ALAHADY 22 DESAMBRA 2019

Ao anatin'ny Herinandro Sambatra "Iaino ny Fiadanan'ny Tompo"

« Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesoa. » (Lioka 1:31)

 

Alahady mbola ibanjinana ny lohahevitra  hoe « Iaino ny fiadanan’ny Tompo » ka ny Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny aim-panahy RAZAFINDRABE John Bam no nitarika ny fotoana ary ny Daikona ao amin’ny vaomieran’ny vola Rakotondramboa Rina sy Johary no nitari-bavaka sy namaky ny Tenin’ny Soratra masina. Ny Sekretera Jeneralin’ny Fjkm ny Mpitandrina RANDIMBISON Jonah no nitondra ny hafatry ny Tompo. Ny Lioka 1,31 no tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny . Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOANA NY FOTOANA :

Ny Salamo 18, 46 – 50 no novakiana ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Taorian’izay dia niarahana niredona ny Hira faneva faha-200 taonan’ny FJKM

Tamin’ny vavaka Fiderana  dia natolotra ny Tompo ny dera, saotra ary ny voninahitra noho ny fahasoavana arotsany amintsika. Nangatahina ny Fanahy Masina hanome fifantohana.

Ny sitrapon’Andriamanitra dia noraisina tao amin’ny Romana 15,7 « Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. » Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 68,1-3

Tao amin’ny vavaka fifonana dia nibebahana noho ny tsy fahatanterahana manoloana izany tenin’Andriamanitra izany dia nangatahina ny fifonana sy famindram-po ary famelan-keloka.

Ny teny famelan-keloka natolotry ny mpitarika dia noraisina tao amin’ny Jaona 3: 18 « Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka-lahy Tokan’Andriamanitra izy.”

 Natao ny Hira FFPM 76,1-3 avy eo. Ny fanekem-pinoana faha-4 no notononina avy eo.

FOTOANAN’NY SEKOLY ALAHADY

Zoky  Holy no niandraikitra ny fotoanan’ny Sekoly Alahady.Ny  Jaona 14,27a no teny nangalana ny hafatry ny Tompo. « Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. » I Jaona dia niasa tao amin’na dokotera Kristiana iray, mpampandroso vahiny no asany. Indray andro dia nanao fanompoam-pivavahana ilay dokotera ho fampaherezana ny olona izay mila izany.Anisan’ny tao anaty trano i Jaona nihaino ny fampaherezana.

Nambaran’ilay dokotera nandritry ny fampianarany fa i Jesoa izay  niakatra tany an-danitra dia mbola hiverina haka antsika ka hitondra antsika ho amin’ny fiadanana. Rehefa nody avokoa ny olona dia hoy ilay dokotera tamin’i Jaona «rehefa tonga Jesoa haka ahy dia omeko an’ise avokoa ny fananako ». Faly Jaona nanoloana izany. Rehefa avy ny alina dia tsy nahita tory Jaona nieritreritra izany. Toa tsy nahaliana azy indray ny handova ilay harena be.

Nodondominy tao amin’ny efitra fatoriany ilay dokotera ka hoy Jaona « Avelao ho anao ihany ny harenanao fa rehefa tonga Jesoa dia ny fiadanan’ny Tompo no tiako ary maniry ny hanaraka Azy any an-danitra aho» Faly ilay dokotera nanoloana izany ary niara nivavaka izy mianaka mba ahatontosa izany fanirian’i Jaona izany.

Tao amin’ny vavaka no nisaorana ny Tompo tamin’ny fizarany ny anatra tao anatin’ilay tantara fohy, Nangatahina ny Tompo mba hitahiry ireo tanora sy ankizy ao anatin’ny fiadanan’ny Tompo.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Raharaha avy any ivelany :

  • Nentanina ny Mpino amin’ny ezaka kofehy lehibe
  • Nambara ny fiovan’ny mari-drefy hahafahana manjoy ny Radio Fahazavana ao amin’ny FM88,6
  • Ho tontosaina ao amin’ny paroisse internationale ny 29 desambra 2019 amin’ny 8 ora ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy.
  • Anatontosa antsan-kira noely ao amin’ny FJKM Ambatonakanga ny Antoko Mpihira ao Mandrosoa Ilafy ny 29 desambra 2019 amin’ny 4ora sy sasany.

