Raha nihatrana hiady tamin’ny firenena Ethyopiana izy dia nahatsapa I Asa fa tsy mifandanja ny hery teo amin’ny sy ny fahavalony fa lavitra dia lavitra ny elanelana misy eo amin’ny isan’ny miaramilany sy ny mpifanandrina aminy. Teo anatrehan’izany dia nanankina ny heriny tamin’ny Fivavahana tamin’Andriamanitra I Asa ka izany no nanavotra azy.
Inona ary no lesona raisintsika amin’izany ?
- NY KRISTIANA MIANDRANDRA FAMONJENA DIA MIANTSO VONJY AMIN’NY TOMPO (and 10a)
Raha nikasa ny hanafika azy ny ethyopiana dia tsy nisalasala izy nitady vonjy tamin’Andriamanitra.
Tamin’ny finoana tanteraka an’Andriamanitra no ninoany fa Andriamanitra dia mahavonjy azy na dia vitsy an’isa manoloana ny fahavalony aza izy.
Andriamanitra irery ihany no mahavonjy antsika manoloana ny ady sarotra.
Ny fiatorahantsika amin’ny Tompo dia miteraka fitahiana ho an’ny olona hafa ihany koa .
Ho antsika ary dia ahoana kosa no ataontsika manoloana ny fisedrana mahamay andalovantsika.
Moa va hitady vonjy amin’olona isika sa hitady vonjy amin’Andriamanitra. Tsy misy mahadiso ny mitady vonjy amin’ny olona fa ny tokony atao voalohany dia ny miantoraka amin’ny Tompo sy mitady vonjy amin’ny Tompo. Mazava izay voalaza ao amin’ny salamo faha 120.
Aza misalasala fa sahia mitaraina amin’ny Tompo fa hamaly antsika izy, toa ilay vehivavy tsy nitsahatra nangataka tamin’ny Tompo satria narary ny zanany .
- NY KRISTIANA MIANDRANDRA FAMONJENA DIA MIANKINA SY MANDEHA AMIN’NY ANARAN’NY TOMPO
I Asa dia nandeha sy niankina tamin’I Jehovah (and. 10b). Nino izy fa azo hiankinana ny anaran’I Jehovah, Mahery ny anaran’I Jehovah izay hivavahany. Toe-panahy tokony hananantsika izany toe-panahy izany dia ny mandeha amin’ny anaran’I Jehovah . Aoka isika tsy hiantehatra amin’ny herintsika na ny fahefantsika na ny fahaizantsika fa aoka isika andeha amin’ny anaran’I Jehovah ary manamafy izany ny tantaran’I Davida sy Goliata, maneho fa I Davida dia tsy nandeha tamin’ny heriny fa nandeha amin’ny anaran’I Jehovah ary dia nandresy an’I Goliata izy.
Ho antsika ary dia omen’ny Tompo ny vahaolana , miankina Aminy ary aza mandeha amin’ny herin’ny tena fa mandehana amin’ny anaran’I Jehovah fa sambatra izay olona mialoka amin’I Jehovah (Sal 34: 9)
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.