Ny toko tsirairay dia milaza fahafahana avokoa. Ny fahadimy ohatra dia milaza fahafahana amin’ny fahatezeran’Andriamanitra, ny faha enina dia ny fahafahana amin’ny fahotana ary ity faha enina ity no nitondranany ny hafatra.
Ny olona afaka amin’ny fahotana dia :
-Manompo an’Andriamanitra amin’ny fahamarinaNy.
Ny olona, tamin’izany fotoana nanoratana ity boky ity izany, dia gejan’ny ota tanteraka ary mila fanafahana. Ny olona manompo an’Andriamanitra amin’ny fahamarinaNy dia :
- Olona manao ny asan’Andriamanitra araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy ny herin’ny tenany intsony no hivelomany fa miaraka amin’Andriamanitra.
- Mitory ny Filazantsaran’i Kristy amin’ny fitiavana.
- Manana fahasahiana hijoro ho vavolombelona ho an’ny Tompo.
Toy izany no tokony ho fiainan’ny olombelona izay manompo an’Andriamanitra. Raha ny bokin’i Nehemia, perikopa novakina anio dia hita fa nanao fivoriana masina ireo ary namakiana ny sitrapon’Andriamanitra. Nahatsapa ireo tamin’izany fa tokony hialana ny fahotana. Rehefa izany dia niankohoka ireo ary nibebaka.
Ireo rehetra izay vita Batisa dia tokony mametraka fanontaniana hoe manao ahoana ny fiainako manoloana izany zava-miseho izany. Misy fanapahan-kevitra tokony horaisina ao. Mbola kristiana « ordinaire » sy te hijanona amin’izany ve ianao ? Ny zanak’Israely aza, izay tena nanompo sampy, rehefa nahare ny Teny dia nifona sy nibebaka. Raha tsy mahatsiaro voatsindrona ianao rehefa mihaino toriteny dia tsarovy fa mandalo aminao fotsiny ny Teny.
Mandeha eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahamasinana
Tokony Andriamanitra no hiandrasantsika sitraka fa tsy tokony izao tontolo izao. Anjarantsika no mandeha eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahamasinana. Tokony tsy manao ny fanaon’izao tontolo izao isika. Tokony mihavao ny fanahy mba hananana fahamasinam-piainana.
Zava-dehibe izany mandeha amin’ny fahamasinana izany. Ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra no mampiavaka antsika. Izay manaraka ny Tompo dia mandova ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ireo VMFP, maro ny karazana fanomezam-pahasoavana. Eny, na ny finoana izay hananan’ny tsirairay aza, dia efa fanomezam-pahasoavana lehibe. Noho izany dia tokony ny olona rehetra no ho ao anatin’ity vondrona ity. Nanentana ny kristiana ny Mpitandrina mba hanohana izany asa izany.
Nasain’ny Mpitandrina nitsangana ireo vahiny avy any Tangaina ary nisaotra azy ireo noho ny fahafoizany ny toerana nisy azy ary hiara-hivavaka amin’ny VMFP.
Toy izany ihany koa ny amin’ny Arsiva, tokony hanohana izany asa izany isika satria zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny fisian’izany.
Namaranan’ny Mpitandrina ny hafatra dia nilaza izy fa tokony hieritreritra foana isika fa Andriamanitra efa nanala ny fahotantsika nefa isika dia mbola miverina amin’izany ihany. Ny olona miorina dia afaka miaina sy mampiseho eo amin’ny fiainany izany fiarahany amin’Andriamanitra izany.
Nisy feon-java-maneno taorian’izany ary nanao ny anjarahirany ny STK.