Raharaha anatiny :

  • Nambara ny fitohizan’ny herinandro sambatra
  • Amin’ny heriny anio dia mivory mahakasika ny tetibola 2020 ny mpihevi-draharaha amin’ny 8 ora.
  • Nambara ihany koa ny fisian’ny ankatoky ny fandraisana amin’ny heriny anio.
  • Manomboka amin’ny 9 ora ny fanompoam-pivavahana amin’ny Andro Krismasy ary hisy fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
  • Novakiana tamin’ny mpianakavin’ny finoana ny tatitry ny vola nandritry ny herinandro.
  • Novakiana ny fiantsoana fanambadiana.
  • Nametraka taratasy fisaorana noho ny fahatontosan’ny fankalazana ny Jobiliny ny Hasin’ny Famonjena.
  • Ho tontosaina ny 29 desambra izao ny fanolorana ny amboara nandritry ny lalao amboaran’ny filoha.
  • Ho fanohanana ireo vadin’ny mpiomana ho mpitandrina dia misy fivarotana fromage ao an-tokontanim-piangonana.

FANDRAISAM-PITENENAN’NY MPITANDRINA :

Nanentana ny anotronantsika ny antsan-kiran’ny Sampana Taninketsa izay tontosaina anio hariva ny mpitandrina.Nanentana ny fahavitrian’ny mpianakavin’ny finoana amin’ny herinandro sambatra ihany koa ny mpitandrina. Nampatsiahivin’ny mpitandrina ny fanefana ny adidy amin’ny fiangonana.

Noharabaina sy naseho ny fiangonana ny Mpitandrina RANDIMBISON Jonah Sekretera Jeneralin’ny FJKM ; Izy no nitondra ny hafatra anio.

Noharabaina ireo zanaky ny fiangonana nahavita ny fanamasinana ny fanambadiany ny Sabotsy teo dia AUTIER RAMAMBASON Michaël sy TINA Hoby Narindra. Nentina am-bavaka izy ireo ho fisaorana ny Tompo noho ny fahavitan’ny fanambadiana kristiana sy ny mba hiasan’ny Fanahy masina amin’ny tokantranony hahatonga ny tokantranon’izy ireo irin’olona fa tsy haniry olona.

FANATI-PISAORANA

Ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana dia ny :Tonga indray re ny Noely fahasoavana – RFF / FF 7,1 / FF 12,1 / FF34,1

Ny voady sy raki-pisaorana dia niompana tamin’ny:

  • Fahazoana fahasoavana
  • Vavaka ho an’ny fiainana manontolo
  • Tsingerin-taona
  • Fitsingerenan’ny taonan’ny mariazy
  • Vavaka ho an’ny fahasalamana
  • Vavaka ho an’ny asa aman-draharaha
  • Vavaka ho an’ny asa fanompoana
  • Vavaka ho an’ny zaza atao Batisa

Ny hira nanolorana ny rakitra dia ny FFPM 75,2

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny FFPM 79 no natao mialohan’ny vavaka izay nisaorana ny Tompo noho ny hafatra sy hanatra izay omeny. Nangatahina ny tompo mba hampangina ny tabataban’i Satana. Nangatahina ny fifantohana ary nangatahina ny Fanahy Masina mba hiasa ao anatin’ny mpitondra ny tenin’Andriamanitra.

Ny Perikopa androany diany Malakia 2,5-6, Lioka 1,26-38, Romana 15,7-13

TORITENY (famintinana)

Nialoha ny toriteny dia nohiraina ny FFPM 71,1-4 “Ary indro hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia ataonao hoe Jesoa” Lioka 1,31 no teny nangalana ny toriteny anio.Mizara roa ny toriteny

Voalohany dia ny fanambarana fa hitoe-jaza I Maria. Faharoa kosa dia ny mahakasika ny anarana “Jesoa”

Fanambarana fa hitoe-jaza I Maria

Tsy lojika amin’ny fisainan’ny olombelona ny fahaterahan’i Jesoa.

Tsy mitombina amin’ny fisainantsika ny hoe vehivavy mbola tsy nahalala lehilahy kanefa dia mitoe-jaza. Jesoa dia miavaka satria avy tamin’ny Fanahy Masina. Tonga olombelona tao anaty kibon’ny vehivavy Andriamanitra. Na tiantsika na tsy tiantsika dia izay no sitrapon’Andriamanitra ka tsy azontsika toherina. Izany no làlana ahafahan’Andriamanitra mamonjy antsika. Tonga olombelona feno tao amin’I Jesoa Kristy Andriamanitra.

Nanetry tena ho olombelona ny Tompo ka nekeny hatramin’ny fahafatesana.

Zava- dehibe amintsika ny fahatongavan’i Jesoa ho olombelona.

