Ny mpitantsoratry ny Sampana Raboanarijesy Liantsoa no nanao ny tatitra nampahafantatra ny asa vita tao anatin’ny 11 volana farany, anisan’izany :
. Ny nitsanganan’ny vaomieran’ny aim-panahy sy fitaizana, teknika sy hira, fananana sy lozistika, fifandraisana, sosialy ary vola tao amin’ny Smzm taorian’ny fanavaozana ny tompon’andraikitra. Misy solontenan’ny birao isaky ny vaomiera
. Ny fandraisana anjara tamin’ny fiofanan’ny tompon’andraikitra tamin’ny volana marsa 2019
. Fitoriana Filazantsara sy fitsangatsanganana tany Ivato ny volana Jona 2019
. Lasy fanabeazana sy fiofanana ho an’ny mpitendry ny volana Oktobra 2019
. Ny fitendrena amin’ny fotoana samihafa
. Nanolotra fanomezana ho an’ireo kamboty tamin’ny fetin’ny ray
. Namangy ray amandrin’ny Sampana
. Ny fandraisana anjara tamin’ny asa fanavaozana ny sekoly teny Ambohidratrimo
. Nanatrika ny fiofanan’ny mpitendry zavamaneno nokarakarain’ny Foibe Fjkm tamin’ny volana
Jolay 2019
. Nikarakara ny fandraisana ny mpitendry zavamanenon’ny Synoda-paritany faritra faha-10 teto amin’ny tananan’ny Fiangonana
. Nanatanteraka ny herinandrom-bokatra
Taorian’izay dia nanao ny anjara feon-kira ny mpitendry : Prélude et Chorale –Saint Preux.