Ny teny nangalàna ny hafatra dia ny avy ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Lio 21 : 34-36.
Lohahevitra azo tsoahina amin’izany ny hoe «Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo».
Ahitana hevitra roa izany dia ny :
· Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia mitandrina tokoa
· Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia miambina sady mivavaka mandrakariva
1 – Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia mitandrina tokoa
Eto Jesoa dia milaza ny amin’izany fitandremana izany, mba hanaovana ho anaka andriamaso ny fo ka tsy ho vesaran’ny fahafinaretan’izao tontolo izao, miaro sy mikolokolo ary mikarakara ny fo.
Rehefa variana amin’izany fahafinaretana mandalo izany ianao dia tsy tompon’ny tenanao,
Aoka isika Kristianina hijoro vavolombelona mba hiteny ny namantsika sy ny havantsika tsy ho vesaran’ny fahafinaretan’izao tontolo izao.
Misy ny olona izay manana fiainana tsy mandeha raha tsy mikitika na misotro kely. Azo lazaina fa vesatra ho amin’ny fiainany izany.
I Jesoa no lalana raha sendra izany ianao, koa ento ao Aminy ny vesatrao fa izy irery no mahavita sy maha afaka izany, ka tsy ho variana amin’ny fahafinaretan’izao fiainana izao.
2 – Miambina sady mivavaka mandrakariva
Azo raisina amin’ny fomba fijery anakiroa izany dia ny hoe :
· mifoha ary manaramaso ny manodidina azy
· mifantoka tsara amin’izay atao
Mila mangataka amin’ny Tompo mandrakariva isika mba hahery ary hampandositra ny loza ho avy.
Ny hahatongavana amin’izany rehetra izany dia :
– mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy
– aoka hitoetra ao am-ponao i Jesoa ka hijoro ho Vavolombelony hatrany ianao
Amena!