Rehefa tena mianatra ianao dia afa-panadinana. Manoatra noho izanay ny tenin’Andriamanitra, fa raha manaiky an’I Jesoa Kristy ianao dia mahazo ny fiainana mandrakazay.
Tsaravo fa famonjena maimaipoana ny fivavahana kristiana. Fa hoe Jesoa Kristy tamin’ny mpianany « Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Matio 16:24) Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra izany kanefa tsy maintsy mandray an’Jesoa Kristy, Izay velona ao anatiko. Tena hatao “copier coller” mba hitovy Tanteraka Aminy ianao.
Havaozy ny fanoloran-tenanao fa ny famonjena dia ho an’ny tsirairay. Mitondrà ilay hazo fijaliana nefa aza maika hitondra tsofa satria mavesatra dia ho tsofaina hanesorana. Aza mitaraina mitondra azy raha tena mavesatra, io no sahaza anao ka tokony ho zakaina. I Jesoa dia nitondra hazo fijaliana hatramin’ny fahakeliny hatramin’ny nahafatesany.
Raha izy Evanjelistra dia 18 taona no niasany amin’ny maha mpitandrina ary nanao am-pifaliana na dia mafy aza ny asa fa manantena kosa ny fiainana mandrakizay izy. Mila mahavery ny aina isika ho an’I Kristy. Ny ataontsika ihany no hitsarana antsika koa atolory zato isan-jato ny tenanao