Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika.
Nisaorana ny Tompo noho ny sitrapony. Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famindram-pony.
Taorian’izay dia nohiraina ny hira FF 22 « Tsy mendrika ahy ».
Ny Isaia 54 : 7-8 ; 10 sy Romana 8 : 1 no Teny nanolorana ny famelan-keloka.
« Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. » Isaia 54 : 7-8.
« Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa. » Romana 8 : 1.
Taorian’ny fanolorana ny famelan-keloka dia noventesina ny hira FFPM 539 : 1 « Faly dia faly ».
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niaraha-nanonona ny fanekem-pinoana faha-4.
Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.