I Jodasy no ohatra voalohany, izy dia tsy nanaiky amboarina ary voasoratra fa izay tsy manaiky izany dia may sy ho very. Ny sampana rehetra izay mamoa kosa dia amboarina mba hamoa bebe kokoa (diovin’ny Tompo).
Fanamboarana ho amin’ny tsara, ho amin’ny fitombohana, ho amin’ny fanatsaràna. Izany fanamboaran’ny Tompo izany dia mitondra antsika ho amin’ny fahamasinana; Ahoana no hanaovana izany : amin’ny alalan’ny finoana, amin’ny alalan’ny firaisana amin’ny Tompo. Izany rehetra izany dia ataontsika amin’ny alalan’ny vavaka.
Ny Fanahy Masina dia miasa amin’ny alalan’ny vavaka.Nampianatra ny fiainana ho an’ny mpianany i Jesoa Kristy fony izy niara nitoetra tamin’izy ireo, ary niainan’ireto mpianatra izany tamin’ny alalan’ny vavaka.
Ny vavaka dia anatin’ny asa fanompoana ihany koa. Ny 90% dia efa asan’Andriamanitra satria anatin’ny vavaka ihany koa dia ny 10% sisa no antsika.