Niainany sy nolalovany avokoa ny lalam-piainan’ny olombelona. Nanomboka tany amin’ny fahatorotoronina ka hatramin’ny fahafatesana. Araka izany dia sady Andriamanitra mahafantatra antsika ny Andriamanitsika no mahatsapa antsika satria efa niainany ny fiainan’olombelona niainany ny alahelo, fifaliana, fahasambarana, fijaliana… Apetrao amin’ny Tompo ary ny fiainanao.

Mahakasika ny anarana “Jesoa”

Tsy tonga olona fotsiny ny Tompo fa nomena anarana toy ny olombelona rehetra. “Ny anarany dia ataonao hoe Jesoa”. Manambara sy maneho ny fisian’ny olona iray ny anarana. Andriamanitra no nanome ny anaran’I Jesoa tamin’ny alalan’ny Anjely Gabriela. Araka izany dia manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra Jesoa.

Ny anarana dia tsy omena fahatany fa misy heviny manokana. Ny hevitry ny anaran’I Jesoa dia hoe Jehovah no Mpamonjy. Tanteraka tao amin’I Jesoa Kristy ny famonjena izao tontolo izao. Jesoa no mpamonjy. Mitondra fiadanana sy fifaliana ny Tompo. Efe ela no nisy ny fiadanan’ny Tompo fa isika no tsy niaina izany. Andriamanitra no mpamonjy antsika efa resiny hatramin’ny fahafatesana koa inona no olana lehibe noho ny fahafatesana mety tsy ho voavahan’ny Tompotsika ? Ataovy zava-dehibe aminao ny anaran’Andriamanitra.

Tonga olona Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra. Tonga olona Kristy hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra.Iaino ny fiadanan’ny Tompo Amen

Ho setrin’ny Toriteny dia nanao ny anjara hirany ny RFF.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany ka mbola nampianatra indray ny Tenany sy ny fahatanterahan’ny faminaniana. Nisaorana ny Tompo nanaiky niray monina tamin’ny zanak’olombelona. Nisaorana ny Tompo noho ny fampahafantarany amin’ny fidirany amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ny famonjeny. Nentina am-bavaka ny fiangonana, ny mpitondra fiangonana ary ny herinandro sambatra. Nentina am-bavaka ny mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena. Nentina am-bavaka ireo fotoana rehetra amin’ny herinandro. Nentina am-bavaka ireo Ray aman-dreny ao amin’ny Synodam-paritany sy ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM izay nitondra ny toriteny miaraka amin’ny ankohonany. Nentina am-bavaka ireo nanao voady sy raki-boady. Farany natao ny vavaka nampianarin’ny Tompo.

ASA VAVOLOMBELONA

Ny hira FFPM 788 no natao mialohan’ny Fanekena amin’ny sakramentan’ny Batisa sy ny vavaka. Nangatahina ny Fanahy Masina hiasa amin’ny fanaovam-batisa. Nangatahina ny Tompo mba ho voatahiry mandrakizay ao amin’ny Tompo ny zaza ary mba hitafy an’I Jesoa Kristy.

Ireto avy ireo zaza natao Batisa:

  • RAMALANJAONA Alson
  • RAMALANJAONA Fitia Arsène
  • RANDRIAMIHAJA Antema

Tao amin’ny vavakanataon’ny Mpitandrina dia nisaotra ny Tompo noho ny fahatanterahan’ny Batisa. Nangatahina ny Tompo mba hanome finoana sy fanantenana ho an’ny zaza. Nentina amt-bavaka ihany koa ny Ray aman-dreny sy ny fiangonana hifanome tanana amin’ny fitaizana ny zaza.

Ny hafatra natolony dia : Aza matahotra fa efa nanavotra anao Aho efa namonjy anao Aho, Ahy ianao.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 77,1-2dia notononina ny tondrozotra ary natolotra ny tso-drano. Noredonina avy eo ny hira FFPM67,1-4

TOMPON’ANJARA

  • Nitarika ny fotoana: Ny Vaomieran’ny Aim-panahy nisoloan’ny Diakona RAZAFINDRABE John Bam tena.
  • Fafana : RAKOTONARIVO Vatsy
  • Fanamafisam-peo: RAMAHERY Yves
  • Mpitendry orgue: RABIAZAMAHOLY Hery Lanto
  • Diakona tompon’anjara: Ny Vaomieran’ny Asa Vavolombelona
  • Nandray an-tsoratra: ZANAHARITSIMBA Toky Noely Tiana
  • Naka ny sary : RAHARIJAONA Solofonirina