Manatanteraka no tadiavina aminao na inona na inona voasoratra ao amin’ny bokin’ny fanekena. Rehefa vonona hankato dia mila fanetrentena. Inona marina moa izany no antony andehananao miangona raha toa tsy hankato izany Teny izany ianao? Ho an’ny sasany tsy hita eny amin’ny fiarahamonina eny ny maha-kristiana azy, mitory Filazantsara, ilay olona manana disadisa, sarotra izany nefa izany no maha-kristiana “ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena”, moa ve tena mankato ny voasoratra anaty Baiboly ianao? Rahoviana ianao vao tena kristiana marina? Moa ve ny fianakaviana mba manome ho an’ny sahirana? Misy sahy mijoro ve rehefa misy fisotroan-toaka hoe tsy mety io?
Tombana no ataonao eo amin’ny fiainanao “tsy izay manao Amiko hoe Tompoko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra” MAT 7 : 21. Ampaherezo ny akaikinao hoe manaova ny sitrapony. Efa manome fiainana sy fanantenana ianao. Aza be “discussion” fa rehefa miteny Andriamanitra dia araho, ho fantatrao fa hahomby ianao eo amin’ny fiainana. Mampahery anao ny Fanahy Masina, tanteraho fa vitanao izany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena!