toa izao dia hilazana fa hipoitra avokoa izay fampianarana samihafa hafahafa ka hafarana ny amin’izany isika.
Raha te ho vavolombelona marina dia miezaha ho tahakan’i Jaona : Mahay manambara marina fa Jesoa no Tompo sy Andriamanitra, mitarika ny hafa ho mpianatra miteny sy milaza ny momba an’i Jesoa ary eken’ny rehetra fa marina izany fanambarana sy fampianarana izany sady mitombona noho ny asan’ny Fanahy Masina izay mitarika.
Aza matahotra ianareo, hoy ny Tompo, fa amin’ny fotoana hiatrehanareo ady sarotra dia ny Fanahin’ny Mpananatra ho ao anatinareo ka hiasa hitenenanareo izay tokony hambaranareo eo anatrehan’izany rehetra izany.
Ho an’Adriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.